24.08.2015 Views

anareo anareo taminareo

Gazety N°15 - Flm67ha.org

Gazety N°15 - Flm67ha.org

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

FIANGONANA LOTERANA MALAGASYFitandremana Toby Fanantenana 67 hahttp://www.flm67ha.orgGazety ara-pilazantsara miseho isan-droa-volanaLaharana: 15 Volana May / Jona 2010 Vidiny: 500 ArTENIN-DRAIAMANDRENYMisaotra an’Andriamanitra isika noho ny fitahianyka nahatomombana soa aman-tsara ireofankalazana sy fivoriam-piangonana samihafanataontsika tamin’ny volana Marsa sy Aprily:ny fanarahana ny Làlan’ny Fahamarinana, nyPaska, ny fivoriana isan-telovolan’ny Fileovana,ary ny Jobilin’ny raiamandreny, PastoraAndriamalala Jean Hubert mivady. Isaoranakoa ny fiangonana izay tsy nikely sorokatamin’ny fanatanterahana ireo fotoana ireo.Tsy ho ela dia hiatrika ny Pentekosta Fihavaozanaisika. Toy ny fanaontsika dia hisyboky kely havoakan’ireo Pastorantsika izayhanampy amin’ny fandalinantsika izany fotokevitraizany mandritra ny herinandro masinaalohan’ny Pentekosta. Izany herinandron’nyfihavaozana izany dia hanomboka ny Alarobia13 Mey amin’ny 06 ora hariva, ary hitohy ny14, 17, 18 , 19, 20 ary hifarana ny Zoma 21Mey. Ny asan’ny Fanahy Masina manavao nyfiangonana sy ny olona tsirairay ao amin’nyfiangonana no ho dinihina. Ny fotokevitramomba ny fihavaozana dia hatao isak’ireo fotoanahariva ireo ary hiainan’ny tsirairay mandritrany andro mialoha sy manaraka nyPentekosta rehetra. Ny fihavaozana vokatry nyasam-panavaozana ataon’ny Fanahy Masinadia tsy resahina fotsiny fa iainana isan’andro ;izany no marika maha-Loterana antsika, izanyhoe: ny Soratra Masina no mifehy ny fampianaran’nyFiangonana sy ny fiainan’ny mino.Entina ambavaka ireo fankalazana iombonanamomba jobily izay hatao eto amin’ny FLM TobyFanantenana 67ha ny vola Jona, dia ny fahafolotaonan’ny FBL SPAnta sy ny jobilin’nyTonian’ny FBL teo aloha. Sady zara-ifaliana noandraikitra, amin’ny maha-fiangonan-dehibeantsika ny fanatanterahantsika ireofankalazana ireo. Koa alao hery ary aoka hifanometànana amin’ny FBL mijoro isika rehetra.Mirary Pentekosta Fihavaozana sambatra hoanao sy ny ankohonanao ny Gazety Fanantenana!PENTEKOSTA FIHAVAOZANAFa ny Mpananatra, diany Fanahy Masina,izay hirahin’ny Rayamin’ny anarako, Izyno hampianatra <strong>anareo</strong>ny zavatra rehetrasy hampahatsiaro <strong>anareo</strong>ny zavatra rehetraizay nolazaiko <strong>taminareo</strong>(Jao. 14:26)Eo am-piomanana ny Pentekosta isika izao, araka ny voalazan’ny Teny faneva eo ambony. Misy arakaizany ary ny boky fanao isan-taona mirakitra izany fiomanana izany mitondra ny lohateny hoe :“PENTEKOSTA FIHAVAOZANA”SEKOLY FANANTENANAAraka ny hitan-tsika amin’ny fizotry ny asafanamboarana ny sekoly Fanantenanaamin’izao fotoana izao, izay tokony ho vitainaamin’ny volana May, dia mbola manentanaantsika rehetra mbola handrayanjara amin’ny famitana azy tanteraka.TORO-HEVITRA MAHASOAFomba mahomby fanaovana famerenanaZava-dehibe ny fotoanaVata fampangatsiahanaPejy 7HO HITANAO ATOFampianarana Soratra Masina................2Toriteny ..................................................3Jobily ......................................................4DFK ........................................................4Isan-telovolana faharoa ..........................5Sekoly Alahady ......................................5Fampianarana Boky ................................6FMBM......................................................7Toro-hevitra mahasoa ............................7Tontolo iainana........................................7Sakafo-Fahasalamana ............................8Tononkalo - Kilalao ................................8“Mifalia amin’ny Fanantenana”


