06.04.2013 Views

numero 3 - Piccole Serve

numero 3 - Piccole Serve

numero 3 - Piccole Serve

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

tsy mbola zatra loatra ny mahita tranganjavatra

toy itony, mijery sady migaga no

manampin’orona noho ny fofona. Tsy te

hampiditra hopitaly azy izy ireo satria

tsy misy toerana azo handraisana azy,

ankoatr’izay koa moa, mbola eo an-dalam-

panamboarana ny trano fandidiana ry zareo

Efa telo volana izay no tsy manao afa tsy

izay fandidiana maika ihany raha tsy izany

dia mankany amin’ny tobim-pitsaboana tsy

miankina, nefa ny mahantra tsy mba manana

fahafahana hanao izany.

Tonga ny lehiben’ny mpandidy dia

mijery ilay ranjo ary mangina, mijery anay

sady mbola tsy mahateny ihany. Nangataka

fanampiana tamin’ny Tompo aho ary

nanomboka ny resaka. “Henoy - hoy aho

– hitanao tsara fa mijaly izy, na dia tsy

anadahiko iray tampo amiko aza izy, dia

anadahiko satria zanak’Andriamanitra toa

ahy sy toa anao. Azafady indrindra, vonona

izahay masera hiantoka ny lany momba ny

fandididana sy hanao izay hiverenan’ny

fahasalamany amin’ny laoniny. Tsy manankarena

izahay satria mpitsabo ny marary

mahantra fotsiny, nefa mino izahay fa

hanampy anay Andriamanitra mahita ny

zavatra rehetra.” Mangina ary mangina

hatrany i dokotera, manoratra ny lisitry ny

fanafody hovidiana sy ny fitiliana hatao.

“Haingankaingana – hoy izy – satria misy

risika ny fihanaky ny otrik’aretina any

amin’ny ra”. Miitatao vovonana ny andro,

vita ny zavatra rehetra. Niverina indray

ilay mpandidy tamin’ny tolak’andro ary

manoratra fizahana echo doppler, satria

tsy fantatra hoe hatraiza no efa tratran’ny

aretina mikiky ny ranjony. Rehefa vita io

fizahana io dia nody tany an-trano aho satria

efa hariva sahady ny andro. Niverina tany

amin’ny hopitaly indray aho rehefa maraina

ny andro sady nanantena ny hahita an’i Jean

Pierre efa voadidy, kanjo mbola teo ihany

izy miaraka amin’ny tongony voafono

lamba sady mbola velon-taraina noho ny

fanaintainana. Manantena mandrakariva

aho fa ho avy haka azy ny mpitsabo

mpanampy mba hitondra azy any amin’ny

Il segno della cattolicità di Andraisoro.

trano fandidiana, nefa nandroso ny fotoana

ary efa hariva indray ny andro.

Farany, tonga ny dokotera mpandidy

nilaza taminay fa ho didiana amin’ny alina

izy, nahazo toky aho nody tany an- trano.

Maraina ny andro, niverina any amin’ny

hopitaly indray aho ka efa tsy tao amin’ny

vonjy taitra intsony i Jean Pierre fa efa

lasa any amin’ireo efa voadidy. Miditra ny

efitrano misy azy aho, ka indro izy mitsiky

amiko mampiseho ireo nifiny fotsy botsiaka.

Nitsiky taminy koa aho sady faly fa nierendoza

izy. Mila mividy fanafody hafa indray

ka lasa haingana aho nankany amin’ny

farmasia. Nomeko sakafo maraina efa

nentiko avy any an-trano izy dia krema iray

baolina mbola mafanafana izay nankafiziny

tokoa. Misy marary hafa telo koa miray

efitra aminy, izay samy notapahina tongotra

sy voaisy platra avokoa ka samy tsy misy

afa-mihetsika. Mangataka ho hosotroina ny

iray, ny iray lamba firakotra ary ny farany

mila miantso an-tariby any an-trano satria

efa lany ny vatsy antoandro. Lasa tokantrano

ifanampiana sy ifanomezan-tanana ao

anatin’ny fijaliana ny toeram-pitsaboana.

Dimy andro taorian’ny fandidiana

an’i Jean Pierre no nalana ny serum ka

nosoloina fanafofy hohanina. Nanontaniako

21

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!