12.07.2015 Views

Front Matter God Save Me - Family Radio Worldwide

Front Matter God Save Me - Family Radio Worldwide

Front Matter God Save Me - Family Radio Worldwide

SHOW MORE
SHOW LESS
  • No tags were found...

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

Manantena ahofa hamonjy ahyAndriamanitraNosoratan’iHarold Campingi


Manantena aho fa hamonjy ahy AndriamanitraNosoratan’i Harold Camping(Malagasy: I Hope <strong>God</strong> Will <strong>Save</strong> <strong>Me</strong>)Navoaka sy natontan’ny:<strong>Family</strong> Stations, Inc.Oakland, California 94621Internet: www.familyradio.comE-mail: international at familyradio.com(Fanamarihana: Ireo andalan-tSoratra Masina voatanisa ato aminity boky itydia nalaina tao aminny Baibolinny Fikambanana Mampiely Baiboly 1965avokoa.)2007, 2008, 200905-11-11


FIZAHAN-TAKELAKATeny fanolorana................................................................................iiiManantena aho fa hamonjy ahy Andriamanitra ........................... 1Inona ny zavatra tsy maintsy nataon’Andriamanitrahamonjena ny olona? ......................................................................... 3Voafidin’Andriamanitra.................................................................... 3Nomena an’i Kristy ireo voafidy .................................................... 5Ilay mpitondra heloka ....................................................................... 5Vahoaka marobe mbola tsy voavonjy izay tsyazon’ Andriamanitra ringanina ....................................................... 6Ara-boajanahary, ny olombelona dia maty eo amin’nylafiny ara-panahy ............................................................................... 8Tsy maintsy omena fanahy vaovao isika ....................................... 9Ny tena fisian’ny famonjena ny olom-boafidy ........................... 10Ny zava-mahagaga momba ny fahaterahana vaovao ............... 11Ny famaritana ara-Baiboly ny asa ara-panahy ........................... 13Nanao ny asa rehetra takiana tamin’ny famonjenaantsika i Kristy .................................................................................. 14Koa inona ary izany ny antonynanomezan’ Andriamanitra antsika ireo didy ireo? ................. 14Ny fifandraisana hafahafa misy eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona ................................................. 15Mitsapa ny olombelona Andriamanitra ....................................... 17Ny tena maha-zava-dehibe ny Sabata amin’nyandro fahafito ................................................................................... 18Ireo fitahiana avy amin’ny fandaharam-pitsapan’Andriamanitra .................................................................................. 20Ampitomboin’Andriamanitra ny fahasarotan’nyfandaharam-pitsapany ..................................................................... 21Afaka mihaino ny Baiboly ve isika nefa tsy mandre? ............... 23Mampitaha Soratra Masina amina Soratra Masina..................... 24iii


MANANTENA AHO FAHAMONJY AHY ANDRIAMANITRANahary izao tontolo izao Andriamanitra tokony ho13.000 taona lasa izay. Tamin’izany fotoana izany dia nahary nyolombelona araka sy tahaka ny endriny Izy, ka nanombokatamin’ny ray aman-drenintsika voalohany, dia i Adama sy i Evaizany. Saingy nikomy tamin’Andriamanitra ny olombelona, kaho sazin’izany dia lasa teo ambanin’ny fahatezeran’Andriamanitraavokoa ny olombelona rehetra. Tena mafy tokoa izany fikomianaizany hany ka araka ny lalàn’Andriamanitra dia tsy nanary nyfiainany mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra fotsiny nyolona fa horinganina koa amin’ny alalan’ny fandevonana amin’nyandro faran’ity tany ity. Ka noho izany, maro ny olona mitomanymanao hoe: “ te ho voavonjy mafy tokoa amin’ny sazin’nyfandravana mandrakizay aho.”Ny olona tsirairay avy dia samy mahalala fa misyAndriamanitra iray izay manadina azy amin’ny fahotany. Nyanton’izany dia satria nohariana araka sy tahaka nyendrik’Andriamanitra ny olombelona. Ary na dia nisarakatamin’Andriamanitra aza izy noho ny fikomiany Taminy, nyfahalalana an’Andriamanitra sy ny maha-tompon’andraikitra azyeo anatrehan’Andriamanitra dia hita ao anatin’ny maha-olona azy.Mamaky isika ao amin’ny Romana 2:13-15, ary ao amin’ireoandininy ireo, ny teny hoe “Jentilisa” dia entina ilàzana ireo olondrehetramaneran-tany izay tsy manana fahalalana Baiboly:Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eoanatrehan’Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna nohohamarinina; fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy mananany lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna arakany nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàntenanyihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratraao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary nyfisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koaaza;Noho izany, ny olon-drehetra dia mahalala avy hatranyfa fahotana, izany hoe fandikàna ny lalàn’Andriamanitra nyfamonoana olona, ny fangalarana, ny fijanganjangana, sns.1


Fantany avy hatrany koa fa mitaky ny fanasaziana ny fahotanyAndriamanitra. Noho izany, ny olona tsirairay avy dia miezakamitady fomba ahafahany mihavana amin’Andriamanitra. Izanyhoe maniry izy ny hahita fomba ahafahany mandositra ilay sazymampatahotra vokatry ny fahotany.Ny sasany dia miezaka mamaha izany olana mampatahotraizany amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra ny tenany fa tsy misyizany Andriamanitra izay tsy maintsy hanadina azy izany. Rahany amin’izay zavatra izay dia miezaka mafy izy ireo ny tsy hompino an’Andriamanitra na mpandala ny fivoarana na agnôstika.Ny hafa kosa dia namorona andriamanitra maro isan-karazanyhivavahana. Manao andriamanitra vita aminny hazo na vato izyireo, tahaka ny Bodista, na tahaka ny mpanandro izay mijery nykintana sy ny planeta ho toy ny karazana andriamanitra, na koatahaka ny olona maro izay mitady fivavahana ahafahany mahazoaina bebe kokoa. Izany finoana izany dia mety tsy misyifandraisany velively amin’ny Baiboly na koa mety mampiasaandininy sasantsasany ao amin’ny Baiboly mba hanohanana izany.Koa, ny fahitanizy ireo ny fivavahana inoany dia fivavahana afakamampihavana azy ireo tsara amin’Andriamanitra.Raha ny marina, amin’izao fotoana izao dia eo ho eoamin’ny iray ampahatelon’ny olona manerana an’izao tontolo izaono milaza ny tenany ho “Kristiana”. Midika izany fa izy ireo diamanaraka fivavahana izay mampiasa ny ampahany amin’nyBaiboly mba hanohanana ny filazany fa ny Filazantsara nohitondra ny olona mankany amin’Andriamanitra. Ny fivavahanatsirairay avy, na mampiasa kely fotsiny ny Baiboly na toa somarymahatoky ny Baiboly ihany dia milaza fa izy no manana ny làlanamarina indrindra hihavanana amin’Andriamanitra. Marina tokoaizany ho an’ireo antokom-pivavahana lehibe fanta-daza toy nyKatolika Romana, ny Batista, ny Fanavaozana, ny Presbyteriana,ny Advantista mitandrina ny andro fahafito, ny Vavolombelon’iJehovah, ny Môrmôna, sns. Indrisy anefa, tsisy amin’ireo antokompivavahanaireo manana fahatakarana ampy momba ny toetry nyzavatra takiana amin’ny olona iray mba hampihavana azyamin’Andriamanitra, izany hoe, ho lasa voavonjy amin’nyfahatezeran’Andriamanitra izay sazin’ny otany.Indrisy anefa, ireo izay mametraka ny fitokisany mikasikany famonjena azy ireo amin’ireny antokom-pivavahana ireny dia mbolamanana olana goavana. amin’Andriamanitra satria tsy afaka mamonjyazy ireo ny antokom-pivavahany.2


Indrisy anefa, ireo izay mametraka ny fitokisany mikasikany famonjena azy ireo amin’ireny antokom-pivavahana ireny diambola manana olana goavana amin’Andriamanitra satria tsy afakamamonjy azy ireo ny antokom-pivavahany ary tsy mihaino amimpahamalinanailay loharanom-pahamarinana tokana izy ireo, diany Baiboly izany.Ao anatin’ity boky kely ity dia hiezahantsika ny hametrakaamim-pahamarinana araka izay azo atao ny fampianaran’nyBaiboly momba ny drafitr’Andriamanitra izay mahatonga ny olonamaro hihavanana amin’Andriamanitra sy handositra ny fitsaranamahatsiravina izay hanjo ny olombelona amin’ny farandro.Tokony tsaroantsika fa tamin’ny teny nanoratana azy tany ampiandohana,ny Baiboly dia nosoratan’Andriamanitra, saingynampiasa ny olombelona Andriamanitra mba ho mpitan-tsoratra,araka izay ambaran’ny ao amin’ny 2 Petera 1:21 amintsika hoe:Fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tanyaloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’nyolona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.Ireo teny izay nosoratan’izy ireo dianotononin’Andriamanitra Izy Tenany mihitsy (Jeremia 36:1-4).Noho izany, amin’ny alalan’ny famakiana sy ny fianarana nyBaiboly dia manana loharanom-pahamarinana faratamponyindrindra isika. Noho izany, ny tsoakevitra rehetra mikasika nydrafitry ny famonjen’Andriamanitra dia tsy maintsy mahatokyamin’ny fampianaran’ny Baiboly avokoa. Araka izany, tsy maintsyvonona isika ny handalina tsara ny tsoakevitra izay napetrakyny olombelona amin’ny alalan’ny andininy rehetra ao amin’nyBaiboly.Inona no tsy maintsy nataon’Andriamanitra hamonjena nytsirairay?Hotohizantsika amin’ny famaritana tsara ny zavatra izayambaran’ny Baiboly mikasika ny vahaolan’ilay olanamahatsiravina atrehan’ny olona ny fandalinantsika. Ho hitantsikafa tena mahatahotra izaitsizy tokoa ny zava-manjo ny olombelona,hany ka Andriamanitra irery ihany no afaka manome ny lalankivoahanaamin’izany.Tokony tsaroantsika fa ny Baiboly iray manontolo diabokin-dalàna izay nosoratan’Andriamanitra Izy Tenany, izay tsymaintsy eken’ny olombelona rehetra, ary koa, tsy maintsy3