Fampianarana Soratra MasinaFAMPIANARANA MOMBA NY TAOM-PIANGONANA:Alahady faha-IV manaraka ny Paska hatramin’ny Alahady faha-IV manaraka ny TriniteAlahady faha 4 manaraka ny Paska ,CANTATE (Mihirà , Sal: 98: 1), 02 Mey 2010Textes: Isa 12: 1-6; Jk 1: 17 - 21; Jn 16: 5 - 15. “Mihirà fiderana hoan’ny Tompo fa eo anivon’ny Fiangonana ny Fanahy Masina”: diafahagagana sy famonjena izany (Sal 98:1). Eto amin'izao tontoloizao ny Fanahy Masina manohy ny asam-pamonjena (Jn 16:5 - 15);mampiaiky izao tontolo izao ny fahotana, dia ny tsy finoany an’iJesosy Zanak’Andriamanitra sy ny famonjena entiny; ny fahamarinana(justice) dia ny nanandratan’Andriamanitra Ilay nolavin’nyolona ho lohan’ny fanjakana mandrakizay, ary ny fitsarana, fa nyfomba ratsin’izao tontolo izao sy ny mpitarika azy dia voahelokatamin’ny nandresen’i Kristy ny fahafatesana. Ny Fiangonana kosadia tarihin’ny Fanahy Masina ho amin’ny marina (verité) rehetra. Nyasan’ny Fanahy Masina no ahaizan’ny Fiangonana mandeha arakany hafatr’i Jakoba 1: 17 - 21. Izy ihany koa no ahafahan’ny Fiangonanamankalaza ny asa lehibe nataon’ny Tompo sy miainaamin’izany arakany Isaia 12: 1- 6.Alahady faha-5 manaraka ny Paska,ROGATE (Mivavaha, Jn 16:24b)09 Mey 2010Textes: Jer 29: 11 - 14; Jk 1: 22 - 27;Jn 16: 23 - 28. Alahadin’ny vavaka:“Na inona na inona hangatahinareoamin’ny Ray dia homeny <strong>anareo</strong> amin’ny anarako izany” hoyJesosy (Jn 16:23). Fototra dimy arahina amin’ny vavaka kristianaaraka an’i Lotera: (1) Misy teny fikasana fa mihaino vavakaAndriamanitra (Jn 16:23, Jer 29: 12 - 13, Rm 4:21); (2) Finoana faazo antoka ny teny fikasana ( I Jn 5: 14- 15, Jak 5: 17 - 18), (3)tononina mazava izay angatahina, (4) irin’ny fo tokoa izay angatahina(Sal 42), (5) atao amin’ny anaran’i Jesosy, fa Jesosy noananantsika fihavanana amin’Andriamanitra (Rom 5:1).Alahady faha-6 manaraka ny Paska;EXAUDI (Mihainoa, Sal 27:7) 16 Mey 2010Textes: Ezek. 36:25-27; I Pet 4:7-11; Jao 15: 26 – 16:4. Miandry nyFanahy Masina amim-panantenana. (1) Miandry ny Fanahin’nyfahamarinana hanambara an’i Jesosy amin’ny Fiangonana, (2)Miandry ny fampaherezan’ny Fanahy Masina hahajoroan’ny Fiangonanaho vavolombelona ary haharetany fanenjehana (Jn 15:26- 16;4), (3) miandry ny fitarihan’ny Fanahy hahafahan’ny Fiangonanamiaina amin’ny fahendrena sy ny vavaka fa “antomotra nyfaran’ny zavatra rehetra” (I Pet 4:7 - 11).Alahady Pentekosta: FIHAVAOZANA, 23 Mey 2010Textes: Joel 3: 1-5; Asa 2: 1-11; Jao 14:23 – 31.Ny Fanahy Masinaizay irahin’ny Tompo avy amin’ny Ray dia mitondra fanavaozanasy fihavaozana (transformation) ho an’ny Fiangonana sy ny minotsirairay. (1) Fihavaozan’ny vision ny amin’ny maha misionaly nyFiangonana (Joela 3: 1 - 5); (2) Fihavaozan’ny fanambarana ny asalehibe ataon’Andriamanitra (Asa 2: 1 - 11); (3) Fihavaozan’nyfijoroan’ny mino ho vavolombelona (Jn 14: 23 - 31): manana nyFanahy Masina ho mpisolovava-mpiaro, manana ny FanahyMasina ho mampiorina amin’i Kristy, manana ny Fanahy Masinamampitoetra ny fiadanana avy amin’ny Tompo.Alahadin’ny Trinite; 30 Mey 2010Textes: Ezek 18:30-32; Rom 11 :33-36 ; Jn 3:1-15; Ny Alahadin’nyTrinite dia mizara ny taom-piangonana ho roa: Ny tapany voalohanyankalazana ny asam-pamonjena nataon’Andriamanitra(Krismasy, Paska, Pengtekosta); ny tapany faharoa iainan’ny Fiangonanany famonjena avy amin’Andriamanitra Trinite.Andriamanitra Trinite dia Fitiavana mandrakizay: (1) Andriamanitramanome fiainana ary mamela heloka ny mpanota izay miverinaaminy; ny Ray no ivondresaka (Ezek 18: 30 - 32) (2) Andriamanitryny fahendreana sy fahalalana ary fitsarana marina; ny Zanaka noivondresaka ( Rom 11: 33-36),(3) ary Andriamanitra miterakaantsika indray ao amin’ny Fanjakany mandrakizay; ny FanahyMasina no ivondresaka (Jn 3: 1 - 15). Andriamanitra mitia amin’nyfahafahana.Alahady Voalohany manaraka ny Trinite: 06 Jona 2010Textes; Jer 9:22 - 23; I Jn 4: 16 - 21; Lk 16: 19 - 31.Mizara dimy ireo alahadin’ny Trinite. Ny voalohany, Alahady 1 - 5:Ny antson’ny Fanjakam-pahasoavana. Alahady voalohany: “Nyharem-pahasoavan’Andriamanitra sy ny harena amam-panananaeto aminity fiainana ity.” Jer 9:22 - 23: Izay hirehareha dia tsy hoamin’ny fahendrena na harena fa amin’ny fahalalana an’i Jehovah.I Jn 4: 16 - 21: Fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavanany namanafa tsy fitiavana izao tontolo izao. Lk 16: 19 - 31: Ny fitiavana ny harenatsy ahalalana ny namana dia tsy idirana amin’ ny fanjakampahasoavana.Alahady faharoa manaraka ny Trinite: 13 Jona 2010Textes: Isaia 25:6-9; I Jao 3 :13 - 18; Lio 14:16-24; “Ny fanasana hoao amin’ny fanjakam-pahasoavana”. Fanasana efa nampanantenain’Andriamanitratamin’ny taranak’i Abrahama ()Isa 25: 6 -9), nefafanasana nolavin’ny Jiosy rehefa nentin’i Kristy teo aminy ( Lk 14:16- 24); fa nomena feno ho an’ny Fiangonan’i Kristy ka raisintsikaamin’pny fitiavana ary zaraina ampifaliana