21.06.2013 Views

Ny fomba fambolena VARY AN-TANETY - BIMTT

Ny fomba fambolena VARY AN-TANETY - BIMTT

Ny fomba fambolena VARY AN-TANETY - BIMTT

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

Mamboly vary an-tanety

Birao Ifandraisan’ny Mpampiofana eo amin’ny Tontolon’ny Tantsaha

Tél: 020 22 604 04

E-mail: bim@moov.mg Web: www.bim.mg

1

2

Fanoroam-pejy

I-Fahalalana ankapobeny 3

II- Karazana sy fiainan’ny vary antanety 3

III- Toetr’andro sy toe-tany 3

IV- Fanomanana ny tany 4

V- FANDONAHANA: 4

VI- Fifantenana ny masom-boly 5

VII- Fikarakarana ny masom-boly 5

VIII- Fikojakojana 5

XI. Vokatra- Fijinjana- Fitahirizana 6

X- Arena mphazo ny vary 6

XI- Biby fahavalon’ny vary 6

XII- Zavamaniry fahavalon’ny vary 6

XIII- Fitahirizana masom-boly 7

XIV- Varotra sy famonosana 7

XV- Tombotsoa 7

XVI. Kaom-pamokarana 7

I-Fahalalana ankapobeny

Efa hatramin’ny taona 4500 talohan’i Kristy no nahafantaran’ny zanak’olombelona ny vary. Tany amin’ny

firenena Aziaka no niatombohany.

Maro ny firenena mitrandraka ny fambolem-bary: Chine, Thaïlande, Japon, Viet- Nam, Cambodge, Inde,

Corée, Pakistan, Birmanie, firenena Afrikana,….

Tafiditra teto Madagasikara tany amin’ny taona 1694 tany ho any ny vary. Sambo rendrika no nitondra azy

tamin’izany. Niparitaka tany amin’ny faritra atsinanana izy ka tonga teto afovoan-tany.

Vary, voamadinika, “riz”, akotry, fotsim-bary, “paddy”; anarana niantsoana ny vary daholo izany.

II- Karazana sy fiainan’ny vary antanety

- Ramaditra;

- Loham-bitro;

- FOFIFA 152;

- FOFIFA 154;

- FOFIFA 161;

- B 22;

- SEBOTA 70;

- SEBOTA 281;

- SEBOTA 68.

Mizara telo ireo karazam-bary ireo raha jerena ety

ivelany: lava, fohy, misy somotra na volom-bava na

tsy misy, tsy milamaka na milamaka.

Mandalo dingana maro ny fiainan’ny vary:

1- Miala sasatra na matory: aorian’ny fiotazana;

2- Mitsimoka: mampiasa ny tavolo na tahiry ao anatiny ( mandefa faka sy tsiry);

3- Feno efatra ravina: manomboka mamelon-tena ny vary ary mamorona tahiry ho an’ny famelomantena;

4- Mitombo: manalehibe ny tenany ary manome sakelika maro: ravim-bary efatra no mamelona sakelika

na zana-bary iray;

5- Mitroka: miforona ny felam-bary sy ny salohy

6- Miteraka: mivoaka ety ivelany ny salohy ary mamorona ny voa mbola mandronono ary mijoro mahitsy;

7- Mamoa: mitombo ny voa, manomboka miondrika

8- Masaka: matoy ny vary. Miverina matory indray ny voam-bary.

III- Toetr’andro sy toe-tany

Miankina indrindra amin’ny habetsahan’ny orana sy ny fitsinjarany, ny rivotra sy ny hafanana no mahatsara

ny voka-bary an-tanety.

Toy izao no famaritana izany:

- Faritra tena mety ambolena vary an-tanety: toerana vitsivitsy amin’ny faritra atsinanana

- Faritra mety tsara ambolena vary an-tanety: faritra atsinanana, hatramin’ny 600m ambony

ranomasina.

3

4 - Faritra mety ambolena vary an-tanety: faritra atsinanana hatreo amin’ny 300m ambony ranomasina

sy ny faritra lembalemba andrefan’ny afovoan-tany.

- Faritra sarotsarotra ambolena vary an-tanety: faritra afovoan-tany be orana

- Faritra tsy mety ambolena vary an-tanety: faritra maina, tsy ampy orana.