Efa fantatr’Andriamanitra ihany koa fa hiezaka mafy nyhihavana Aminy ny olona amin’ny alalan’ny fitadiavana drafitra maroisan-karazany novolavolain’ny sain’ny olombelona.Ao amin’ny Romana 3:10-12, Andriamanitra diamanoritsoritra ny toetra mahonena izay misy ny olombelona.Mivaky toy izao ny ao:Araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akoryaza; Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitadyan’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsymahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara nadia iray akory aza.Kanefa, na dia teo aza ny fatiantoka lehibe nateraky nyfikomian’ny olombelona tamin’Andriamanitra, Andriamanitra dianandray ilay fanapahan-kevitra mampitolagaga hoe hiarakaAminy mandrakizay ny maro aminireny olona mpiodina ireny.Saingy amin’ny fomba ahoana no ahafahany miaraka mandrakizayamin’ireny olona ireny? Lehibe tokoa ny sazin’ny otany. Ahoanano ahafahan’Andriamanitra miaraka mandrakizay amin’ny olonaizay, raha eo amin’ny lafiny ara-dalàna dia tsy maintsy ringaninanoho ny fahotany? Tena ratsy dia ratsy tokoa ny sazin’ny fahotanasatria ratsy dia ratsy tokoa ny fahotan’ny olombelona. Izay ilayfametrahana ny fandaharam-pamonjena mahagaga izaynokasain’Andriamanitra ho an’ny olombelona.Ka noho izany, hatry ny talohan’ny fanorenana izaotontolo izao dia tsy vitanny hoe nifidy ireo izay nirianyhohamasinina ho Azy Andriamanitra (Efesiana 1:4), fa mbolananefa ny tambinny otanizy ireo ihany koa. Tsy nisy ifandraisanytamin’ny asa na ny fanirian’ny olombelona velively ny safidiny.Hoy Andriamanitra ao amin’ny Romana 9:15 hoe:. . . Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’izayhamindrako fo.Amin’ny alalan’ny fampahafantarana antsika ity asanyvoalohany izay tena manan-danja ity, Andriamanitra dia manomefampanantenana lehibe tokoa ho an’ny olona tsy voavonjytsirairay. Mamerimberina hatrany Andriamanitra fa tsy mizaha5


tavan’olona Izy (Romana 2:11, Efesiana 6:9, Kolosiana 3:25). Tsymisy firenena na sarangan’olona izay toa misy olomboafidin’Andriamanitrabebe kokoa mihoatra noho ny andianyhafa. Tsy misy sarangana mpanota izay lavitry ny fahafahana hotafiditra ho olom-boafidy mihoatra noho ny andiany hafa.Ny Baiboly dia mirakitra ny famonjena ilay vehivavyjanga ao amin’ny Jaona 8, ary mirakitra ihany koa ny famonjenailay mpanao heloka be vava iray izay nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 23:9-43. Nohoizany, na lehibe manao ahoana aza ny fahotantsika, raha toa kamanana faniriana mafy ny famonjena isika, araka ny fepetraapetrak’Andriamanitra, dia mety ho isan’ny olomboafidin’Andriamanitraisika. Satria amin’izao fotoana izao diavahoaka marobe tsy tambo isaina no voavonjy dia mety ho isan’nyiray amin’izy ireo ihany koa aho. Ary tena famporisihana goavanatokoa izany.Nomena an’i Kristy ireo olom-boafidyIreo izay nofidian’Andriamanitra ho avotra na hovoavonjy dia nomena an’i Jesosy Kristy Tompo, araka izayhitantsika ao amin’ny Jaona 6:37 manao hoe:Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izaymanatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.Kanefa, mba ahafahan’i Jesosy hanana ireny olomboafidinyireny ho fananany mandrakizay dia misy zavatra tsymaintsy atao momba ny fahotan’izy ireo. Ny lalàna tonga lafatraizay nosoratan’Andriamanitra Izy Tenany dia milaza fa satrianohariana araka sy tahaka ny endrik’Andriamanitra nyolombelona, noho izany, ny olona tsirairay dia tsy maintsymanonitra ny sazy izay takian’ny lalàn’Andriamanitra noho nyfahotany. Noho izany, na dia nofidian’Andriamanitra aza izy ireoka nomena an’i Kristy mba ho lasa fananany mandrakizay dia tsyafaka nahazo azy ireo Izy raha tsy efa nanonitra ny sazin’nyfahotan’izy ireo. Ny lalàn’Andriamanitra dia milaza fa nyfahafatesana no tambin’ny ota, noho izany, marina tokoa fa ireoizay voafidy sy nomena an’i Kristy dia tsy afaka ho tongafananan’i Kristy na oviana na oviana satria tsy afaka ny hanonitrany saziny mihitsy izy ireo. Izay no mitarika antsika amin’ilay asafaharoa izay nataon’Andriamanitra teo amin’ny toeran’ireorehetra lasa voavonjy.6


Ilay mpitondra helokaRehefa nandamina izao tontolo izao Andriamanitra, izaynohariany tany am-piandohana dia nahita fa tsy nisy olona izayafaka nampiasainy mba hitondra ny fahatezeran’Andriamanitraeo amin’ny toeran’ny olom-boafidy, ireo izaynofidian’Andriamanitra ka nomena an’i Kristy ho fanananymandrakizay. Ampianarina ao amin’ny Isaia 63:5 sy Ezekiela 22:30izany. Kanefa, nilaza ny lalàn’Andriamanitra tonga lafatra fa tsymaintsy onerana ny sazin’ny fahafatesana mialohan’ny amelanany olona hiditra any amin’ny lanitra masin’Andriamanitra. Tsymaintsy efaina tanteraka avokoa ny lafiny rehetra amin’nylalàn’Andriamanitra tonga lafatra.Noho izany, tamin’ny alalan’ny hetsika feno famindramposy feno fitiavana tsy manam-paharoa dia nanjary mpitondra heloka teoamin’ny toeran’ireo olona izay nomena Azy i Kristy.Noho izany, tamin’ny alalan’ny hetsika feno famindramposy feno fitiavana tsy manam-paharoa dia nanjary lasa mpitondraheloka teo amin’ny toeran’ireo izay nomena Azy i Kristy. Mamakyisika ao amin’ny Isaia 53:6 hoe:Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efanivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’iJehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.Ny teny hoe “rehetra” eto amin’ity andininy ity diamiresaka ny momba ireo olom-boafidy rehetra, izany hoe ireorehetra izay nofidian’Andriamanitra talohan’ny nanorenana izaotontolo izao mba ho lasa voavonjy. Ary tena nanefa ny tambin nyotanizy ireo tokoa Izy talohanny nahariany anizao tontolo izao.Ao aminny fitambaran-tsary maromaro (fanoharana telolafy aratantara),i Kristy dia nampiseho taminny olombelona ny fombanijaliany taminny nanonerany ny tambinny otanireo olomboafidiny.Izany dia hita manokana taminny fanehoany nyfijaliany rehefa nofantsihana taminny hazo fijaliana Izy. Ohatra,nahantona sy nalaim-baraka teo aminny hazo fijaliana Izy mbahampisehoana fa taminny nanefany ny tambinny otantsika diatsy maintsy nanjary ozona Izy. “Voaozona izay rehetra mihantonaamin’ny hazo”. Rehefa natao tao am-pasana ny vatany ka7


nitsangana Izy ny alahady maraina, io dia fampisehoana fa Izytokoa rehefa nanefa ny tambinny otantsika talohanny nanorenanaanizao tontolo izao dia tsy maintsy maty aminny maha-olona syvatana ary fanahy Azy, ary tsy maintsy mitsangana indray mbahanehoana fa vita tanteraka ny fanefana ny tambinny otantsika.(Jereo Ho anAndriamanitra anie ny voninahitra).Rehefa nanome famonjena ny olom-boafidiny i Kristy, nyfahotana tsirairay nataonny olona tsirairay nokasainy hovonjenadia napetraka Taminy. Avy eo, Izy ilay vesaranny ota iny nomijoro tsaraina eo anoloanAndriamanitra, ilay Mpitsara, ary hitafa meloka Izy. Mba hanatanterahana ny hataky ny lalàna dia tsymaintsy niaritra ny sazy manontolo takianny lalàna Izy teo aminnytoeranny olona tsirairay izay nokasainy hovonjena. Izany sazyizany dia ny fahafatesana: “ny fanahy izay manota no ho faty”(Ezekiela 18:4). Koa, mamaky ihany koa isika hoe “fa tsy ho foinaoho any amin’ny fiainan-tsi-hita (fahafatesana) ny aiko”. Midikaizany fa i Kristy dia maty sy nitsangana taminny maty talohannynahariany anizao tontolo izao. Ny fomba nanatontosana izanyrehetra izany dia voahidy ao anatinny misitery rehetra mirakitrany maha-Andriamanitra anAndriamanitra.Koa amin’izao, misy olona maro eto amin’izao tontoloizao izay nofidiana, hatry ny talohan’ny fahariana, ho amin’nyfamonjena ka nomena an’i Kristy ho fananany mandrakizay.Norakofana tanteraka mandrakizay ny fahotany satria lasaMpamonjy azy ireo i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanonerana nyfahotany raha mbola tsy ary akory izao tontolo izao.Vahoaka marobe mbola tsy voavonjy izay tsyazon’Andriamanitra ringaninaAmin’izao fotoana izao dia misy vahoaka marobe izaytsy voavonjy maneran-tany, kanefa, Andriamanitra tsy afakamanasazy azy ireo noho ny fahotany. Ahoana no mahatongaizany?Ny anton’izany dia satria efa nofidin’Andriamanitrahovonjena ireny olona ireny. Noho izany, hatry ny elabetalohan’ny nahaterahan’izy ireo no efa nampitondraina an’i Kristyny fahotana ratsy rehetra izay hataon’ireo olom-boafidy tsirairayireo mandritra ny androm-piainany eto an-tany. Amin’ny mahampisolotoerana na mpisolo vaika ny ankalana an’i Kristy dianisolo toerana azy ireo teo anoloan’ny seza fitsaran’AndriamanitraIzy. Noho ireo fahotana ireo dia zary meloka teo anoloan’ny lalànamarin’Andriamanitra i Kristy, ary nosazianAndriamanitra nohony helokizy ireo Izy.8


Araka izany, nohamarinina ankehitriny ny olona izayniaretany ny fahatezeran’Andriamanitra ho fanonerana nyfahotany. Izany hoe, ho an’ny olona tsirairay amin’izy ireo, nalehibe manao ahoana aza ny fahotany, nyfahatezeran’Andriamanitra izay takian’ny lalàna ho sazin’irenyfahotana ireny dia voaefa tanteraka. Lasa olo-marina ireny olonaireny.<strong>Me</strong>ty hitranga izany raha mbola any am-bohoka izy ireona minitra vitsy monja mialohan’ny ahafatesany.Noho izany, rehefa teraka eto an-tany ny tsirairayamin’ireny olona ireny dia azo antoka fa tsy ho voasazy na ovianana oviana noho ny fahotany izy ireo. Ho solon’izay aza, amin’nyfotoana iray eo amin’ny androm-piainany dia azo antoka fahampiharin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany nyTenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly izany, ka hahazo fanahyvaovao nitsangana tamin’ny maty izy ireo. Ary mety hiseho izanyamin’ny fotoana rehetra izay nofidian’Andriamanitrahitrangan’izany. <strong>Me</strong>ty hitranga izany raha mbola any am-bohokaizy ireo na minitra vitsy monja mialohan’ny ahafatesany. <strong>Me</strong>tyhitranga izany ho an’ny olona sembana ara-tsaina na ho an’nyolona maranin-tsaina. Nohamarinina avokoa ireny olona irenyhatry ny elabe talohan’ny nahaterahany.Saingy tsy misy mahalala hoe iza avy izy ireo afa-tsyAndriamanitra irery ihany. Raha tsy aorian’ny fandraisany nyfanahy vaovao nitsangana tamin’ny maty ihany, izany hoeaorian’ny fahalasanany ho voavonjy vao manomboka takany fanovonjen’Andriamanitra izy ireo. Saingy raha ny marina dia hoenohamarinina hatrany am-piandohana izy ireo satria i Kristy noZanak’ondry voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao(Apokalypsy 13:8).Kanefa, rehefa lasa voavonjy izy ireo dia ho fantany fanitranga tokoa izany satria noho ny fahasoavan’Andriamanitralehibe ihany no nifidianany azy ireo sy nanonerany ny fahotany.Ary nanjary zava-misy marina tokoa ny famonjena eo amin’nyfiainan’izy ireo, amin’ny fotoana amonjen’Andriamanitra azy ireo,amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fiainana mandrakizay syfanahy vaovao nitsangana tamin’ny maty.9


tsy akory izay tsy maintsy mitombo ao anatin’ny maha-olonaan’ilay olona izay voavonjy mandritra ny vanim-potoana iray. Fafanahy vaovao na aim-panahy tanteraka avy hatrany izany. Nyfiandohana dia i Kristy Izy tenany izay mitoetra ao amin’ilay olomboavonjy(Jaona 14:23). Manome toky antsika Andriamanitra fafanahy vaovao be izy io, araka ny fampiasany azy ao amin’ilayfanoharana ny amin’ny fanandramana hanampina ny lamba tontaizay triatra na rovitra amin’ny tapa-damba vaovao (Matio 9:16).Tsy maintsy lamba vaovao avokoa izany. Torak’izany koa,manome ny fanoharana ny amin’ny fanandramana hametrakadivay vaovao ao anaty siny hoditra tonta Izy. Ny divay vaovaodia tsy maintsy apetraka ao anaty siny hoditra vaovao (Matio9:17). Izany dia manamafy bebe kokoa ny andalana ara-Baibolyhafa, toy ny ao amin’ny 2 Korintiana 5:17, izay mivaky toy izao:Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efalasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.Ny ampahany mandrafitra ny maha-olona an’ilay olonaizay lasa olom-baovao avy hatrany dia ilay fanahy vaovao (fanahyvoavao nitsangana tamin’ny maty) izay nomen’Andriamanitraazy tamin’ny fotoana nampiharany ny Tenin’Andriamanitra teoamin’ny fiainany (Ezekiela 36:26). Torak’izany koa, amin’nyfarandro, ity olom-boafidy ity dia homena vatana ara-panahyvaovao be izay nitsangana tamin’ny maty: “fa vetivety, toy nyindray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, diahovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra” (1 Korintiana15:52).Araka izany, omena ao amin’ny Baiboly ny fanoharanamanan-danja izay maneho ny tsy fahafahan’ny olombelona holasa velona ara-panahy, izany hoe lasa voavonjy. Apetraka mazavatsara izany ao amin’ny Ezekiela 37 izay anoharan’Andriamanitrany olona tsy voavonjy amin’ny taola-maina, kanefa, mampisehoAndriamanitra fa rehefa miasa Izy dia ho velona soa aman-tsaraireny taola-maina ireny.Ny fanoharana ara-tantara iray hafa dia voarakitra aoamin’ny Jaona 11, ka mamaky isika ao fa ny faty maimbon’nylehilahy iray atao hoe Lazarosy dia velona indray noho ny didin’iJesosy Tompo. Torak’izany koa, Andriamanitra irery ihany noafaka mitondra ny fiainana ara-panahy ho an’ny olombelona izay,raha ara-boajanahary dia maty eo amin’ny lafiny ara-panahy.12