amin’ny hafa (I Jn 3: 13- 18).Alahady fahatelo manaraka ny Trinite: 20 Jona 2010Textes: Mika 7: 18 - 20; I Pet 5: 6- 11; Lk 15: 1 - 10: “Ny fanjakampahasoavanadia fanjakan’ny famindram-po”: dia famindram-pomamela ny heloky ny olony (Mika 7: 18 - 20); mitady sy mamerinaizay very ary mifaly amin’izay hita (Lik 15: 1 - 10); miahy ny olony(I Pet 5: 6 - 11). Koa ny Fiangonana dia mametraka ny fiainany syny fanahiany rehetra amin’ny Tompon’ny fanjakam-pahasoavana.Alahady fahefatra manaraka ny Trinite: 27 Jona 2010Textes: Isa 58: 6 - 12; Rm 8:18 - 23; Lk 6: 36 - 42:” Ny fanjakampahasoavanamiantso ny mino hamaha ny fatoran’ny faharatsiana”.Ny fiainan’ny mino, izay iposahan’ny fahazavana avy amin’Andriamanitradia fiainana manafaka ny mpifatotra sy ny voageja (Isa 58:6 -12); tsy faly mitsara na manameloka ny hafa fa hizara fahasoavanaaminy kosa (Lk 6: 36 - 42). Ny fanantenana ny fahatanterahan’nyfanjakam-pahasoavana dia mampahery ny mino hiaritrany fahoriana vetivety ety an-tany ka hahazakana ny onjan’ny famahanany fatoran’ny faharatsiana. (Rm 8: 18 - 23).Dr Péri RASOLONDRAIBE2Toby Fanantenana 67 Ha


Fiainam-piangonanaTORITENY: Jaona 10:11-16Lohateny : Mandrakizay ny fiantohan’nyTompo antsika mino.Foto-kevitra : Ny fitsanganan’i Jesosytamin’ny maty no manambara ny didimpitiavan’nyRay fa mandresy tamin’nyady nataony tamin’ny satana mananany herin’ny fahafatesana Izy. Izany no maha Mpiandry tsara Azyfa teo ambany fialofany ianao raha nisolo voina anao Izy.Ny Mpiandry tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.Ny kristiana rehetra novidiny tamin’ny rany dia izay nangoninytamin’izao fiainana izao, toy ny fanangonan’ny mpanjaka nyolona samihafa ho ao amin’ny lapany, ho amin’ny fanasanalehibe ; nasainy ny mahantra, ny ory, ny kilemaina, ny mandringa,ny kamboty. Teo amin’ny fanasana no nanehoany fazanaky ny fanjakana hoentiny ireo rehetra ireo.Tsy mandalo, ry havana, ny fiantohan’ny Tompo Jesosy antsikafa mandrakizay. Izay nataony ho anao dia nandreseny an’isatana teo amin’ny hazofijaliana. Izany no nahatonga an’i PaolyApostoly nilaza fa tsy « misy reherehako afa-tsy ny hazofijalian’iKristy ». Raha ianao no niady tamin’ny satana , tsy nisy nisoloanao, dia ho resy ianao. Nanolotra ny ainy hamonjy anao Izy.Rehefa tonga ny Zanak’Andriamanitra dia ny handrava nyasan’ny devoly. Devoly iza moa no tsy nahalala an’i Jesosy rahanangeja, nampahory nanandevo ny olombelona tety an-tany izyireo ? « Avy handringana anay alohan’ny fotoana va Ianao ?fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Ianao. » . Ao amin’ny Marka5, dia nisy lehilahy azon’ny demonia maro no navoakan’iJesosy, ka nanontaniany hoe : iza moa no anaranao ? Legionano anarako hoy izy satria maro izy ireo no tao aminy. Rahambola vahiny ny amin’ny ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjenavitan’i Jesosy ianao, dia azonao heverina ve fa mety haharesyizany demonia maro efa namatotra sy nanandevo anaozary sakaizanao izany ianao ? Raha te ho afaka amin’izaymampahory ny fo sy ny fanahinao ianao dia tsy afa-manoatrasatria ny fanahiny no ao anatinao, ny fanahin’izao tontolo izaono mibaiko anao, raha tsy tia ny mandainga ianao dia mangalatra,mamono olona, raha tsy tia ny mifoka sy miloka ianao diatia mijangajanga sy mampirafy na ny mifanohitra amin’izany.Tezain’ny satana amin’izany ianao ka nireharehany tamin’iJesosy hoe : « omeko anao izao tontolo izao raha miankohokaeto amikop Ianao. »Hamonjy anao sy ny ankohonanao, ny olombelona babon’isatana ara-tsaina, ara-panahy, ara-batana no nahatongavan’i Jesosy fa tsy hanao ny sitrapon’i satana na hanaiky azy.Ny zavatra kely heverinao fa mety nefa tsy avy amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia efa fiankohofanao eo anatrehan’ny satana.Efa nividy anao tamin’ny rany ny Tompo ; nahafoy ny ainynoho ny fitiavany anao Izy. Ny fijalianao sy ny fhorianao dia tsyhaharesy an’i satana . Eto amin’izao tontolo ianao, tonga hoanao Jesosy. Ny hanafaka anao eo am-pelatanan’ny satana noantony nanolorany ny ainy. Ny asan’ny devoly sy ny fombanyrehetra ka tompoinao tamin’ny fanahin’izao tontolo izao nomahavery anao, ary tsy mijanona amin’izany satana fa nyfahafatesana no tambin’ny ota ; tsy manana tongotra hitsipaka ,na tanana hamaha ny fatotry satana ianao raha