21.04.2023 Views

Fifanarahana Iraisam-Pirenena

Noho izany, dia tsy azo antoka fa tokony hisy fitondram-panjakana kristiana iraisana manerana an’izao tontolo izao, na eo amin’ny firenena tokana na vondron’olona betsaka; fa ny ratsy fanahy dia betsaka noho ny tsara. Noho izany, ny lehilahy izay sahy hitantana firenena iray na izao tontolo izao amin’ny filazantsara dia mitovy amin’ny mpiandry ondry iray izay miangona ao amin’ny vala iray — amboadia, liona, voromahery, ary ondry, ka mamela azy hifangaro malalaka, ka manao hoe: “Manompoa tena, ary aoka ho tsara sy hihavana amin’ny namany avy ianareo. Misokatra ny vala, betsaka ny sakafo. Tsy mila matahotra alika sy klioba ianao. " Tsy isalasalana fa ny ondry dia nihazona ny fihavanana sy namela ny tenany hohanina sy hitantana tamim-pilaminana, nefa tsy ho ela velona. Ny biby iray tsy tafavoaka velona ny iray hafa.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

Fifanarahana Iraisam-Pirenena

ary tsy hita izay anton’ izany na dia kely aza. Ny fitondran’ Andriamanitra be famindrampo

anefa no nandamina ny toe-javatra hahasoa ny vahoakany. Nomena ny famantarana

nampanantenaina ireo kristiana efa niandry, ary tamin’ izay dia nisy fotoana nety

nandosirana natolotra izay rehetra ta-hanao izany ka hankatò ny hafatra nomen’ ny

Mpamonjy. Tsara indrindra ny nandaharana ny toe-javatra ka na ny Jiosy na ny Romana dia

tsy nanakana ny fandosiran’ ny kristiana. Rehefa niala i Sestiosy, dia nivoaka an’ i

Jerosalema ny Jiosy ka nanenjika ny tafika nihemotra ; ary raha mbola rafitra niady tsara ny

roa tonta dia afaka nivoaka ny tanàna ny kristiana. Tamin’ izay fotoana izay dia nadio tsy

nisy fahavalo izay nety niezaka ny hanakana azy koa, ny tany manodidina. Tamin’ ny

fotoan’ ny fahirano dia tafavory tao Jerosalema ny Jiosy mba hankalaza ny fetin’ ny

Tabernakely, ary noho izany, ny kristiana eran’ ny tany rehetra dia afaka nandositra tsy nisy

nanabataba. Tsy nangatak’ andro izy fa nandositra nankany amin’ ny toerana azo antoka, dia

ny tanànan’ i Pela, tany Perea ankoatran’ i Jordana.

Ireo miaramila Jiosy izay nanenjika an’ i Sestiosy sy ny tafiny, dia namely mafy ny

hazany tamin’ ny hatezerana mivaivay ka saiky nandevona azy tanteraka. Sahirana mafy ny

Romana vao afaka niala. Saiky tsy nisy fahavoazana ny Jiosy, ka niverina tamimpandresena

tao Jerosalema nitondra babo. Tsy nitondra afa-tsy zava-doza ho azy anefa io toa

fandresena io. Nahatonga toe-tsaina nanohitra ny Romana an-ditra izany, izay vetivety dia

nahatonga loza tsy hay lazaina tamin’ ilay tanàna voaheloka.

Nahatsiravina ny antambo nianjady tamin’ i Jerosalema rehefa namerina ny fahirano i

Titosy. Tamin’ ny fotoan’ ny Paska no notafihiny ny tanàna ; an-tapitrisa ny Jiosy tao

anatin’ ny manda tamin’ izay. Ny tahirin-kanina izay narovany fatratra, dia nety ho ampy ny

mponina an-taona maro, nefa efa nosimban’ ireo antoko mpanohitra talohan’ izao noho ny

fialonana sy ny valifaty, ary ankehitriny dia nanao fanandramana ny amin’ ny zava-doza

rehetra ateraky ny tsy fisian-kanina izy. Namidy talenta iray ny vary iray famarana. Mafy

loatra ny fahoriana noho ny hanoanana ka notsakotsakoin’ ny olona ny hoditra amin’ ny

fehin-kibony sy ny kapany ary ny fonon’ ny sabany. Betsaka ny olona nangalatra

nitsimpona zava-maniry ho azy teny ivelan’ ny mandan’ ny tanàna amin’ ny alina, na dia

maro aza no tratra ka novonoina tamin’ ny fampijaliana mahatsiravina, ary matetika ireo

izay tafaverina soa amantsara no nangalarina izay notsimponiny tamin’ ny nisedrany lozabe

toy izany. Nampiharin’ ireo manam-pahefana ny fampijaliana tsy zakan’ ny olombelona

indrindra mba hakany an-keriny amin’ ny vahoaka tratry ny tsy fisian-kanina ny hanina kely

farany mety nafeniny. Ary matetika no olona tsara sakafo izay naniry fotsiny ny hanangona

tahiry amin’ ny ho avy no manao ireny habibiana ireny.

An’ arivony no matin’ ny mosary sy ny areti-mandringana. Toa maty ny fitiavana voajanahary.

Ny lahy nangalatra ny an’ ny vavy ary ny vavy nangalatra ny an’ ny lahy.

Rombahin’ ny ankizy eny am-bavan’ ny ray aman-dreny antitra ny sakafo. Nahazo valiny

ilay fanontanian’ ny mpaminany manao hoe : «Mety manadino ny zanany minono ve ny

vehivavy ?» 38 tao anatin’ ny mandan’ ilay tanàna voaheloka. «Ny tànan’ ny vehivavy

malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany ; eny, izany no nohaniny tamin’ ny

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!