Afaka matoky isika fa misy karazany roa ny olona tsyvoavonjy eto amin’izao tontolo izao.Afaka matoky isika fa misy karazany roa ny olona tsyvoavonjy eto amin’izao tontolo izao. Misy ireo olona maty eoamin’ny lafiny ara-panahy izay voafidy ka tsy eo ambanin’nyfahatezeran’Andriamanitra intsony raha eo amin’ny lafin’ny lalàna.Etsy andanin’izay kosa nefa dia misy ireo izay tsy tafiditramiaraka amin’ny olom-boafidy, ka noho izany, tena azo antokatanteraka fa tsy hahazo ny fiainana mandrakizay na oviana naoviana izy ireo ary hiaritra ny fahatezeran’Andriamanitra farany.Amin’ireo tranga roa ireo, na dia maty eo amin’ny lafiny arapanahyaza izy ireo, ny lalàn’Andriamanitra dia nosoratana aoam-pon’izy ireo. Araka izany, fantany ary hijoro vavolombelonaaminy ny eritreriny fa tokony hankatò ny lalàn’Andriamanitraizy ireo.Ary koa, ny ampahany lehibe mandrafitra ny maha-olonaazy ireo dia ny fanahiny na ny aim-panahiny izayahafahan’Andriamanitra mitarika azy ireo amin’ny faniriana bebekokoa ny ho mpankatò ny lalàn’Andriamanitra, na ahafahan’iSatana hitarika azy ireo amin’ny faharatsiana bebe kokoa.Ankoatra izay, tandra vadin-koditra tsy afa-misaraka amin’nymaha-olona azy ireo ny faharatsiana, ny fahafatesana ara-panahyizay tsy mila ny fanampiana avy amin’i Satana akory mba hisehoao an-tsainy, amin’ny fiteniny sy amin’ny asany.Ny tena fisian’ny famonjena ireo olom-boafidyAraka ny efa nomarihina teo dia misy asa lehibe anankirayhafa izay tsy maintsy ataon’Andriamanitra. Ny olona voafidyamin’ny famonjena dia mpanota tokoa. Tsy mahafantatra na inonana inona mikasika ny drafitr’Andriamanitra ho azy ireo izy ireo.Ny tena fisian’ny drafitry ny famonjen’Andriamanitra ho azy ireodia tsy maintsy ampiharina eo amin’ny fiainany.Alohan’ny famonjena dia tsy misy olombelona na dia irayaza mahalala na nofidian’Andriamanitra ho lasa voavonjy izy natsia. Aorian’ny namonjen’Andriamanitra antsika ihany vaotsapatsika fa ny hany antony nahatonga antsika tafiditra taoanatin’ny drafitry ny famonjen’Andriamanitra dia satrianofidian’Andriamanitra isika, araka izay ankasitrahan’ny fony,talohan’ny nahariany an’izao tontolo izao.Tahaka ny ambiny13


amin’ny olombelona izay tsy ho lasa voavonjy na oviana naoviana, ny voavonjy, amin’ny ankapobeny, dia manana vatana syfanahy. Ny vatany dia ampahany iray mandrafitra ny maha-olonaazy ireo izay alevina amin’ny fotoana ahafatesany. Raha ho an’nyolom-boavonjy, amin’ny fotoana mahafaty azy ara-batana, nyfanahy na ny aim-panahy (izay tena ampahany mandrafitra nymaha-olona tahaka ny vatana), ny fanahiny dia miala amin’nyvatany ka miakatra mankany an-danitra ary any izy miaina symiara-manjaka amin’i Kristy. Avy eo, amin’ny faran’izao tontoloizao, rehefa hiverina i Kristy dia hanangana izany vatana izanyIzy (2 Korintiana 5:8, 1 Tesaloniana 4).Kanefa, alohan’ny famonjena, ny olom-boafidy dia miainaeto amin’ity izao tontolo izao ity tahaka ny olona hafa rehetraizay tsy voafidy amin’ny famonjena.Mamaky ny momba ny olom-boafidy isika ao amin’ny Efesiana2:1-3 manao hoe:Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’nyfahadisoanareo sy ny fahotanareo, izay nalehanareo fahiny,araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka nyfanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasaankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana; teoamin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’nyfilan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy nysaina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy nysasany koa isika.Alohan’ny hamonjena azy, ao amin’io vatana io sy aoamin’ny fanahiny dia maniry ny hanota izy. Maty eo amin’nylafiny ara-panahy izy tahaka ny olona hafa rehetra izay tsy hovoavonjy na oviana na oviana.Izany no mitondra antsika amin’ny asa lehibe fahateloizay ataon’Andriamanitra eo amin’ny toeran’ireo izay hovonjen’iKristy.Ny zava-mahagaga momba ny fahaterahana vaovaoNy asa fahatelo izay ataon’Andriamanitra eo amin’nytoeran’ireo izay nomena an’i Kristy ho fananany mandrakizaydia hoe manao fahagagana Andriamanitra amin’ny fanomezanafanahy vaovao be nitsangana tamin’ny maty ho an’ilay olomboafidy.Miresaka ny momba izany Jesosy ao amin’ny Jaona 3,andininy faha-5 izay mivaky toy izao:14


. . . Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olonatsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditraamin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.Alohan’izay, mamaky isika ao amin’ny Jaona 3, andininyfaha-3 hoe:. . . Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy aterakaindray ny olona, dia tsy mahazo mahita nyfanjakan’Andriamanitra.Ny hoe ateraky ny rano sy ny Fanahy dia midika hoeateraky ny Filazantsara (rano), amin’ny alalan’nyasan’Andriamanitra Fanahy Masina (Jaona 4:10-15, Jaona 7:38).Miresaka momba ity asa ity Andriamanitra ao amin’ny Romana10, andininy faha-17, ka hoy Izy ao hoe:Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosaavy amin’ny tenin’i Kristy.Tao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra dianametraka tontolo iray izay amonjeny ny olona Izy.Tao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra dia nametrakatontolo iray izay amonjena ny olona Izy. Ny Baiboly izay hanyTenin’Andriamanitra izany tontolo izany. Noho izany, tsy ho lasavoavonjy mihitsy ny olona eto amin’izao tontolo izao raha tsymihaino ny teny avy amin’Andriamanitra izy ireo, ary ny Baibolyihany no Tenin’Andriamanitra. Izany no antony nahatonga nyhoe nandritra ny vanim-potoan’ny fiangonana, Andriamanitradia nandidy ireo fiangonana teo an-toerana mba hampiely nyFilazantsara manerana an’izao tontolo izao. Izany no antonymahatonga antsika amin’izao fotoana izao manohy ampahazotoanany fanapariahana ny Filazantsara amin’izao tontoloizao, saingy amin’izao kosa isika dia manao izany amin’nyalalan’ny tsirairay fa tsy amin’ny alalan’ny antokom-pivavahana.Ny tsirairay amintsika dia manompo tahaka ny masoivohon’iKristy.Tokony tsapatsika ilay fahamarinana hoe amin’izao diatsy misy olona na dia iray aza afaka ho voavonjy ao amin’ireofiangonana. Araka ny fandaharam-potoan’Andriamanitra dia15


tonga ny fifaranan’ny vanim-potoan’ny fiangonana ary ny FanahyMasina dia nandao ireo fiangonana. Kanefa, ny Baiboly diamampianatra antsika fa any ivelan’ny fiangonana dia mpinomarina maro no vokatra lehibe ampiakarina ao amin’nyfanjakan’Andriamanitra. (Azonao atao ny manoratra aty amin’ny<strong>Family</strong> <strong>Radio</strong> ka mangataka ireto boky maimaimpoana ireto: TheEnd of the Church Age sy ny After and Wheat and Tares.)Nanao ny asa iray manontolo amin’ny famonjenaAndriamanitra, ka noho izany, afaka mamonjy ny olom-boafidyiray Izy amin’ny fotoana rehetra mandritry ny andrompiainan’izanyolona izany. Ny hany zavatra takiana dia hoe eoambanin’ny fihainoana ny Baiboly izany olona izany. Amin’nyfotoan’ny famonjena, Andriamanitra dia manome sofina arapanahysy fanahy vaovao mandrakizay ho an’izany olona izany.Noho izany, araka ny efa nomarihintsika tao aloha tao, nyzazakely iray dia mety ho voavonjy haingana tahaka ny olondehibeefa vory saina. Ny olona iray izay manana fisainana zazaroa taona dia afaka ny ho voavonjy faingana tahaka nympampianatra eny amin’ny oniversite.I Kristy teo aminny hazo fijaliana dia nampiseho ny fombanijaliana talohanny nahariany anizao tontolo izao, rehefananonitra ny fahotana rehetra nataon’ny olom-boafidy Izy. Nohoizany, ny zavatra hany sisa atao dia hoe: amin’ny fotoana iraymahamety azy, izay Andriamanitra irery ihany no mahalala izany,dia hataon’Andriamanitra izay hahatsapan’io olona io marina nytraikefa mahagagan’ny famonjena.Hatreto aloha ao anatin’izao fandalinana ataontsika izaodia nanomboka nianatra ny zavatra takian’ny lalàn’Andriamanitra,dia ny Baiboly, ho ataon’Andriamanitra isika. Ny fanontanianaizay mety mbola manitikitika ny saintsika dia hoe: inona nozavatra afaka ataoko mba ho lasa voavonjy aho? Misy fomba veahafahako mahazo antoka fa ho anisan’ireo voafidy ho amin’nyfamonjena aho? Horesahantsika ao anatin’ny fandalinantsika nymomba ireo fanontaniana manan-danja ireo.Ny famaritana ara-Baiboly ny asa ara-panahyIzao dia tokony hiresaka momba ny hevitra iray izaymanan-danja tokoa mikasika ny fahatongavana ho voavonjy isika.Misy ifandraisany amin’ny famaritana ara-Baiboly ny “asa” arapanahyizany. Mamerina ombieny ombieny ny Baiboly fa nyfamonjena antsika dia tsy mety ho vokatry ny asa izay ataontsikana oviana na oviana (Efesiana 2:8-9, Galatiana 2:16). Noho izany,16


tokony ho fantatsika ny fomba amaritàn’Andriamanitra ny “asa”ara-panahy.Manambara Andriamanitra ao amin’ny Jona 3:10 hoe:Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’nynialany tamin’ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’nyloza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.)Ao amin’ny Matio 7:22 dia hoy Andriamanitra hoe:Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko,Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? arytsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Arytsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay?Isaky ny mankatò ny didin’Andriamanitra isika,dia manao asa izay ankasitrahan’Andriamanitra.Avy amin’ireo andininy ireo sy avy amin’ny andininy hafaao amin’ny Baiboly no ianarantsika fa isaky ny mankato nydidin’Andriamanitra isika dia manao asa izayankasitrahan’Andriamanitra. Rehefa tsy mankato nydidin’Andriamanitra isika dia manao asa izay tsyankasitrahan’Andriamanitra. Ohatra, ny Baiboly dia mandidy nyolon-drehetra mba hino an’i Kristy. Moa ve asa izay ataontsikany mino? Marina tokoa izany. Ny teny hoe “mino” diamatoantenin’ilay anarana hoe “finoana.” Ny Baiboly dia miresakamazava tsara momba ny “asan’ny finoana” ao amin’ny 1Tesaloniana 1:3 sy ao amin’ny 2 Tesaloniana 1:11.Ny 1Tesaloniana 1, andininy faha-3 dia milaza amintsikahoe:Sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoanasy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareoamin’ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eoimason’Andriamanitra Raintsika;Ary ao amin’ny 2 Tesaloniana 1, andininy faha-11, diamamaky isika hoe:17


Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mbahataon’Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo,ary hotanterahiny amin’ny hery ny fankasitrahana tsara rehetrasy ny asan’ny finoana:Tsara marihina fa miresaka momba ny asan’ny finoana syny fikelezana aina amin’ny fitiavana Andriamanitra. Noho izany,azontsika atao ny manakatra mazava tsara fa ny fampiharana nyfinoana sy ny fitiavana dia asa izay ataontsika. Torak’izany koa,ny fankatoavana ny lalàna rehetra ao amin’ny Baiboly dia asaizay didiana ataontsika. Noho izany, tokony tsaroantsikalalandava fa rehefa mandidy antsika Andriamanitra mbahivavaka, mba hikatsaka an’i Kristy, mba ho lasa voavonjy, mbahiantso an’Andriamanitra, mba hiandry an’Andriamantra, mbahamaky sy hianatra ny Baiboly, sns., amin’ireo didy tsirairay ireo,Andriamanitra dia mandidy antsika mba hanao asa. Izany, ohatra,no antony mahatonga an’Andriamanitra mamaritra ny “fitiavana”ho toy ny mitandrina ny didin’Andriamanitra. Rehefa mitiaan’Andriamanitra sy ny namantsika isika dia manao asa arapanahy.Ity fitsipika milaza hoe ny fankatoavana nydidin’Andriamanitra dia asa izay ataontsika ity dia fitsipika tenamafonja tokoa izay tokony tsy hadinontsika na oviana na ovianarehefa mianatra amim-pahamalinana ny andalana ao amin’nyBaiboly izay mifandraika amin’ny fahatongavana voavonjy isika.Nanao ny asa rehetra notakiana tamin’ny famonjena antsika iKristyMisy fitsipika manan-danja be iray hafa izay tokony hotsaroantsika mandrakariva. Izany dia hoe Andriamanitra ireryihany no afaka manao ny asa izay takiana hamonjena ny olonairay. Ny fifidianana ireo izay nokasain’Andriamanitra hovonjena,ny fanonerana izay nataon’i Kristy teo amin’ny toeran’ireo olonaizay novonjeny, ny fanahy vaovao izay omen’Andriamanitraan’ireo izay vonjeny, ireo rehetra ireo dia asa izay Andriamanitrairery ihany no afaka manatanteraka azy.Andriamanitra irery ihany no afaka manao ny asa izay takianahamonjena ny olona iray.18


Raha ny marina, ny fifidianana dia efa vita talohan’nynisian’ny olombelona. Ankoatra izay, ny fanonerana nyfahotan’ireo olom-boafidy dia vita tanteraka hatry ny elatalohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao (Apokalypsy 13:8).Araka izany, tsy mety mihitsy ho an’ny olombelona ny manaozavatra, na dia faran’izay bitika aza, hanampiana amin’nyfahazoana ny famonjena.Koa inona ary izany ny antony anomezan’Andriamanitra antsikaireo didy ireo?Andriamanitra dia mandidy antsika mba hino, mbahivavaka, sns., saingy amin’ny fomba ahoana no ahafahantsikamitandrina ireny didy ireny? Maty eo amin’ny lafiny ara-panahyisika. Ny tsy voavonjy dia oharin’Andriamanitra amin’ny lohasahafeno taola-maina (Ezekiela 37:1-14) sy amin’ny faty maimbo (Jaona11:39). Ary mamerina indray Andriamanitra ao amin’ny Romana3, andininy 10-12 hoe:Araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akoryaza; Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitadyan’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsymahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara nadia iray akory aza.Ny Baiboly tokoa mantsy dia manindry mazava tsara nyfahafatesana tanteraka izay manjo ireo olombelona tsy voavonjy.Tokony ho tadidiantsika fa ny olombelona, nanomboka tamin’nyfahalavoan’i Adama, dia maty eo amin’ny lafiny ara-panahy satriatsy mitoetra ao aminy Andriamanitra ka tsy manome tanjaka arapanahyazy. Ary noho ny fahotan’ny olona dia eo ambanin’nyfahatezeran’Andriamanitra izy, ary izany dia midika fa amin’nyfarandro dia horinganina izy ka tsy ho velona intsony intsony.Araka ny efa nomarihintsika teo aloha dia voaloton’ny fahotanatanteraka izy ao amin’ny maha-olona azy.Kanefa, na dia maty ara-panahy aza izy dia mbola afakaho mpankatò ny lalàn’Andriamanitra ihany. Araka izany, amin’nyankapobeny dia afaka mino an’i Kristy izy, afaka mivavaka, afakamikatsaka an’Andriamanitra ary afaka miala amin’ny fahotanasasantsasany, toy ny fahamamoana, ny fandaingana, sns. Antonyroa farafahakeliny no mahatonga azy afaka hanao izany.Ny antony voalohany dia hoe mbola manana fieritreretanaizay afaka mandresy lahatra azy ny amin’ny fahotana izy (Romana19


2:14-15, Jaona 8:9). Ny anton’izay dia satria nohariana araka nyendrik’Andriamanitra ny olombelona, ary na dia misarakatanteraka amin’Andriamanitra aza izy, amin’ny ankapobeny, nylalàn’Andriamanitra dia mbola ao anatin’ny maha-olona azy.Ny antony faharoa dia hoe afaka mampiasa ny sitraponyeo amin’ny fiainan’ny olona tsy voavonjy iray Andriamanitra nadia mety tsy ho fikasany aza ny hamonjy izany olona izany.Hitantsika ny fampiharana ity fitsipika ity teo amin’ny fiainan’iBalama ratsy fanahy (Nomery 22:12-13) sy teo amin’ny fiainan’iSaoly, ilay mpanjaka voalohan’Isiraely (1 Samoela 10:9-12).Ary ankoatra izay, raha nofidian’Andriamanitra izanyolona tsy voavonjy izany ka efa nonerany avokoa ny fahotanyrehetra, alohan’ny anomezan’Andriamanitra izany olona izanyfo vaovao sy fanahy vaovao nitsangana tamin’ny maty dia metynotaomin’Andriamanitra Ray izy (Jaona 6:44).Kanefa, rehefa miezaka mafy ny hankatò nydidin’Andriamanitra io olona io dia tsy afaka hahalala tanterakahoe iza amin’ireo antony voalaza tetsy ambony tetsy ireo nomahatonga azy hiezaka hankatò ny didin’Andriamanitra. Izanyhoe tsy manana porofo izy na tsy tokony hieritreritra na diafotoana vitsy monja aza fa azo antoka hoe hitarika famonjena nyfankatoavany.Ny fifandraisana mifono misitery misy eo amin’Andriamanitrasy ny olombelonaAnkoatra izay, misy fifandraisana manokana mifonomisitery sy miovaova eo amin’Andriamanitra sy ny olombelonatsirairay avy. Tsy marina fotsiny izany eo amin’Andriamanitrasy ireo izay nofidiany amin’ny famonjena fa marina ihany koa eoamin’Andriamanitra sy ireo tsy nofidiany izay tsy maintsyhoringanina tokoa.Hitantsika izany tamin’i Jesosy nitomany an’i Jerosalema(Lioka 19:41), eny fa na dia milaza amintsika aza ny porofo aoamin’ny Baiboly fa ny ankabeazan’i Jerosalema izay tazany diahoravana avokoa. Hitantsika izany ao amin’ilay hoe ny Baibolydia milaza fa tsy sitrak’Andriamanitra ny hahafatesan’ny ratsyfanahy (Ezekiela 33:11). Hitantsika izany amin’ilay hoe, amin’nyankapobeny dia nosoratana ao am-pon’ny olombelona rehetrany lalàn’Andriamanitra (Romana 2:15).Hitantsika izany amin’ilay hoe amin’ny alalan’nylalàn’Andriamanitra dia tsy maintsy ho faty ny mpamono olonairay satria namono olona izay nohariana araka sy tahaka ny20


endrik’Andriamanitra izy (Genesisy 9:6). Hitantsika izany aoanatin’ny didin’Andriamanitra izay milaza fa tokony hitia nyfahavalontsika isika. Tokony tsaroantsika fa ny olona tsy voavonjyrehetra dia fahavalon’Andriamanitra avokoa, kanefa, tsy misyolona tokony tsy tiantsika. Hitantsika izany ao anatin’ilayfampitandremana izay omen’Andriamanitra ao amin’ny Matio5:22 izay milaza fa tsy tokony hiantso an’iza na iza hoe “Olompoana”izany hoe tsy misy dikany na adala isika. Tsy tokonyhijery ny olona ho toy ny tsisy fanantenana amin’ny famonjenana oviana na oviana isika.Avy amin’ny alalan’ny porofo voalaza teo ambony teodia azontsika atao ny maka tsoakevitra fa na dia zary maty eoamin’ny lafiny ara-panahy aza ny olombelona noho ny fahotanyka tsy omen’Andriamanitra tanjaka intsony naitoeran’Andriamanitra, dia tsy nolavina na noesorina teoanatrehan’Andriamanitra izy. Ao anatin’izay toetrany tsyvoavonjy sy maty eo amin’ny lafiny ara-panahy izay dia mbolatompon’andraikitra feno izy amin’ny tokony hankatoavanyan’Andriamanitra ary marina tokoa fa mbola manana fahafahanahankatò an’Andriamanitra izy. Amin’ny andro farany ihany vaohoesorina tanteraka eo anatrehan’Andriamanitra izy (Isaia 66:24,Jeremia 23:39-40, 24:10).Araka izany, ny olombelona tsirairay avy diaazon’Andriamanitra antenaina hanao ny asa amin’ny finoanaan’Andriamanitra mba hiezahany ho mpankatò ny didin’nyBaiboly. Araka ny efa nomarihantsika tao aloha tao, afakaampitomboina io fankatoavana io amin’ny alalan’nyfiasan’Andriamanitra Izy Tenany eo amin’ny fiainan’ny olona iray,izay zava-nanjo an’i Balama ratsy fanahy (Nomery tokoa 22 sy23), na mety Andriamanitra no miasa eo amin’ny fiainan’ny olonairay izay nofidiany saingy tsy mbola nomena fanahy vaovaomandrakizay izy (Jaona 6:44).Manana zo ara-dalàna handidy ny olombelonahankatò ny lalàny Andriamanitra.Tokony hotsaroantsika ihany koa fa manana zo ara-dalànahandidy ny olombelona hankatò ny lalàny Andriamanitra. Satrianohariana araka sy tahaka ny endrik’Andriamanitra nyolombelona, noho izany, ny olombelona, toa an’AndriamanitraIzy Tenany koa dia eo ambanin’ny bokin-dalàn’Andriamanitra21