entiny aoamin’ny farihy mirehitr’afo na ho ao amin’ny fiainan-tsy hita.Izay nataon’i Jesosy irery ihany no mahavonjy anao.Efa hitan’ny Tompo ny hamafin’ny ady natrehiny tamin’ny satanarehefa nitondra ny kapoaka ho fanatanterahany ny sitrapon’nyRainy Izy. Namonjy anao Izy ; ny nitondra ny otanao syny helokao teo amin’ny tenany raha nisolo heloka anao nonihantonany teo amin’ny hazo fijaliana. Nanamontsana nyherin’ny maizina sy nanorotoro ny lohan’ny menarana ny hazofijalian’iKristy. Koa ny rany latsaka no fanekena vaovao, manamarinafa tsy mba mpikarama Izy raha nidina tety tonga nofo, fatena mpiandry tsara, Miandry ny fanahinao, ny ainao.Mila manaiky an’i Jesosy ho Mpiandry tsara ianao, hanavao nyfanoloran-tenanao ao anatin’ny fanjakam-pahasoavana izay efaniantsoany anao. Tsy ivelan’ny valany ianao satria efa namonjyanao Izy. Izay tsy mbola mino Azy no antsoiny hiditra ao ambalany,koa nahoana ianao no tsy hatoky Azy tanteraka fa hoyIzy : « Izaho no Mpiandry tsara, ary fantatro ny Ahy sady fantanyAho. » Mila manana fiaretana ianao satria mbola mpiandry tsaramiantoka ny fiainanao Jesosy. Raha ny fahafatesany no namonjenaanao, maika fa ny fahavelomany, hanatsorany ny tananymitondra ny holatry ny nohomboana, na oviana na oviana.Didim-pitsarana fa nandresy Jesosy sy izay rehetra ao anatin’nyvalany, andrasany, tamin’ny nitsanganany velona.Koa raiso ho fahafantaranao ny feony, ny asam-pamonjenavitny ho anao ny hiraisanao latabatra aminy. Raiso ho fanomezanatoerana an’i Jesosy ao amponao hiasa ho fiainana syfamelan-keloka ny fanolorany ny tenany aman-drany ho anao.Na manao ahoana ny herin’ny maizina sy ny firimorimon’ny satanamitady izay harapany dia matokia, eo ambany tanampahasoavan’Andriamanitramahery ianao. Minoa, matokia faizay inoanao no Tompoinao sy hatahoranao ; raha izany dia tsyhatahotra ny herin’ny maizina ianao.Ho mandrakizay no antoka nataon’i Jesosy ho anao ; mangatahany Fanahy Masina, hitondra anao hijery an’i JesosyTomponao isan’andro ka hiainoanao sy hitokianao Azy izaymbola anolorany ny tenany, ny Teniny ho fiainanao amin’nymaha Andriamanitra efa maty fa velona Azy.Voninahitra anie ho an’andriamanitra Ray sy Zanaka aryFanahy Masina. AMENPastora Andrianantoandro Léon FidèleToby Fanantenana 67 Ha 3


Fampianarana BokyNY FIANTSOANA HOAMIN’NY FANOMPOANA SY NY FITANDREMAM-PANANANA KRISTIANAAmin’ny ankapobeny ny fiantsoana dia avy amin’ Andriamanitra,Andriamanitra no miantso no miantso ny olona hiara-miasaaminy nba ahatanteraka ny programany dia ny ahazoana manambarany asam-pamonjena vitan’I Jesosy. Koa na ny Pastora na nyMpiandry na ny Diakona dia samy mahatsapa ny fiantsoan’Andriamanitraazy hoamin’ny raharaha manokana. Mety tsy mitovy ny endriky nyfiantsoana, arakaraka ny tsirairay, fa ny tena zava-dehibe dia ny fahatsapanafa fiantsoana masina ny fiantsoana hoan’ny fanompoana aoamin’ny Fiangonana. Ny fiantsoana dia vokatry ny fahasoavan’Andriamanitrafa tsy noho ny fahamendrehana. Marina fa misy zavatratakian’ny fiangonana na toetra ilaina amin’ny asan’ny Diakona, kanefaazo lazaina fa tsy fahamendrehana manokana ireny fa raha izany diamisy kristiana izay tsara laza ao amin’ny fiangonana kanefa tsy voantsohoamin’ny asa fanompoana, izany no nilazana fa vokatry ny fahasoavan’Andriamanitrany fiantsoana. Andriamanitra no miantso amin’nyalalan’ny Fiangonana, ary Izy irery no mahalala ny antony. Ny zavamisydia izao, Andriamanitra raha miantso dia tsy manavaka, na befahalalàna na olo-tsotra, na manankarena na mahantra, na ny tsyan’asa na ny manana asa… Koa ireo izay manolon-tena dia samymahatsapa fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra no maha toy izao azy(IKor 15:10). Misy fomba roa izay ampiasain’Andriamanitra amin’ny fiantsoana ny olona hiaramiasaaminy dia ny fiantsoana avy ao ivelany syny fiantsoana anaty.FIANTSOANA AVY AO IVELANY:Ity dia miseho amin’ny alalan’ny zavatra marosamihafa toy ny resaka, fitaomana sy famporisihanaataon’ny fiangonana, na ny olona, na amin’nyalalan’ny toriteny sy fampianarana, na ny fahitanaireo Diakona miasa amin’ny fanompoana… sns.Ireny no manetsika ny faniriana ao anaty kamamelona ny fiantsoana hoamin’ny fanompoana.sapan’ny olona ao anatin’izany ny asan’ny FanahyMasina izay mamelona ny fiantsoana amin’ny alalan’nyfahitana