30.12.2012 Views

147 147 FANOMANANA SEHOM-PAMPIANARANA

147 147 FANOMANANA SEHOM-PAMPIANARANA

147 147 FANOMANANA SEHOM-PAMPIANARANA

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

FANOMANANA SEHOM-PAMPIANARANA

Kilasy : CM2

Lohahevitra : Ny fananahana

Hairaha kendrena : HF1 : famantarana ny olana sy famahana sehatra olana mifandraika amin’ny tenan’olombelona

Ventim-pianarana :

� Fahalalana : Fahafantarana ny fitsaihana

� Fahaiza-manao : Mahay manazava ny fiforonan’ny zazakely

Faharetany : seho 3 : 30 minitra avy

Fitaovana :

-Afisy-kraft maneho ny taovam-pananahana

-boky CU

-fafana maneho ny rafi-batan’ny taovam-pananahin’ny lehilahy sy ny vehivavy

DINGANA

MITAFA

1-Fanolorana ny

lohahevitra.

Fanehoana ny ao

an’eritreritra

FIZOTRY NY LESONA (ireo sahanasa)

M : Mpampianatra A : Ankizy

SEHO 1

Famerenana : momba ny taovam-pananahana hita tao amin’ny CM1

M : « Toy ny zava-manana aina rehetra dia azon’ny olombelona atao ny miteraka. Amin’ny fotoana

fahamaotiana dia mivoatra ny toe-batana ka mahatonga ny fananan-taranaka. »

Toromarika : 1- Inona no fiovana hita :

▪ eo amin’ny tovovavy ?

▪ eo amin’ny tovolahy ?

2- Inona no fiovana anaty fahita eo amin’ny vehivavy rehefa tonga amin’ny fotoana

mahazatovo azy izy ?

3 -Manomboka amin’ny vanim-potoana manao ahoana no mety ahazoan’ny vehivavy

manana anaka?

Fanitsiana :

1. Ireo fiovana fahita :

▪Eo amin’ny tovovavy : mihalehibe ny nono, mivoatra ny vavam-pananahana,

mihamivelatra ny valahana, maniry volo eo amin’ ny helika sy ny teta

▪ Eo amin’ny tovolahy : mihamivelatra ny soroka, mihavaky feo izy, manjary nofosana,

mivoatra ny taovam-pananahany, maniry volo eo amin’ny faritry ny teta sy eo ambany

helika.

2. Amin’ny fotoana mahamaoty ny vehivavy : tonga isam-bolana ny fadim-bolana, misy

ra kely mivoaka eo amin’ny vavataovam-pananahana.

3. Ny fisian’ny fadim-bolana eo amin’ny zazavavy dia midika fa misy fandatsahantsirinaina

eo amin’ ny zazavavy, efa tonga amin’ny fotoana mety iterahany izy.

Mamoaka ovule iray isam-bolana ny ovaires,ny utérus kosa maniry tissu feno lalandrà

(raha sendra miray amina spérmatozoïde ny ovule).Raha tsy miray ny ovule dia tsy

manana asa io tissu io,ka mivoaka:izay no fadim-bolana.Ny fadim-bolana izany dia

fambara fa tsy bevohoka ilay vehivavy ary ny tsy fisian’ny fadim-bolana dia

manambara vohoka(mety hisy fahasorisorenana be koa raha vao tsy misy ny

fadimbolana)

FOMBA FIASA FITAOVANA

KIRAKIRA

Tsirairay

Miaraka

iarahan’ny rehetra

Miaraka

iarahan’ny rehetra

Kahie CU (pejy

an-kavanana)

Solaitrabe +

Kahie CU

Kisary 2 tsy

misy soratra

amina Kraft

(manomboka

amin’ny p 32

boky CU)

na sary

maneho ny rafibatan’ny

147

taovampananahana,

raha azo atao

147

2-Petrakolana =

« Manontany ny

zava-misy »

3-« Mihevitra aho

fa »

-4 - « Mikirakira

aho »

Seha-pikarohana

Famerenana momba ny taovam-pananahana.

Mandeha tsirairay ny mpianatra ka mametraka ny anaran’ireo taova eo amina kisary 2 izay tsy mbola

nasiana anarana ary maneho ny taovam-pananahan’ny lehilahy sy ny vehivavy.

M : « Inona no anjara asan’ny vihy eo amin’ny fampitomboana taranaka (fiterahana) ? »

M : « Inona no anjara asan’ny tranonatodinaina eo amin’ny fiterahana ? »

Fanitsiana : Amin’ny fotoanan’ny fahamaotiana, mivoatra miandalana ny fiasan’ny taovampananahana.

Mitohy tsy ankijanona ny famoahan’ny atodinakanga ny tsirilahy. Ny tranonatodinaina

dia mamokatra tsirivavy iray isaky ny 28 andro.

9 volana mialoha ny fotoana ahaterahany no fiantombohan’ ny fiainan’ny zaza ao amin’ny kibon-dreniny.