tanteraka, dia ny Baiboly izany. Noho izany, tokony takatsika fany asa amin’ny finoana an’i Kristy dia afaka hita eny amin’nyfiainan’ny olona tsy voavonjy izay mety na tsy mety anisan’nyvoafidy ho lasa voavonjy. Rehefa mino an’i Kristy izy dia hiezakamafy ny hanaraka ny didy ara-Baiboly ao amin’ny Lioka 13,andininy faha-24, ary hoy Andriamanitra ao hoe:Miseseha hiditra amin’ny varavarana et ianareo; fa hoy Izahoaminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka.Ary ao amin’ny Hebreo 4, andininy faha-1 dia mamakyisika hoe:Koa aoka isika hazoto hiditra amin’izany fitsaharana izany,fandrao hisy olona latsaka amin’ny tsi-finoana tahaka izanykoa.Tsisy amin’ireo asan’ny finoana ireo afaka manome antoka namandray anjara amin’ny fahatongavany ho voavonjy satria efanovitain’i Kristy avokoa ny asa rehetra takiana amin’ny famonjenahatry ny elabe talohan’ny nahaterahan’ilay olona.Kanefa, averina ihany fa tsy maintsy tsindriana mafytanteraka ny hoe tsisy amin’ireo asan’ny finoana ireo afakamanome antoka na mandray anjara amin’ny fahatongavany hovoavonjy satria efa novitain’i Kristy avokoa ny asa rehetra takianaamin’ny famonjena hatry ny elabe talohan’ny nahaterahan’ilayolona.Soa ihany fa raha miezaka hanao nysitrapon’Andriamanitra ny olona tsy voavonjy iray dia fitahianaroa lehibe no hiseho.Ny fitahiana voalohany dia hoe rehefa miezaka hankatò nydidin’Andraimanitra ny olona tsy voavonjy iray dia ilaina nyhahatonga azy ho zatra bebe kokoa ny Baiboly. Hameno nyfiainany izany rehefa mianatra momba ny fahamarinana manandanjatoy ny faharatsian’ny fahotana, ny sazin’ny fahotana, nyfahamarinan’Andraimanitra sy ny famindrampon’Andriamanitraizy.Faharoa, hametraka azy ao anatin’ny tontolo ahafahanamihaino ny Tenin’Andriamanitra izany. Noho izany, raha nikasany hamonjy azy Andriamanitra dia ao anatin’ny tontolo izay mety22


ahafahan’Andriamanitra mampihatra ny Tenin’Andriamanitra aoam-pony izy.Mitsapa ny olombelona AndriamanitraMisy antony fahatelo izay mahatonga an’Andriamanitramandidy ny olona hanao asan’ny finoana. Mametraka izany olonaizany ao anaty fitsapana na fizahan-toetra izany. Moa vehanandrana hieritreritra izy fa ny fiezahany hankatò nydidin’Andriamanitra dia manampy amin’ny famonjena azy?Mitsapa hatrany ny olombelona Andriamanitra. I Adamasy Eva dia notsapaina tao amin’ny Saha Edena. Tsy nahomby izyireo tamin’ny fitsapana ka niditra teo amin’izao tontolo izao nyfahotana. Notsapaina tamin’ny alalan’ny didy hanao sorona nyzanany lahy i Abrahama (Genesisy 22). Nahomby izy tamin’nyfitsapana. Ny Isiraelita dia notsapaina tamin’ny fomba maro isankarazanynandritra ny 40 taona nahatany an efitra azy ireo. Tsynahomby tamin’ny fitsapana izy ireo. Ny mpino marina diatsapaina isan’andro satria mbola manana vatana maniry hanotaizy. Jesosy dia notsapaina tamin’ny alalan’nyfamelan’Andriamanitra an’i Satana haka fanahy Azy. Tenanahomby tokoa Izy tamin’ny fitsapana.Ka noho izany, ny didy hanao asa amin’ny finoana sy asaamin’ny fiantsoana an’Andriamanitra ho famonjena dia fitsapanaihany koa. Moa ve ho tsapantsika tanteraka fa raha toa kadidin’Andriamanitra izay tsy maintsy ankatoavina ireny, nyfankatoavana ireny didy ireny dia tsy afaka hitondra famonjenaho antsika na oviana na oviana?Tena zava-dehibe izaitsizy tokoa ity fandaharampitsapanaity. Ara-boajanahary, ny olombelona dia mpireharehaary tsy tafandry mandry izy handray ny dera sy voninahitraamin’ny zava-drehetra izay notanterahany tamin’ny alalan’nyasany.Tsy tokony hieritreritra isika na dia fotoana vitsy monja azafa ireo asa ataontsika dia mety manampy antsika, na dia kely fotsinyaza ho voavonjyAnkoatra izay, marina tokoa ary mety tsy tsapa izany famaro ny olona no tsy matoky fa hamonjy azy ireo Andriamanitra23


aha tsy izy ireo mihitsy no manomboka ny famonjena amin’nyalalan’ny asan’ny tenany.Nefa voamarina tokoa ny hasarotampiaron’Andriamanitra.Nanao ny asa rehetra hamonjena antsikaAndriamanitra. Noho izany, tsy tokony hieritreritra isika na diafotoana vitsy monja aza fa ireo asa ataontsika dia mety manampyantsika, na dia kely fotsiny aza, ho voavonjy.Ny tena maha zava-dehibe ny Sabata amin’ny andro fahafitoIty fahamarinana manan-danja be ity dia naseho tamin’nyfomba mampivarahontsana tokoa tao amin’ny Testamenta Taloha.Tokony ho tsaroantsika fa ny Sabata amin’ny andro fahafito dianotandreman’ny fiangonana mafy tokoa, dia ny fanjakan’Israely.Lalàna sy fombafomba izay nanondro tany amin’ilay fahamarinanahoe efa novitain’Andriamanitra tanteraka ny asan’ny famonjenaizany. Tahaka ny tsy nanaovan’Isiraely asa na inona na inonatamin’ny Sabata amin’ny andro fahafito no tsy tokonyhanaovantsika na inona na inona ihany koa mba ho fanandramanahanampy amin’ny famonjena antsika. Ao amin’ny Eksodosy 31:13-14 dia hoy Andriamanitra hoe:Ary dia milaza amin’ny Zanak’Isiraely ianao hoe: Ny Sabatakono tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareohatramin’ny taranakareo fara mandimby izany, mba hofantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo. Koatandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsymanamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manaoraharaha amin’izany dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.Ao amin’ity andininy ity, Andriamanitra diamamelabelatra ilay fitsipika tena manan-danja izay milaza fa efavitan’Andriamanitra avokoa ny asa rehetra mba hanamasinanaantsika. Ny teny hoe “manamasina” dia midika hoe voatokanaho eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Rehefa lasavoavonjy isika dia voatokana ho eo amin’ny fanompoana Azy.Eto amin’ity andalana ity, Andriamanitra dia mamerimberina fanataony avokoa ny zava-drehetra izay notakiana mbahanamasinana na hamonjena antsika.Ho famantarana iray izay nanondro tany amin’ityfampianarana tena mafonja be ity dia nandidy Andriamanitra fatsy nisy asa tokony natao tamin’ny Sabata andro fahafito. Nyolona izay nanao asa tamin’ny Sabata amin’ny andro fahafito dia24


tahaka ny olona iray nino fa nanampy azy hanatanteraka nyfamonjena azy ny asa ara-panahiny. Ny olona tahaka izany dianovonoina ho faty, izany hoe ny olona ohatra izany dia mbolahiaritra ny fahatezeran’Andriamanitra.Manome ohatra antsika Andriamanitra mba hanehoanany maha-zava-dehibe ity fahamarinana ity. Ao amin’ny Nomery15 andininy faha-32-36, Andriamanitra dia milaza amintsika nymomba ilay lehilahy izay naka kitay tamin’ny Sabata androfahafito. Tena bitika dia bitika tokoa izany, ary saika fandikanatsy dia misy lanjany loatra ny baiko momba ny tsy fanaovana asaamin’ny andro Sabata.Kanefa, rehefa nanontany an’Andriamanitra momba nysazy izay tokony ampiharina amin’ity fandikana kely ny didymikasika ny andro Sabata ity i Mosesy dia nandidy Andriamanitrafa hotoraham-bato ho faty ity lehilahy ity. Ity trangamahatalanjona ity dia maneho ny tena maha-zava-dehibe ilayfahamarinana hoe tokony azontsika antoka tanteraka fa takatsikahoe amin’ny alalan’ny asan’i Kristy irery ihany izany famonjenaizany.TSY MISY FAMINDRAM-PO HO AN’IREO IZAYMIERITRERITRA FA AFAKA MANAO ZAVATRA NAMANAMPY AMIN’NY FAMONJENA NY TENANY IZY IREO.Tsy tokony hieritreritra na oviana na oviana isika fanitondra ny anjarabirikintsika isika amin’ny famonjena antsikaamin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra. Tadidiofa ny fankatoavana ny lalàna rehetra dia asa ara-panahy izayataontsika. Raha ny marina, milaza mafy amintsika Andriamanitraamin’ny alalan’ny fanoharana ara-tantaran’ny famonoana ho fatyilay lehilahy izay naka kitay tamin’ny Sabata andro fahafito hoe:TSY MISY FAMINDRAM-PO HO AN’IREO IZAYMIERITRERITRA FA AFAKA MANAO ZAVATRA NAMANAMPY AMIN’NY FAMONJENA NY TENANY IZY IREO.Ireo fitahiana avy amin’ny fandaharam-pitsapan’AndriamanitraIty fandaharam-pitsapan’Andriamanitra ity dia tenafitahiana lehibe tokoa ho an’ireo izay mino fa lasa voavonjy izyireo. Ao amin’ny 2 Korintiana 13:5, Andriamanitra dia mandidyhoe:25


Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, natsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va nyamin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olonanolavina ianareo ?Ahoana ny fomba anaporofoantsika aminny tenantsika favoavonjy marina isika? Ny zava-dehibe iray izay azontsika ataodia ny mandinika ny fomba ninoantsika fa lasa voavonjy isika.Mila maka toky tsara isika fa efa navelantsika tanterakany hevitra na ny eritreritra rehetra izay mety ananantsika fa nanaoizato na izaroa isika, ka noho izany, nanao zavatra na nitondraanjara birikintsika tamin’ny fomba famonjena antsika isika. Tsymaintsy azontsika antoka tsara fa isika dia nihazona mazava tsarailay fitsipiky ny Baiboly hoe raha toa ka tena voavonjy marinatokoa isika dia efa novitain’i Kristy avokoa ny asa rehetrafamonjena antsika elabe talohan’ny nahaterahantsika. Nyfamonjena dia efa notanterahina manontolo tamin’ny alalan’nyasan’i Kristy ka tsy afaka manao na inona na inona isika hanampyantsika ho lasa voavonjy. Tokony ho takatsika fa tsy misy asa,eny fa na dia kely indrindra aza, izany hoe fankatoavana nydidin’Andriamanitra, afaka manampy antsika ho voavonjy. Nyfitsarana izay nanjo ilay lehilahy naka kitay tamin’ny Sabata androfahafito dia tokony hanaitra ny sofintsika.Ankoatr’izay, mizaha ny tenantsika isika amin’ny alalan’nyfandalinantsika ny tenantsika rehefa avy nijery ilay fiteny aoamin’ny 1 Jaona 2:3-6 manao hoe:Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia nyfitandremana ny didiny. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsymitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy aoanatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanterakaao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra izanyno ahafantarantsika fa ao aminy isika. Izay milaza fa mitoetraao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehananykoa.Ny olona tsirairay izay lasa voavonjy marina tokoa dianomena fanahy vaovao be nitsangana tamin’ny maty, ka nohoizany, hahafinaritra azy lalandava ny hanao nysitrapon’Andriamanitra. Tahaka ny mpanao salamo ao amin’nySalamo 139:23-24 tokoa mantsy dia hivavaka izy hoe:26


Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetraaho, ary fantaro ny eritreritro;Ary izahao na misy lalanamampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ny lalana mandrakizayaho.Ampitomboin’Andriamanitra ny fahasarotan’ny fandaharampitsapanyNy fitsapana izay nentin’ireny didy ireny dia nohasarotinabebe kokoa satria na dia maty eo amin’ny lafiny ara-panahy syeo ambanin’ny fahatezeran’Andriamanitra aza ny olona tsyvoavonjy, amin’ny ankapobeny dia mbola afaka mankatò nydidin’Andriamanitra ihany izy. Tao alohaloha tao dia nianatraireto zavatra ireto isika:1. Ny olona tsy voavonjy dia mbola mananafieritreretana izay afaka mandresy lahatra azy amin’nyfahotana. Ny anton’izany dia satria amin’nyankapobeny, voasoratra ao am-pony nylalàn’Andriamanitra ( Jaona 8:9, Romana 2:14-15)2. Azon’Andriamanitra atao ny maniraka ny olona iraymaty eo amin’ny lafiny ara-panahy, ohatra i Balamasy Saoly Mpanjaka tao amin’ny Testamenta Taloha,hanao ny sitrapony na dia tsy mikasa hamonjy izanyolona izany aza Izy (Nomery 22:12-13, 2 Petera 2:15-16, 1 Samoela 10:9-12, 1 Tantara 10:13).Araka izany, na dia miezaka mafy ny hankatò nydidin’Andriamanitra aza ny olona iray dia tsy afaka mahalala izyna Andriamanitra no miasa ao am-pony na ny fieritreretany ihanyno mandresy lahatra azy. Ary tsy afaka mahafantatra izy rahaamin’ny fony manontolo na tsia no iezahany mankatòan’Andriamanitra. Nefa tokony ho fantany fa tsisy amin’ny ezakaizay ataony hahafinaritra an’Andriamanitra afaka miteraka nyfamonjena na miantoka ny famonjena na mahatanteraka nyfitakiana rehetra izay hahatonga azy ho voavonjy.<strong>Me</strong>ty diso izy mieritreritra fa noho izy mankatò irenydidin’Andriamanitra ireny dia hovonjen’Andriamanitra izy.27


Rehefa manomboka mankatò ny didin’Andriamanitra nyolona tsy voavonjy iray dia mety latsaka ao anaty fandrika morafoana izy amin’ny fieritreretana fa ny fankatoavany dia porofofa efa novonjen’Andriamanitra izy. <strong>Me</strong>ty diso izy mieritreritra fanoho izy mankatò ireny didin’Andriamanitra ireny diahovonjen’Andriamanitra izy. Na manao ahoana na manao ahoanadia mandika ny lalàn’Andriamanitra izy izay manambara fa tsymisy asa izay ataon’ny olona ka afaka ho fandraisana anjaraamin’ny famonjena azy. Ary raha drafitr’Andriamanitra koa nymitsapa ny olona na hankatò ireo didin’Andriamanitra rehetraizy na tsia, dia tsy hahahomby amin’ny fitsapana izy raha tsynoho ny famindram-pon’Andriamanitra ihany.Hita amin’ny fomba miavaka tokoa izany teo amin’nyfitondran-tenan’Israely taloha. Niteny azy ireo Andriamanitrafa raha nankatò ny didin’Andriamanitra rehetra izy ireo diahitahy azy ireo mandrakizay Izy (Deotornomia 28:1, 28:15,30:6-16).Noho izany, niezaka ny ho tsara araka izay azo natao izyireo ka natoky fa tamin’ny alalan’ny fanaovana izany dia azonyantoka ny famonjena azy ireo. Kanefa, amin-kalahelo lehibe noampahalalan’Andriamanitra antsika ao amin’ny Romana 9:31-32hoe:Fa ny Isiraely, izay nitady lalàn’ny fahamarinana kosa, dia tsynahatratra izany lalàna izany. Nahoana moa? Satria tsy tamin’nyfinoana, fa toa tamin’ny asa, ka tafintohina tamin’ny vatomahatafintohina izy;Rehefa miezaka am-pahazotoana ny ho voavonjy ny olonairay dia mety tafalatsaka mora foana ao amin’ny fandriky nyfieritreretana fa ny fankatoavany dia miantoka na miterakafamonjena. Tahaka ny miasa amin’ny andro Sabata toa ilaylehilahy naka kitay izy.Tokony ohatra ny an’ny Ninevita lalandava foana nyfihevitsika, dia araka izay hitantsika ao amin’ny Jona 3:9 manaohoe:Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina aryhiala amin’ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?Tsy tokony hihevitra na oviana na oviana isika fa ny zava-drehetranataontsika na ataontsika dia hiteraka na hiantoka famonjena.28


Noho izany, tsy tokony hihevitra na oviana na ovianaisika fa ny zava-drehetra nataontsika na ataontsika dia hiterakana hiantoka famonjena. Marina foana izany na mino isika faAndriamanitra no miasa eo amin’ny fiainantsika mba hanao nysitrapony na miezaka ny mankatò isika satria mandresy lahatraantsika ny fieritreretantsika.Ny vavaky ny olona tsy voavonjy feno fitalahoana diatokony ho izao: “Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko. Tsymendrika ny famonjena aho. Feno fankasitrahana aho fa rehefamiezaka am-pahazotoana ny hanao ny sitraponao aho dia fantatrofa Andriamanitra irery ihany no afaka mandany ahy mbahitadiavako an’Andriamanitra amin’ny foko sy ny fanahikomanontolo. Ny hany mety mahamarina izany dia rehefa nomenafo vaovao aho, izany hoe raha toa ka efa novonjen’Andriamanitraaho.”Ny ohatra ny amin’ilay mpamory hetra ao amin’ny Lioka18:13 dia tokony ho ao an-tsaintsika. Mivaky toy izao ny ao hoe:Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsynety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanaohoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.Tokony ko tsaroantsika ireo teny nolazain’Andriamanitraao amin’ny Joela 2:12-14 hoe:Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amikoamin’ny fonareo rehetra ary amin’ny fifadian-kanina sy nyfitomaniana ary ny fitarainana. Ary ny fonareo no triatriaro, faaza ny fitafianareo, ary miverena amin’i JehovahAndriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-posady be famindram-po ary manenina ny amin’ny loza, fandraomba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, diafanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an’i JehovahAndriamanitrareo.Noho izany, io no làlana izay itondran’Andriamanitra nyolony, ary voalaza misimisy kokoa izany ao amin’ny Jeremia 31:8-9 izay mivaky toy izao hoe:Indro, hitondra azy avy any amin’ny tany avaratra Aho syhanangona azy avy any amin’ny faran’ny tany, ka dia samy hoeny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izaymanan’anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina29


at. Amin’ny fitomaniana no hihaviany, ary amin’ny fifonanyno hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron’ny reniranoizy, amin’ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; FaRain’Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.Afaka mihaino ny Baiboly ve isika nefa tsy mandre?Ao amin’ny andalana maro ao amin’ny Baiboly,Andriamanitra dia milaza ilay fampitandremana ao amin’nyJeremia 29:17-19 izay mivaky toy izao:Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indro,hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny aretimandringana,ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsyazo hanina noho ny haratsiny izy. Ary henjehiko amin’nysabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotroho mpanjenjena any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’nytany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra syfandatsa ho an’ny firenena izay nandroahako, azy noho ny tsynihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko nympaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha marainakoa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.Ny hoe mihaino dia mandre ombam-piezahana ny hahatakatra nyzavatra izay nandidiana ka miezaka ny ho mpakatò.Ny hoe mihaino dia mandre ombam-piezahana nyhahatakatra ny zavatra izay nandidiana ka miezaka ny hompakatò. Kanefa, raha mamaky ny Baiboly amin’ny fahamarinanaefa voavolavola mialoha isika dia tsy hihaino ny fahamarinana,ka noho izany, araka ity andalana ity dia tsy handre ny Tenin’nyfahamarinana isika.Ohatra, ny olona iray izay manana fomba fihevitra arakany anjara na resy lahatra fa marina ny filazantsara ataonao ihanysy ny filazantsara misy fahafahana misafidy na ny olona izaymanao tsinontsinona ny didin’Andriamanitra ka miezaka ampahazotoanany ho lasa voavonjy, dia tsy mihaino nyTenin’Andriamanitra. Amin’ny fotoana izay amakiany zavatrairay mikasika ny famonjena ao amin’ny Baiboly, ao an-tsainy aodia ahodiny sy ezahany ovaina ny dikany mba hampifanarakaizany amin’ny heviny voavolavola mialoha. Aminy, ny30


fahamarinan’ny fanambarana ara-Baiboly dia ravan’ny heviny fenofikomiana sy nataon’olona. Raha ny marina, nametraka ny tenanyany ivelan’ny toerana ahafahana mihaino ny Tenin’Andriamanitraizy. Araka izany, nametraka ny tenany eo amin’ny toerana tenamampidi-doza tokoa izy satria ny hany mahatonga ny finoana (iKristy izay Mpamonjy) dia avy amin’ny alalan’ny fihainoana nyTenin’Andriamanitra ihany (Romana 10:17).<strong>Me</strong>ty ho marina tokoa fa afaka mamonjy ny olon-drehetraAndriamanitra na manao ahoana na manao ahoana nyfahalebeazan’ny fikomiany Taminy, eny fa na dia mandà ankitsiranony hihaino ny Tenin’Andriamanitra aza izy ireo. Kanefa,ny Baiboly dia tsy manome famporisihana na toky ho an’ireoizay mandà ny hihaino ny Tenin’Andriamanitra, ka noho izany,tokony handinika am-pahamalinana tsara ilay fampitandremanaao amin’ny Jeremia 29:18-19 izay voalaza etsy ambony isika.Indrisy anefa, ny olona sahala aminizany dia mety mifanarakatsara tokoa amin’ilay fanoritsoritana ratsy momba ireo Fariseoizay voalaza ao amin’ny Matio toko faha-23.Kanefa, misy ny fanantenana, fanantenana mahagaga hoan’ireo izay miaiky am-panetren-tena ny fahotany sy mialaamin’ireo hevitra novolavolainy mialoha ka miezaka amin-kitsipony ho mpankatò ny Baiboly iray manontolo ary mitalaho ampanetren-tenany famindram-pon’Andriamanitra.Rehefa mandalina ny Baiboly isika dia tsy tokonyhanao izany miaraka amin’ireo hevitra novolavolaina mialoha ,na dia toa tsara lahatra sy misy lôjika manao ahoanaazy izy ireny.Rehefa mandalina ny Baiboly isika dia tsy tokony hanaoizany miaraka amin’ireo hevitra novolavolaina mialoha, na diatoa tsara lahatra sy misy lôjika manao ahoana azy izy ireny. NyBaiboly dia tokony halalinintsika miaraka amin’ilay toe-tsainamanao hoe :”Tsy mahalala na inona na inona aho. Andriamanitraô! tokony ampianarinao aho”. Ary rehefa miezaka ampahazotoanamankatò ny didin’Andriamanitra isika, ny toetsaintsikadia tokony ho toy izao: na dia tsy mendrika velivelyny famonjena aza isika dia manana fanantenana lehibe fa angambamety hamonjy ahy ihany koa Andriamanitra (Jona 3:9).31