mivantana ny asa izay iantsoan’Andriamanitra azy. Ny fijoroan’ny Diakona amin’ny rakitra ohatra nomahasintona ny fon’ny olona, na ny fanaovany ny akanjo mahaDiakona azy, kanefa iny no mety fitaovana ataon’Andriamanitra ka mamelonany fiantsoana ao anaty ary manery azy hanao ilay fanompoana.FIANTSOANA AVY AO ANATY:Feon’Andriamanitra avy ao am-po mivantana mitaona ny olona ho tiany asan’ny Diakona, ka miseho amin’ny alalan’ny fieritreretana izanyfeon’Andriamanitra izany. Mety misy tenin’Andriamanitra manaitra nyolona hanolon-tena hanao ny asan’Andriamanitra (Isa 6:8; Mat 9:22).Ny zava-misy anefa dia mihaona ihany ireo antso avy any ivelany sy nyantso avy ao anaty ireo, ka sady mahazo fitaovana avy any ivelany ilayolona no mahazo fitaovana avy anaty. Matetika dia tsy ampoizina iofiantsoana io , kanefa tsy azo lavina sady tsy azo andosirana, toy izanyohatra Mosesy, Jeremia, Jona… sns. Be dia be ny olona mihevitra fatsy mba hanao ny raharahan’ny fiangonana ary misy aza mankahala symanda ary maneso mihitsy, kanefa noho ny fiantsoana dia manolotenaho amin’izany asan’Andriamanitra izany. Ny olona mahatsapa nymaha zava-dehibe ny fiantsoana azy hoamin’ny fanompoana dia olonatsy manorina ny fanantenany amin’izao tontolo izao fa amin’Andriamanitrairery ihany. Tsy fahasambarana hiamboana na vokatry ny famoizam-pony fiantsoana fa vokatry ny fitiavan’Andriamanitra, izanyindrindra no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: “Izay ahazoako tombonyankehitriny dia ataoko fatiantoka noho ny amin’i Kristy (Filp 3:7-8). Herylehibe hoan’ny olona tsirairay no mahatsapa fa nantsoin’ Andriamanitraizy mba hiara-miasa aminy. Mety ho be ny zava-tsarotra sy manahiranaamin’ny fanaovana ny asa, kanefa hahazo hery sy fampiononana izyfa Jesosy no momba azy. Tsy asa nofidiana an-tsitrapo ny fiantsoana,ahazoam-bola na voninahitra, na vokatry ny fanerena, fa asa izayniantsoan’ Andriamanitra anao ho mpiara-miasa Aminy, ka ilay niantsono itokiana. Ndeha ary hijery izay lazain’ny Soratra Masina isikamomba ny atao hoe asan’ny Diakona sy ny toetra takiany amin’izany.NY DIAKONA SY NY FITONDRAN-TENANY:Ny Diakona dia azo lazaina fa tena mpiara-miasa amin’Andriamanitrasatria manompo ao amin’ny Fiangonana izy koa araka an’i ITim 3:8-13dia tsy misaraka amin’ny fanompoana ny fanana toetra mifanarakaizany fanompoana izany. Ny fanompoana amin’ny asan’ny Diakona diatena mampiseho ny asan’Andriamanitra , ka tsy ao amin’ny Fiangonanaihany no isehoan’izany toetra mendrika izany fa amin’ny fiainanamanontolo mihitsy. Ny Diakona dia tena mpiara-miasa amin’ny Pastoraao amin’ny Fiangonana (Filp 1;1). Maromaro ny asa sahanin’ny Diakona,indraindray misy mihevitra fa ny fandaminana ao anatin’nyFiangonana ihany no asan’ny Diakona, fa araka ny tantaran’ny Fiangonanany Diakona dia natao hitahiry ny lova tsaran’ny Fiangonana kahampita izany hoan’ny taranaka mifandimby. Ny Diakona koa dia nataoho mpizara sy miandraikitra ny vola sy manatanterakany asa sosialy eo amin’ny Fiangonana(Asa 6). Fa ny zava-dehibe eoamin’ny asan’ny Diakona dia ny fandaminanany fiainam-piangonana mba hisian’nyfilaminana amin’ny fotoampivavahana,ary kendrena mba tsy hisyfihetsika hiteraka fahatafintohinana ny hafamandritra ny fanantanterahan’ny Diakonany asany, ary izany no anisan’ny itakianatoetra tsara amin’ny Diakona satria tenamifamatotra ny anjara-fanompoana sy nyfitondran-tena. Ny fahatsara-pitondrantenadia sady fanomezam-boninahitra an’Andriamanitrano fanomezana fianarana ho an’ny Fiangonana (Tit 1:7; IPet5:2), raha izany no manjaka ao amin’ny fiainam-panompoana dia mandrosony Fiangonana. Ny fiainana amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanarahanany dian’i Jesosy dia mitarika hoamin’ny fitondran-tena tsarasatria Jesosy dia namela fianarana hoan’izay mpanaradia Azy. Adidymasina araka izany ny andraikitry ny Diakona, ary ankoatry ny fandaminanaamin’ny fotoam-pivavahana dia anisan’ny andraikitra lehibeihany koa ny fitandremam-pananan’ny fiangonana.Pastora RAHARIMANANA EugèneGAZETY FANANTENANATalen'ny Gazety : Past Dr Péri RasolondraibeTonian’ny Gazety : Atoa Ramanankatsoina LucasMpanao gazety : Tsiry-Laingo-Mamy-Rinah-Léa-Harimalala-Vololona-Oelifara-Samy-Denise-R. Georges-Prisca-AndryMaquette : ChristopheFLM Toby Fanantenana 67 haE-mail : tobyfanantenana@flm67ha.orgSite Web: www.flm67ha.orgTél: 261 20 22 324 45B.P: 72 Antananarivo 1016Toby Fanantenana 67 Ha