M : « Manao ahoana no fomba iforonan’ny zaza ? »

Manome toromarika ho an’ ny mpianatra ny mpampianatra ka mampandika azy an’io fanontaniana io ao

amin’ny kahie (pejy ankavanana).

Averin’ny mpampianatra soratana amina Kraft ireo karazana petrakevitra 3 ireo, aorian’izany dia

omeny ny toromarika

Toromarika : - Ary ianao, ahoana no mba hevitrao ?

- Ataovy lisitra ireo hevitra entinao manohana ny petrakevitra ary diniho miaraka amin’ny

namanao.

SEHO FAHA 2

Manao fikarohana mba ahazoana mamaly

Sahanasa : Ny fitsaihana

Mamerina manao ny sary 3 amin’ny kraft ny mpampianatra, tsy atao manaraka ny filaharany ary omeny ny

toromarika

Miaraka

Asan-tsamirery

dia asan-tarika

Tabilao sy

kahie

Kisary aseho

amin’ny Kraft

sy kahie CU

(pejy ankavanana)

Kisary 3

amin’ny Kraft

149

5-

Fampitambarana,

adihevitra

6-« Mitadidy

isika » Asa

fandrafetana

+ fanohizana

a) b) c)

Toromarika : 1) Avereno araka ny filaharany ireo sary ireo

2) Soraty amina fehezanteny 2 ny zava-miseho isaky ny sary

3) Soraty ny anarana eo amin’ny kisary 1

4) Manomeza famaritana iray momba ny fitsaihana.

Mpitondra teny iray isan-tarika no manome ny valinteny. Soratany eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny.

Hamarinin’ny ny mpampianatra aorian’izany ireo petrakevitra voatolotra tao amin’ny « mihevitra aho fa ».

Tsipihiny izay petrakevitra diso.

FANDRAVONANA : Iaraha-manatontosa amin’ny mpianatra. Adikany ao amin’ny kahieny izany.

Tsirilahy iray avy amin’ny ray ihany no miray amina tsirivavy iray avy amin’ny reny ka manome atody iray.

Izay no atao hoe fitsaihana.

Io atody io dia hitoetra amin’ny tranon-jaza, hivoatra izy ka hanjary zazakely.

SAHAN'ASA 3

Fanohizana : Ny mpitatitra isaky ny vondrona tsirairay dia mamaly ny fanontaniana. Soratany eny amin'ny

solaitra be ny valiny.

Sahanasa : Manomboka eo amin’ny tahirinkevitra 3 « Ahoana no fiforonan’ny zazakely ? », valio

ireto fanontaniana manaraka ireto.

1) Ny vanim-potoana itondran’ ny vehivavy ny zaza ao an-kibo no antsoina hoe fitondrana vohoka.

Hafiriana no faharetan’ny fitondrana vohoka ?

2) Rehefa mandray firy volana

o -ny zazakely no mitovy amin’ny olombelona ?

o -no hamantarana ny mahalahy na mahavavy ?

o -no ahatsapana ny fihetsehany ?

3) Firy ny lanjan’ny zaza amin’ny fotoana ahaterahany ?

4)Manao ahoana no fomba fihinany hanina ao an-kibon-dreniny

Asan-tarika

Miaraka

iarahan’ny rehetra

Miaraka

Tsiroaroa

Kahie CU (pejy

an-kavia)

Ny kisary 3

amin’ny Kraft

sy solaitrabe

Kahie CU (pejy

an-kavanana)

Tahirinkevitra

faha3

atao taha dika

na atao amin’ny

Kraft sy kahie

CU (pejy ankavanana)

151

Fanitsiana :

1) 9 volana no faharetan’ny fitondrana vohoka.

2) Mandray 2 volana ny zaza dia mitovy amin’ny olombelona.

Eo amin’ny volana faha 3 no hamantarana ny mahalahy na mahavavy azy.

Amin’ny volana faha 5 no andrenesana ny fihetsehany.

3) 3kg eo ho eo no lanjany amin’ny fotoana ahaterahany.

4) Entin’ny ran’ny reny mankany amin’ny ran’ny zaza ny singa mpamelona toy ny ôksizenina. Eo

anivon’ny ahitra (tavony) no isehoan’izany. Ny tadimpoitra no ikorianan’izy ireny mba

hanomezana sakafo mahavelona ho an’ny zaza.

� Raha mifoka sigara ny reny, na mandray alikaolana zava-mahadomelina na fanafody, ireny dia

miditra amin’ny ahitra ka mety hitondra fahasamponana hoan’ny zaza indrindra amin'ny volana

voalohan'ny vohoka.

� Afaka sivy volana nitondrana vohoka dia maheno fihenjanana ny reny. Mivoaka avy eo amin'ny

« col » ny tranon'jaza sy ny fivaviana ny zaza. Izany no antsoina hoe : fiterahana.

Miaraka

Iaraha-manao

Kahie CU (pejy

an-kavanana)

153

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!