Hamandoana izany no tena ilain’ny vary eo amin’ny fitsimohana, fitomboana, fiterahana fa andro maina

kosa eo amin’ny fahamasahana.

Mila mari-pana éé - 30°C Mila rotsak’orana

1200-2000 mm

Fanamarihana:

Tsy tokony ho tratry ny vanim-potoana misy fanala ny fahatoin’ny vary fa raha tsy izany dia akofa no

betsaka.

Tsara ho an’ny vary an-tanety ny tany maivana tsy mifatratra.

Tsy tsara kosa ny tany fasehana tsy mitana hamandoana, ny tany be fompotra mitan-drano be loatra. Noho

izany, ilaina ny fijerena ny fisian’ny rokan-jezika eny an-toerana ary ny fanasiana dolomite handanjalanjana

ny herin’asidra eo amin’ny tanim-pamokarana ka iray volana mialoha no tokony hamafazana azy eo

amin’ny tany.

IV- Fanomanana ny tany

-Volana Mey, Jona, Jolay: vao mitsahatra ny orana dia efa manao vakitany ka atao 20cm ny halaliny;

- Avadika ny bainga, atao ny fandravonana ny tany herinandro mialoha ny famafazana;

- Apetraka ny aroriaka iarovana ny nofon-tany;

- Atao ny tatatra hahafahan’ny rano miandrona amin’ny toerana be fompona mitsika.

V- FANDONAHANA:

Afaka misafidy amin’ireto karazan-jezika ireto:

- Zezi-pahitra 400kg/ara + dolomite 5kg/ara afafy mialoha

- Kaompaosta 100kg/ara + dolomite 5kg/ara afafy mialoha

- Zezika kankana 25kg/ara + dolomite 5kg/ara afafy mialoha

- Zezi-pahitra 350kg/ara + zezika kankana 5-8kg/ara.

Amin’ny fotoana anaovana ny vakibainga sy fandravonana no anaterana ireo zezika ireo.

Ho an’ny otrika legiminosy: atao anaty rano 10 litatra ny ravina voatoto 1kg. haroina tsara ary atondraka

amin’ny voly itondrana azota ka atao 1- 2 litatra /m2. Alohan’ny fiavana sy ny fitrohana no anaovana izany

Raha ravina tephrosia na neem no ampiasaina dia sady fitondrana azota no fanafody fiarovana ny vary

amin’ny biby.

VI- Fifantenana ny masom-boly

- Masomboly madio, tsy misy arena no ilaina;

- Masomboly matoy tsara fa tsy be akofa na vary maivana;

- Masomboly voasedra ny fitsimohany, tsy maty maso.

VII- Fikarakarana ny masom-boly

- Fampitsirihana:

* Ahahy amin’ny masonadro aloha ny

vary:

* Asoka ao anaty rano mba hanesorana

ny vary maivana;

* Azo alona rano ny ambioka mba

hampifoha azy amin’ny torimasony. Idray

andro sy tapany (raha misesy ny orana).

Mila hamandoana misesy ny vary mitsiry

ka tokony ho efa ho mandy ny tanimboly.

- Fotoam-pambolena

- Famafazana:

* Atao fafy manara-tsoritra: 20-30cm ny elanelan’ny

soritra.

* Atao mitandahatra kosa ny voa. Masomboly 500-

700g/ara

Voly tomboka manara-tsoritra: 20- 30cm ny

elanelan’ny soritra sy ny fototra. Voa:4-5 isandavaka.

Masomboly 500g/ara no ilaina.

• Totofana vovo-jezika sy tany ny masomboly

ka intelo ohatry ny haben’ny voa ny hateviny.

Arakaraka ny fiavian’ny orana. Tsy tokony ho lasa aorian’ny 15 Desambra raha eto afovoan-tany.

VIII- Fikojakojana

Mba hahafahan’ny fakan’ny vary miaina

tsara dia atao ny fiavana voalohany

aorian’ny 15 andro nipoirany. Averina izany

afaka iray volana. Tokony tsy hohadinoina ny

mitondra azota avy amina otrika legiminosy.

Alohan’ny fitrokany no tena ilan’ny vary ny

azota; mihamavo ny ravina amin’io fotana

io.

5

6

XI. Vokatra- Fijinjana- Fitahirizana

Manodidina ny 140 andro eo ho eo no faharetan’ny vary an-tanety. 3- 5T/ha ny vokatra azo.