Mampitaha Soratra Masina amina Soratra MasinaTsy maintsy tsaroantsika mandrakariva ny fitsipika fototraara-Baiboly izay tsy maintsy arahintsika rehefa miezaka mianatraavy amin’ny Baiboly isika. Izany fitsipika izany dia hoe tokonymampitaha Soratra Masina amina Soratra Masina isika (1Korintiana 2:13). Izany hoe rehefa mianatra ny Baiboly isika diatokony maka toky tsara fa ny tsoakevitsika tsirairay avy diamifanaraka tsara amin’ny an’ny rehetra ao amin’ny Baiboly.Rehefa tadidintsika ireo fahamarinana ireo kaampiasaintsika ny fitsipika izay efa nianarantsika tato amin’ityfandalinana ity dia hijery andininy maromaro izay miresakamivantana momba ny fahalasan-ko voavonjy isika. Hatombotsikaamin’ilay andininy fanta-daza ao amin’ny Romana 10:13 izany,ary hoy Andriamanitra ao hoe:Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena.Avy hatrany dia fampitandremana no hita, izany hoetokony hitandrina isika. Ny fankatoavana ny didy fiantsoanaan’Andriamanitra dia asa izay ataontsika. Ity andininy ity diatoa mampianatra fa raha manao ny asa fiantsoana nyanaran’Andriamanitra isika dia hahatonga ny famonjena antsikaizany, saingy tsy mitombina mihitsy izany satria Andriamanitrano nanao ny asa rehetra amonjena antsika Araka izany, fantatsikafa tsy afaka ho takantsika ity andininy ity raha tsy mitadyfampahalalana misimisy kokoa avy ao amin’ny Baiboly isika.Rehefa nitady fampahalalana bebe kokoa isika dia nahitany tao amin’ny Jeremia 29:11-13, ka hoy Andriamanitra ao hoe:Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah,dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareofanantenana ny amin’ny farany. Ary hiantso Ahy ianareo kahandeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. Aryhitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareoamin’ny fonareo rehetra.Voalaza ao amin’ny Deotornomia 4:29 ny fahamarinanamitovy amin’izany ka mivaky toy izao izany:Kanefa any ianao no hitady an’i Jehovah Andriamanitrao kahahita Azy, raha mitady Azy amin’ny fonao rehetra sy nyfanahinao rehetra.32


Andriamanitra dia manome antsika ilay fampahalalanamanan-danja manao hoe rehefa miantso an’Andriamanitra isikana mitady Azy noho ny famonjena dia mila mitady Azy amin’nyfontsika iray manontolo isika.Saingy tsy ho tanteraka velively izany satria ny Baibolydia milaza amintsika momba ny toetran’ny fon’ny olona tsyvoavonjy. Mamaky isika ao amin’ny Jeremia 17:9 hoe:Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sadymanana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra nyaminy?Ary mamaky isika ao amin’ny Marka 7:21 hoe:Fa avy ao anatin’ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’nysain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona,ny fakam-badin’olona,Mialohan’ny ahafahan’ny olona miantso an’Andriamanitra amin’nyfony iray manontolo dia tsy maintsy omena fo vaovao izy ireo.Noho izany, mialohan’ny ahafahan’ny olona miantsoan’Andriamanitra amin’ny fony iray manontolo dia tsy maintsyomena fo vaovao izy ireo, izany hoe tsy manana fo ratsy intsonyizy ireo. Ary dia izany tokoa no ampianarin’ny Baiboly mazavatsara, ohatra, ao amin’ny Ezekiela 36:25-27 ka hoy Andriamanitraao hoe:Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afakaamin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra nohanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahyvaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’nynofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Ary nyFanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareohandeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanarakaazy.Eto amin’ireto andininy ireto, Andriamanitra diamampianatra mazava tsara fa fo vaovao no omen’Andriamanitraantsika. Amin’ny alalan’ilay zava-mahagaga lehibe izaynanomezany antsika fo vaovao izay antsoina ihany koa hoe fanahy33


vaovao dia hitarika antsika Izy hanaraka Azy amin’nyfankatoavana. Tsara marihina fa ato anatin’ity fampianarana ity,isika dia miresaka momba ny fo vaovao na ny fanahy vaovaoizay fanahintsika vaovao be nitsangana tamin’ny maty izayazontsika rehefa lasa voavonjy isika. Ireo andininy ao amin’nyEzekiela ireo dia milaza ny fomba namonjen’Andriamanitraantsika, ary Andriamanitra irery ihany no manao ny asa rehetraamin’ny famonjena antsika.Ny olon-drehetra dia nodidiana hiantso anAndriamanitraMamaky isika ao amin’ny Romana 10:13 hoe: “Fa izayrehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena,” saingytsy afaka ho tonga amin’ny tsoakevitra iray mifandraika amin’nyfamonjena isika raha tsy ampidirintsika ao ilay fampahalalanafanampiny izay takiana manao hoe natao hiantsoan’Andriamanitra amin’ny fontsika iray manontolo isika mba holasa voavonjy. Fantatsika fa ny fiantsoana an’Andriamanitrafotsiny dia tsy hiteraka famonjena. Ary tsy hiantsoan’Andriamanitra amin’ny fontsika iray manontolo isika raha tsyefa novonjeny tamin’ny alalan’ny fanomezany antsika fo vaovao,izany hoe raha tsy efa nanao ny asa rehetra amin’ny famonjenaantsika Izy.Saingy mitondra olana hafa indray izany. Ny Romana 10:13dia milaza fa ireo izay miantso an’Andriamanitra no “hovonjena.”Ny teny hoe “hovonjena” dia matoanteny Grika izay manambarafa ny famonjena dia tranga mbola ho avy vokatry ny fiantsoanaan’Andriamanitra. Vao avy nianarantsika teo fa ny fahatakaranaara-Baiboly momba ny ampahany voalohany amin’ity andininyity dia ny hoe miantso an’Andriamanitra amin’ny fontsika iraymanontolo isika. Nianatra ihany koa isika fa ny hany antonyahafahantsika miantso Azy amin’ny fontsika iray manontolo dianoho Izy namonjy antsika sy nanome fo vaovao antsika.Noho izany, satria vokatry ny fiantsoanaan’Andriamanitra amin’ny fontsika iray manontolo ny hoe“hovonjena”, noho izany, manana olana isika. Ahoana noahafahan’ny olona izay efa voavonjy ho lasa voavonjy?Afaka vahana ity olana ity rehefa tsapatsika, araka izaynianarantsika tao aloha tao fa ny tena fisian’ny famonjena eoamin’ny fiainan’ny olom-boafidin’Andriamanitra iray dia dinganamaro. Ny dingana voalohany dia ny fifidianana izany olona izanyho lasa voavonjy. Ny dingana faharoa dia hoe amin’ny fotoanananaovan’i Kristy ny fanonerana ny fahotana izay34


takian’Andriamanitra dia voaonitra ara-dalàna ny sazin’nyfahotantsika.Ny dingana fahatelo dia nitranga rehefanomen’Andriamanitra fo vaovao na fanahy vaovao ny olomboafidy,ireo izay efa niaretan’i Kristy nyfahatezeran’Andriamanitra mba hanonerana ny fahotany. Itydingana fahatelo ity matetika no ao an-tsaintsika rehefa miresakany momba ny fahalasan-ko voavonjy isika.Nefa mbola tsy feno ny famonjena antsika. Mbola mananavatana feno fahotana izay tsy maintsy vonjena isika. Ary izanydia mitondra antsika amin’ny dingana fahaefatra, ka izany diahitranga amin’ny andro farany rehefa hiverina sy hanome vatanavaovao be nitsangana tamin’ny maty ho an’ireo mpino marinarehetra i Kristy (1 Korintiana 15).Araka izany, eo amin’ny lafiny ara-Baiboly dia samymarina avokoa ny filazana hoe “lasa voavonjy isika” sy ny hoe“hovonjena isika”. Izany no mahatonga ny Baiboly afaka milazafa ny olona izay efa voavonjy dia “hovonjena”. Izany no antonymahatonga antsika mamaky, ohatra, ao amin’ny 1 Petera 1:5 hoe:Izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana hoamin’ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.Izany koa no antony mahatonga antsika mamaky aoamin’ny Marka 13:13 hoe:Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izaymaharitra hatramin’ny farany no hovonjena.Amin’ny farany ihany, rehefa omen’Andriamanitra vatananitsangana tamin’ny maty feno voninahitra isika vao ho lasa voavonjyeo amin’ny lafiny rehetra amin’ny maha-olona antsika.Maharitra hatramin’ny farany isika satria efa lasavoavonjy. Nefa amin’ny farany irery ihany, rehefaomen’Andriamanitra vatana nitsangana tamin’ny maty fenovoninahitra isika vao ho lasa voavonjy eo amin’ny lafiny rehetraamin’ny maha-olona antsika.Noho izany, mianatra avy amin’ity andininy ity isika faraha tsy manaraka ny torolalan’ny Baiboly amin’ny fampitahanany zavatra ara-panahy amin’ny ara-panahy dia mety ho latsaka35


mora foana ao amin’ny fandrika izay hanakona ny masontsikaamin’ny fahamarinan’ny Baiboly. Noho izany, tsy tonga amin’nytsoakevitra na inona na inona isika raha tsy efa nandinika nyBaiboly iray manontolo.Hatreto aloha dia nianatra fahamarinana maro tenamanan-danja tokoa isika. Ao anatin’izany ireto manaraka ireto.1. Kristy irery ihany no nanao ny asa rehetra izaynotakiana mba hamonjena ny olona iray.2. Isaky ny mankatò ny didy iray isika dia manao asaara-panahy. Na dia tsy voavonjy aza ny olona iray,amin’ny ankapobeny, afaka manatanteraka asa arapanahyizy tahaka ny finoana an’i Kristy, saingy izanyasa izany dia tsy miteraka famonjena na oviana naoviana na manampy ny olona ho lasa voavonjy.Rehefa tadidintsika ireny fitsipika ara-Baiboly ireny diaampitandremana isika fa na dia toa mampianatra aza ny andininyiray ao amin’ny Baiboly fa ny famonjena antsika dia vokatry nyfinoantsika na ny fankatoavantsika ny didin’ny Baiboly, diafantatsika avy hatrany fa diso ny fahatakarana izany andininyizany. Fantatsika fa tsy maintsy mikaroka ny Soratra Masina isikaary mivavaka ho amin’ny fahendrena mba ahafahantsikamahatakatra tsara izany andininy izany.Ny asan’ny finoanaRehefa miresaka mikasika ny famonjena, ny teny tenamanan-danja indrindra tokony ho takatra tsara angamba dia ilaytena hoe “mino.” Araka ny efa nianarantsika, ny hoe “mino” diamatoanten’ilay anarana hoe “finoana”. Nianarantsika ihany koafa ny finoana dia asa, ka noho izany, ny hoe “mino” dia asa arapanahy.Ary nianarantsika fa tsy misy asa izay afaka ataontsikaka afaka miteraka na manampy amin’ny famonjena antsika.Amin’ny ankapobeny, ankoatra ny fahalasan-ko voavonjy,ny olombelona dia afaka manao ny asan’ny finoana satria mananafieritreretana izy, ary amin’ny ankapobeny, voasoratra ao amponyny lalàn’Andriamanitra. Raha ny marina, rehefa mikatsakaam-pahazotoana ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitrany olona iray, izany hoe lasa voavonjy, dia hankatò ny didy izysatria afaka mino. Saingy izany karazana finoana izany dia tsyilay karazana finoana izay mifandraika amin’ny famonjena.36


Miresaka momba ny olom-boavonjy izay mino amin’ny fomanontolo Andriamanitra ao amin’ny Romana 10:9-10 manao hoe:Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanaoianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nananganaAzy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo noinoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekenahahazoana famonjena.Kanefa, nianatra isika fa ny fon’ny olona dia tena ratsytokoa (Jeremia 17:9, Matio 15:19). Araka izany, tsy mety mihitsyny mino amin’ny fo ambara-panomezan’Andriamanitra fo vaovaoantsika. Ary rehefa omen’Andriamanitra fo vaovao isika diamidika izany fa namonjy antsika Izy (Ezekiela 36:24-27). Nohoizany, rehefa mino isika alohan’ny amonjena antsika dia tsy avyamin’ny fontsika izany, ka noho izany, tsy afaka ampifandraisinaamin’ny famonjena izany.Eo amin’ny lafiny iray, raha mino amin’ny fontsikamanontolo isika dia midika izany fa efa novonjen’Andriamanitraisika tamin’ny alalan’ny fanomezana fo vaovao antsika. Nyfinoantsika dia vokatry ny hoe novonjen’Andriamanitra isika.Noho izany, ny teny hoe “finoana” sy ny andian-teny hoe “manampinoana”dia tsy afaka raisina na oviana na oviana ho toy nyfomba na fitaovana izay mahalasa voavonjy antsika.Mamaky isika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:13-23 fa iSimona ilay mpanao ody dia nino ka natao batisa, saingy ireoandininy faramparany dia mampiseho mazava tsara fa tsy lasavoavonjy izy. Nino i Abrahama satria Andriamanitra (Kristy)nanisa izany ho fahamarinany. Nino i Simona amin’ny maha-olonatsy voavonjy azy. Nino i Abrahama amin’ny maha-olom-boavonjyazy. Kanefa, na teo amin’ny fiainan’i Simona na teo amin’nyfiainan’i Abrahama, ny finoana dia tsy nanampy tamin’nyfamonjena.Araka izany, amim-pahatokiana no ahafahantsika makatsoakevitra hoe ny fanaovana asan’ny finoana alohan’ny mahavoavonjyantsika dia tsy afaka manampy mihitsy amin’nyfamonjena antsika. Ny fanaovana ny asan’ ny finoana aorian’nymaha-voavonjy antsika dia vokatr’izao zavatra manaraka izaofoana hoe efa novonjen’Andriamanitra isika.Ny fankatoavana ny didy mba hino dia ampitoviana amin’nyfaniriana hiezaka ny ho mpankatò ny didin’Andriamanitra rehetra.37