FMBMBaiboly Ho an’ny FoloalindahyMitohy ny fanamarihana ny faha175 taonan’ny BaibolyVao vita tamin’ny volana Aprily lasa teo ny Tsenam-bokyiraisam-pirenena niarahan’ny FMBM tamin’ireo mpikirakirasy mpikarakara boky eto Madagasikara: mpivaroboky,mpanoratra, mpanonta boky sns.Tsy afa-misaraka amin’ny raharahan’ny boky ny FMBMsatria ny boky Malagasy voalohany dia Tenin’Andriamanitrano votoatiny. Vita tamin’ny volana Novambra 1828tokoa manko ny Filazantsara nosoratan’I Lioka.Ny Testamenta Vaovao,tamin’ny 1830 ary ny Baibolymanontolo tamin’ny 21 Jiona 1835. 175 taona lasa.Taon-jobily ho an’ny firenena Malagasy , FiangoananaMalagasy ary ny Kristianina rehetra ity taona ity. Tokonyhanamarika izany ny tsirairay , ny isam-pianakaviana, nyisam-piangonana sy ny isam-pikambanana Kristiana.Marihina fa efa nivoaka ary miparitaka manerana ny Nosyny Hira faneva amin’ny alalan’ny VCD, trakitra. Efa mandehaamin’ny haino aman-jery maro. Misy ny trakitra misyny Solfa hamidy 200 Ar .Mandritra ny ivon’ny Jobily (21 Jiona ) dia ezahina nyhamoaka ny tsangambaton’ny Jobily : Baiboly novokarinamanokana ho an’ny Foloalindahy Malagasy, izay hanamarikany faha-50 taonany koa. Izany hoe : noho ny tsingerintaon’nyBaiboly Malagasy dia manolotrafanomezana ho an’ny Foloalindahy isika noho ny tsingerintaonany.Izao no hatao dia ho fanehoana sy ho fijoroanavavolombelona amin’ny fanarahana ny teny faneva“Mizara Tsara ny Teny” 2Tim2:15b.Raha te-hifarimbona amin’ny FMBM sy ny Vondron’nyMiaramila Kristianina ianao amin’ny famokarana ityBaiboly ity dia manatona ny FMBM ao Antaninarenina,na ny solontenan’ny FMBM eto amin’ny Fiangonantsika.Efa misy koa ny tapakila famandrihana raha te hividy hoan’izay miaramila na zandary fantatrao ianao mpamaky.Ento am-bavaka ny asa!TONTOLO IAINANALES FEUX DE BROUSSES : une SCIENCE ?Les feux de brousses sont des incendies allumés parl’homme sur les vastes étendues des pays d’Afrique et del’Amérique du sud. Ils éliminent arbustes et broussailleset favorisent la création de prairies lesquelles pourrontpaitre d’importants troupeaux.Une incendie qui ravagera des milliers de kilomètre carrésavant de s’éteindre n’est pas dus au hasard, deshommes l’ont allumé parce que la plaine est recouvertede broussailles, d’arbustes et d’arbrisseaux périront dansles flammes, mais l’herbe dont toute la vitalité est enferméedans des bulbes, des tubercules enfouis dans laterre, repoussera. Entre-temps, les cendres laissées parle feu de brousse auront fertilisé le sol, et ce dernier deviendraune prairie verdoyante ou des milliers de tête debétails viendront paitre. Les gens des pays d’Afrique lesavent bien, alors se disant être en possession de laSamihafascience du feu de brousse ils provoquent une incendie laou ils le désirent, et prévoient la ou le feu s’arrêtera : aupassage d’un cours d’eau ou au pied d’une falaise.Madagascar est parmi ceux qui pratique la science dufeu de brousse, dans le but et pensant bien faire cependantles nuages noirs qu’ils provoquent nuisent complètementà l’environnement et sont considérés commeacteurs dans le réchauffement climatique.Nous avons un rôle, nous chrétiens à défendre et protégerle bien que le Créateurs nous a ordonné de gérer.TORO-HEVITRAMAHASOAFOMBA MAHOMBY FANAOVANAFAMERENANAAmin’izao fiatombohan’ny telo volana farany amin’nytaom-pianarana 2009-2010 izao dia inoana fa efa aoanaty famerenana sy fiomanana tanteraka amin’ny fanadinanaofisialy toy ny CEPE, BEPC sy BACC ny ankizympianatra voakasika izany.Ho an’izy ireo indrindra ireto toro-hevitra vitsivitsy manarakaireto izay kendrena hanamora sy hanampy azyireo amin’izany famerenana farany izany :- Tsara raha mifoha maraina be hanaovana ny enti-modysy hianarana ny lesona fa amin’iny maraina be iny nysaina no tony tanteraka ary mora mandray fampianarana.Ilaina arak’izany ny matory aloha fa tsy varianamiari-tory mijery fahitalavitra na zavatra hafa.- Tsy tokony atao tsianjery be fahatany ny lesona ianaranafa aleo manao izay ahazoana azy tsara amin’nyalalan’ny famakiana azy, avy eo manao irony atao hoe“FISY” na koa “NAOTY” irony, izay azo entina mandehaany amin’izay rehetra aleha ka afaka jerena foana rahavantany vao misy fotoana kely;k any teny zava-dehibe syventin-kevitra ary fintina no raiketina ao amin’izany fisyizany.