Rehefa matoy tsara ny vary vao jinjaina. Tsy andrasana hiraraka. Velesina, hamainina, kororohana, sivanina

dia atao ao anaty gony amin’ny toerana maina sady azon-drivotra. Asiana talantalana, tsy akasika ny

rindrina.

X- Arena mphazo ny vary

Karazany Fisehony Fitsaboana

Menalavitra - Mamaritra pentipentina

manja eo amin’ny raviny,

- Mihalo ny tonon-taho

farany ambony ary mora tapaka

Lo sikin-dravina - Lo ny salohy;

- Saro-piterahana ny vary;

- Bobongolo ny salohy

XI- Biby fahavalon’ny vary

Karazany Fisehony Fitsaboana

Fano - Maty am-potorany ny

vary;

- Mitsoaka ny taho rehefa

sintonina

- Voangory

- Sakivy

- Voalavo

- Totozy

- Fody

XII- Zavamaniry fahavalon’ny vary

- Tsy afaka mitombo ny

vary;

- Tapaka ny fakany

- Tapatapaka ny taho;

- Lanin’ireo biby ireo ny

voa

Karazany Fisehony Fitsaboana

Voly mifaninana ( Striga) - Tsy afa-mitombo ny vary;

- Hetry ka tsy afa-mamokatra

Ahitra tsy novolena - Feno karazana ahitra mifaninana

amin’ny vary ny toerampambolena;

- Sempotra ny vary;

- Mihamavo ny raviny

- Fiasana ara-potoana ny

toeram-pamokarana;

- Fifantenana ny masomboly;

- Dorana izay hita fa

voan’ny aretina.

- Fifantenana ny masom-boly;

- Fanangonana sy fandorana ny

salohy simba;

- Fanoloana ny masomboly

- Tsatohana seva fotsy eo

amin’ny elanelam-bary;

- Fafazana faikana neem ny

tany;

- Evoina dia lafihana ravim-boandelaka

na vovoka voamboandelaka

- Fafazana faikana neem ny

tany;

- Evoina dia lafihana ravimboandelaka

- Manao papango ovy;

- Manao sarina saka

amin’ny takelaka aluminium,

ahatona eny an-tanimboly;

- Diovina ny manodidina

- Lonahana tsara ny tany;

- Esorina amin’ny tanana raha vao

manomboka mipoitra;

- Anaovana;

- Anaovana Fifandimbiasam-boly ny

tany.

Atao ara-potoana ny fiavana.

XIII- Fitahirizana masom-boly

- Hosorana menaka neem 10cc ny masomboly 10kg;

- Hosorana zezika kankana 1kg ny masomboly 10kg

XIV- Varotra sy famonosana

Manahirana ny manao am-ponosana ny vary. Ahazoan tombony kokoa anefa ny mivarotra masomboly.

Ireto no tokony ho hita eo amin’ny fonosana:

- Sary famantarana;

- Anaran’ny fikambanana mpamokatra;

- Toerana niaviany

- Karazam-bary

- Fotoam-piotazana

- Fotoana farany haniriany.

XV- Tombotsoa

- Fotsim-bary: atao sakafo ho an’ny olombelona, azo anaovana lakaoly, fanafody,toaka;

- Apombo: atao sakafom-biby;

- Mololo: atao sakafom-biby, lafika

- Akofa: andoroan biriky, anaovana zezika kaomposta.

XVI. Kaom-pamokarana

Vola mivoaka Vola miditra

Antony Sandany Antony Sandany

Fanajariana ny tany 60000 Mololo 25X500 12500

Fiasana, vadik’asa 13500 Apombo 200 X 500 100000

Zezika 60000 Apombolahy 500 X 20 10000

Kapoka 40000 Akofa 1 sarety X 2000 2000

Traçage 60000 Vary fotsy 1300 X 1030 1365000

Fambolena 60000

Fiavana (3) 18000

Triage 6000

Fiarovana 6000

Fijinjana 160000

Famofohana 30000

Fitaomana 15000

Fagnelezana 60000

Kororoka 30000

Fitehirizana 15000

Fitaomana 21000

Fanelezana mololo 6000

Tatitra 6000

Fitotoana 6000

Tatitra 9000

Tombony 581100

Totaly 1489500 1489500

7

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!