- Jerena matetika na koa averina atao mihintsy ireo fanazarananatao tany am-pianarana. Misy amidy enyamin’ny fivarotam-boky ireo lazaadina efa misy valiny hofanazarana anao manokana.- Apetaka amin’ny rindrina izay talaky maso ao an-tranony sarintany, sary samihafa, conjugaisons, formules,verbes irréguliers…fa manamora ny fitadidiana ny fahitanaazy ireny matetika.- Ny tena tsara indrindra di any mitondra am-bavakaizany fanadinana izany kanefa tsy mety raha vavaka tsyarahin’asa. Lazao ny Tompo ary borahy aminy ny manahiranany sainao, ny fahalemenao, na koa ny taranjaizay tena tsy arakao ka mampanahy anao fatratra.- Mazotoa miangona, ary raha misy fotoana dia mamonjeToby. Ary aza adino ny manatrika ny fotoam-pivavahananatokana ho an’ny mpanala fanadinana rehefa tonga nyfotoana voafaritry ny fiangonana ho an’izany.Dia mahereza, fa ny Tompo homba anao!ZAVA-DEHIBE NY FOTOANA* Raha te hahafantatra ny maha zavadehibe ny taonairay, dia anontanio ny olona izay tsy nahafam-panadinana* Raha te hahafantatra ny maha zava dehibe ny volanairay dia anontanio ny reny niteraka zaza tsy tonga volana* Raha te hahafantatra ny halehiben’ny herinandro, diaanontanio ny mpamokatra gazety iray.* Raha te hahafantatra ny maha zava dehibe ny ora iraydia anontanio ny mpifamofo izay hifanaiky hanambady* Raha te hahafantatra ny maha-zava dehibe ny iray minitradia anontanio ny olona iray tara fiaramanidina, lamasinina,fiara mpitatitra mirindra* Raha te hahafantatra ny maha zava- dehibe ny iraysecondra dia anontanio ny olona iray velona avy voan’nyaccident* Raha te hahafantatra ny maha zava dehibe ny arivosecondra dia anontanio ny olona iray nahazo medaly volafotsytamin’ny lalao OlympikaNY FOTOANA TSY MIANDRY N’IZA N’IZA !ARARAOTY NY FOTOANA OMENA ANAO FASAROBIDY IRENY.“Koa tandremo tsara izay fandeh<strong>anareo</strong>, mba tsy hitondr<strong>anareo</strong>tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,kahararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainanaizao.Ary noho izany dia aza manao adaladala, faaoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.”Ef 5: 15, 16,17“Jehovah ô,ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatryny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. Indroefa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary nyfiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zavapoanaihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjakaaza.” Sal 39: 4-5“Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka nyfonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao;ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'nymasonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitrahotsaraina ianao amin'izany rehetraizany.”Mpit 11.9INONA NO TOKONY ATAO ?Amin’izao mbola azo atao hoe vanin’andro mafana izaodia miasa tokoa ny vata fampangatsiahana ao an-tokantranoao. Indraindray mitana fofona tokoa anefa izy irenyrehefa avy hametrahanahazandrano na koairony fromazy irony.Toro-hevitra tsotrano atolotra anao :mangala vonganasaribao vaventy 2 na3 dia ataovy amin’nylovia kely izany kaapetraho ao anatyvata fampangatsiahanaao mandritrany andro vitsivitsy.Ho hitanao fa ho fohin’ireosaribao nyfofona ratsy tao ; karaha mbola misy taveladia soloy indrayireo vongana saribao.Toby Fanantenana 67 Ha 7


Soa sy ny FinaritraMIHINANA FINARITRA : SALADE DE CRUDITES A LASAUCE VERTEChou fleur : 200gRadis :12isaVoatabia madinika :12 isaSalade laitue : 01Zavatra ilaina :TONONKALOTSY MBA MISYHanaovana ny sauce : Persil,Hile d’olive; 5sotroVinaigre de cidre: 1sotroFromage :100g SiraZarazaraina amin’ny tahony kely ny chou fleur, sasana tsara dia avela hitsika nyranony. Diovy tsara ary esory ny fakany amin’ny radis dia hamaino ary didio hoboribory tsara. Zarao roa ny voatabia rehefa madio . Tetehina lavalava ny saladelaitue madio sy voatsika ranony. Ataovy anaty lovia baolina lehibe iray ireo karazan-tsakaforehetra ireo ary saromy ireny ”film transparent” ireny dia ataovyamin’ny toerana madio tsara .Rehefa madio tsara ny persil dia esory ny tahony lehibe ary ataovy anaty mixeurka asio rano iray sotro lehibe, ilay vinaigre de cidre sy ny menaka olive ary nysira sahaza <strong>anareo</strong> dia miaraka totoina ireo ahazoanao sauce verte tsy marihatrabe akory.Anfangaroy mialoha kelin’ny fotoana handrosoana ny sakafo ary eo ianao vaomikiky ilay fromage.Miampy hery ianao rehefa mihinana azy ity fa tena mitondra Vitamine CRay ôtsy mba misy faniriako afa tsy akaikinao,tsisy anarana hobiako afa tsy ny Anaranao;tsisy teny ankamamiako afa tsy ny Teninao,tsisy ora ifaliako afa tsy ny Anilanaotsisy, mantsy, ny masoandro, tsisy koa ny aizim-be,rah’ tsy Ianao no mitandro, rah’tsy Ianao no manome.ka ny hafa samy handalo, ny tontolo ety ho dify,lavitra ahy ny fahavalo rah’ Aminao no miampifyMamy RN31-12-00NY HOMAMIADANA (tohiny)Anankiray amin’ireo aretina mpahazo ny zanak’olombelona izay mahazo laka aty amin’ny tanyan-dalam-pandrosoana ny homamiadana . Tsy hoe izao izy vao misy fa ny fiainana sy ny fombafiaraha-monina ankehitriny no toa hery iray mampirongatra azy ity.Araka izay efa vosoratra farany teto dia fikorontanana’ny fiainan’ny« cellule » no mahantonga azy, tsy voafehin’ny fiainany ara-dalanaamin’ny maha voajanahary azy ireto sela ireto ka dia manao izaytiany hatao ary dia mitombo be dia be sady haingana diahaingana satria tsy misy mahafehy azy intsony.Vokany, na dia toerana lavitra ireto sela tsy voafehy ireto azadia marary sy ahitana ny toetra ratsiny koa :ohatra : aretin’nysela ao amin’ny aty dia miparitaka koa ao amin’ny nono, havokavoka,voa sy prostate ka ireny no atao hoe « metastase » .Ny tenan’ny olombelona rehetra dia mety hisy ireto sela tsy manara-dalànaireto ka na ny ati-doha,tenda, lela,maso, rà,vavony, tsinay,hoditra rehetra dia mety hanombohan’nyaretina avokoa. Tsy mifidy taona koa izy ity ary tratrany avokoa na lahy na vavy arakaizay efa nambara tamin’ny farany. Anterina eto ihany fa ny fanadihadiana feno amin’ny lafinyrehetra (anamnèse) sy ny fitiliana ny tenan’ny olombelona isam-potoana dia fihetsika iray sarobidyatao mba tsy hampihanaka ny aretina. Noho izany, ny fahitana haingana ny soritr’aretinadia tena fitsaboana tsara indrindra ety am-boalohany izany hoe :aretina hita eo am-panombohana = fitsaboana sy fahasitranana mahombyMarobe ny antony mety hahatonga ity aretina homamiadana ity fa tanisaina fohy eto ny tenamety ho lehibe amin’ireny; toy ny tarazo manaranaka(hereditaire), ny toerana onenana sy ipetrahana,ny fahazarana sakafo,ny fahasimban’ny “chromosome”, ao koa anefa ny mikraoba tsyvoafehy, ny virus izay mamely ny vozon’ny tranon-jaza, ny parasite izay mikiky ny tatavia avyamin’ny bilarzioza. Ao koa anefa ireo homamiadana avy amin’ny fahasimban’ny tontolo iainanaka tena manimba ny havokavoka (arsenie amiante) sy mandrava ny vavony (alkaola, sigara,paraky) . Tsy hadino ny Rayon Ultraviolet RUV izay manimba ny hoditry ny olona sy ny Radiationionisant toy ny baomba, Tchernobye, izay miteraka ny homamiadana ao amin’ny rà. Ary farany,dia ao ireo dona na ratra matetika amin’ny tenan’ny olona iray, izay miverimberina tsy metysitrana ka dia homamiadana no iafarany.Toy izany raha atao indray manoratra ny tontolon’ity homamiadana ity. Manimba ny tenan’nyolombelona izy ity satria aretina sarotra sitranina raha tsy hita soritra vao miandoha.MIsy hatrany anefa ireo fisorohana azo tanisaina mba tsy hanakaiky ity aretina sarotra ity isika.Ohatra ny fanalavirana ny zava-mahadomelina ary manàna fiainana ara-pahasalamana ( sakafomadio, rivotra madio, filaminan-tsaina, asa tsara…), fa ny lehibe indrindra dia ny fanatonanampitsabo matetika raha vao sanatria misy mampiahiahy.Entanina manokana eto am-pamaranana ny vehivavy rehetra mba hahay hamantatra ny tenanyisa-maraina, hahay hamantatra ny fivontosana raha sanatria ka misy eo amin’ny nono amin’nyalalan’ny fitsapana tsotra.Sady manahirana no lafo vidy ny fitsaboana ity aretina homamiadana ity nefa ny hafatra diaizao. Tolory Tanana , ampaherezo ary ampio amin’ny fomba rehetra ireo namana sy havantsikamarary fantatrao fa zava-dehibe amin’ny fiainany sy ny ho aviny izany.Isaorana manokana Dr RABARIMANANA Hery,Pastora FLM AmbatovinakyNY KILALAONTSIKA N°14AIZA ARYARAHO ANGEIREO TAREHI-MARIKA DIA HOHITANAO E!NY LALANAHAHAFAHAN’ILAYALIKA KELYHAKA NYTAOLANA?8Toby Fanantenana 67 Ha

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!