Kanefa, ny teny hoe “mino” dia milaza ny lanja sy nymaha-zava-dehibe ny finoana alohan’ny maha-voavonjy antsika.Ny fankatoavana ny didy mba hino dia ampitoviana amin’nyfaniriana hiezaka ny ho mpankatò ny didin’Andriamanitrarehetra. Tafiditra ao anatin’ireny didy ireny ny fitiavanaan’Andriamanitra, ny fikatsahana ny famonjena, ny fiandrasanaAzy, ny fibebahana amin’ny fahotantsika ary ny fivavahana hofamonjena. Ny fankatoavana ireny didy ireny dia asa izayataontsika, saingy tsy afaka mitondra antsika na oviana na ovianaany amin’ny famonjena izany. Na dia izany aza nefa, ity karazanafankatoavana ity dia hitondra antsika amin’ny fihainoana nyBaiboly misimisy kokoa sy am-pahamalinana bebe kokoa. Arakaizany, ho ao anatin’ny tontolo iray tena mety ahatongavana hovoavonjy isika raha toa ka fikasan’Andriamanitra ny hamonjyantsika.Ahoana ny fomba inoantsika raha toa ka maty eo amin’nylafiny ara-panahy isika? Tadidio fa noharin’Andriamanitraaminny losahan’ny taola-maina (Ezekiela 37) sy ny faty maimbo(Jaona 11:39) ny olombelona tsy voavonjy. Milaza Andriamanitrafa tsy misy mitady an’Andriamanitra na dia iray akory aza, tsia,na dia iray aza (Romana 3). Ireo filazana ireo dia manamafy faalohan’ny famonjena, ny olombelona tsirairay avy dia maty eoamin’ny lafiny ara-panahy avokoa. Na eo amin’ny vatana na eoamin’ny fanahy dia maty ara-panahy izy, ary tsy mitoetra ao aminyAndriamanitra. Noho ny fahotany, raha eo amin’ny lafin’nylalàna, dia eo ambanin’ny fahatezeran’Andriamanitra izyankehitriny, ka mitanjozotra mankamin’ny fandravana.Ny fahotana tsirairay avy dia mitondra ny sazin’nyfandravana avokoa, ka noho izany, raha tsy misy nyfidiran’Andriamanitra an-tsehatra dia azo antoka fa horinganinaavokoa ny olona tsirairay avy. Amin’ny ankapobeny, na dia aoanatiny ao aza ny lalàn’Andriamanitra ka manana fieritreretanaizy mba hahalalany ny tsara sy ny ratsy, kanefa, raha tsy misy nyfanampian’Andriamanitra dia tsy misy antenaina intsony nyaminy. Araka izany, rehefa manao ny asan’ny finoana an’i Kristyny tsy voavonjy dia mbola faty maimbo sy lohasaha feno taolamainaizy. Tsy afaka mitady an’Andriamanitra amin’ny fonymanontolo izy na mino amin’ny fony manontolo satria tena ratsytokoa ny fony. Raha tsy Andriamanitra irery ihany no manomefo vaovao azy, izany hoe rehefa mamonjy azy Andriamanitra vaohikatsaka sy hino an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo izy.Rehefa omena fo vaovao izy, ao amin’ny fanahiny, dia lasa velonamandrakizay izy.38


Nodidiana hino an’Andriamanitra avokoa ny olombelona rehetraMamaky isika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:31 hoe:Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjenaianao sy ny ankohonanao.Fantatsika fa ny finoana ao am-pontsika irery ihany nomifandraika amin’ny famonjena. Ary rehefa mino ao am-pontsikaisika dia efa lasa voavonjy satria tsy maintsy manome antsika fovaovao Andriamanitra mba hinoantsika ao am-pontsika (Ezekiela36:26). Ny fo vaovao dia midika fa lasa voavonjy isika.Mamaky ilay fanambarana fanta-daza ao amin’ny Jaona 3:16 isikamanao hoe:Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao:nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetramino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.Izao dia fantatsika fa ny olom-boafidin’Andriamanitrairery ihany no tafiditra ao anatin’ilay andian-teny hoe “izayrehetra”. Fantatsika ihany koa fa amin’ny ankapobeny, ny olonatsy voavonjy izay tsy nokasain’Andriamanitra hovonjena naoviana na oviana dia afaka mino Azy. Ary fantatsika fa ireo izaymanao asa mba ahatongavana ho voavonjy dia tsy voavonjy satriananao ny asan’ny finoana an’i Kristy izy ireo. Raha ny marina diahoe mino Azy izy ireo satria nomen’Andriamanitra fiainanamandrakizay izy ireo. Ny finoany dia vokatr’ilay hoe namonjyazy ireo Andriamanitra.Raha ny marina dia hoe mino Azy izy ireo satrianomen’Andriamanitra fiainana mandrakizay izy ireo.Nanao ny asa rehetra hamonjena antsika i Kristy ka nahatokytamin’ny fanaovana izanyRehefa nanoratra ny Baiboly Andriamanitra dia tsynataony moramora ny fitadiavana ny fahamarinana. Mampietryantsika tokoa Izy amin’ny fanirahana antsika handinika amimpaharetanasy amim-pahazotoana ireny andininy manahirana irenysady manontany foana ny fahendrena amin’Andriamanitra.39


Tokony ho tadidintsika mandrakariva fa mandra-pahitantsikafirindrana eo amin’ny zava-drehetra ampianarin’ny Baiboly diambola tsy takatsika aloha ilay andininy izay ianarantsika.Ny zava-manahirana iray izay asehon’ny Baiboly dia hitaao amin’ny andininy maro ao amin’ny Galatiana 2 sy Galatiana 3.Ohatra, Andriamanitra dia mamerimberina ao amin’ny Galatiana3:2 manao hoe:Izao ihany no tiako holazainareo amiko: moa ny asan’ny lalànava no nandraisanareo ny Fanahy [novonjena va ianao] sa nyfitoriana ny finoana?Tadidio fa ny finoana dia asa. Saingy iza no nanao ny asarehetra mba hamonjena antsika? Jesosy no nanao ny asa rehetra.Tena nahatoky tanteraka Izy tamin’ny didin’Andriamanitrarehetra ka nitondra famonjena ho antsika. Araka izany, afakavoaboasantsika toy izao ny ao amin’ny Galatiana 3:2 hoe: “Moany asan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitorianany finoana (ny asa izay nataon’i Jesosy mba hamonjena antsika)?”Izany no antony mahatonga ny anarany hoe Mahatoky(Apokalypsy 19:11). Izy no tena ivon’ny asan’ny finoana.Milaza ny ao amin’ny Galatiana 2:16 manao hoe:Nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalànany olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’iJesosy Kristy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’iKristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofohohamarinina amin’ny asan’ny lalàna.Tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona faamin’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Nahatoky Izy tamin’nyfanaovana ny asa rehetra notakiana ho famonjena antsika.Matetika, mety takatsika moramora kokoa ireo andininyizay misy ny teny hoe “finoana” rehefa solointsika amin’ny tenyhoe “Kristy,” izay antsoina hoe “Mahatoky.” Araka izany, aoamin’ny Efesiana 2:8 dia afaka takarina hoe: “Fa fahasoavana nonamonjena anareo amin’ny finoana (Kristy).” Sy ny Galatiana 3:11hoe: “Fa ny marina amin’ny finoana (Kristy) no ho velona.” Arytoy izao no mety ahatakarana ny Galatiana 3:2 hoe: “Moa nyasan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitorianany finoana (na ny fitoriana an’i Kristy, ilayTenin’Andriamanitra)?”40


Ny asa fanasiana tombo-kase dia asan’AndriamanitramandrakarivaTsara marihina fa tena diso be tokoa ny fampianaranaBaiboly ataon’ireo teolojiana sy ireo fiangonana izay mampianatrafa ny batisan’ny rano no manisy tombo-kase ny olona iray amin’nyfanekem-pihavanana na amin’ny fahamarinana.Aorin’izy ireo amin’ny Romana 4:11 ity tsoakevitra disoity ka mivaky toy izao izany:Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombokasen’nyfahamarinana amin’ny finoana izay nananany fonyizy tsy mbola voafora, mba ho rain’ny olona rehetra izay minoizy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ireny nyfahamarinana:Ny asa fanasiana tombo-kase dia asa ofisialy sy ara-dalànaizay Andriamanitra irery ihany no afaka manao azy. Ohatra,Andriamanitra dia manoritsoritra ny famonjena ny iray amin’ireoolom-boafidiny ao amin’ny Efesiana 1:13, izay mivaky toy izao:Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana,dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koaianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny FanahyMasina araka ny teny fikasana,Eto amin’ity andininy ity, Andriamanitra dia manoro fanaheno ny Tenin’Andriamanitra izy ireo (ny finoana dia azo avyamin’ny fihainoana) ka nanomboka natoky ny Baiboly sy nino(Jona 3:5), ary satria olom-boafidin’Andriamanitra izy ireo aryefa nanonitra ny fahotan’izy ireo Andriamanitra, noho izany,nanisy tombo-kase azy ireo Andriamanitra tamin’ny fanomezanaazy ireo ny Fanahy Masina, izay antoka fa novonjen’Andriamanitraizy ireo. Araka izany, Andriamanitra dia mampianatra antsika fany fanasiana tombo-kase dia mitovy amin’ny asaanomezan’Andriamanitra fanahy vaovao ny olona iray.Noho izany, toy izao no tokony ahatakarantsika nyampianarin’ny ao amin’ny Romana 4:11:Ary ny famorana, izay famantarana [fahagagana] ny famorana[famorana ara-panahy izay famonjena (Deotoronomia 30:6],tombo-kasen’ny [antoky ny] fahamarinana amin’ny finoana[Kristy] izay nananany fony izy tsy mbola voafora [famoranaara-batana]. . .41


Amin’ny alalan’ity fahatakarana ity dia fantatsika famifanaraka amin’ny zava-drehetra ampianarin’ny Baibolymikasika ny famonjena izany.Mahalana vao tsy maintsy ahitsy ny dikantenyAmin’ny ankapobeny, afaka matoky isika fa ny mpandikateny izay nanao ny Baibolin’i Jakoba Mpanjaka (King James Bible),izay azo itokisana indrindra amin’ny dikanteny rehetra, dia nanaoasa marina tamin’ny fandikanteny avy amin’ny teny Hebreo syGrika tany am-piandohana mankamin’ny teny Anglisy. Kanefa,tsy nahazo tsindrimandry avy amin’Andriamanitra izy ireo toyireo lehilahy masin’Andriamanitra, ireo mpanoratra izaynanoratra ny Baiboly tany am-piandohana avy tamin’nyvavan’Andriamanitra, ka noho izany, mety hanao fahadisoanasasantsasany ny mpandika teny. Ary rehefa mianatra amimpahamalinanany andininy sasantsasany izay mahakasika nyfahalasan-ko voavonjy isika dia hitantsika fa tsy maintsy ahitsytokoa ny dikanteniny. Tadidio fa ny dikanteny no tsy maintsyahitsy fa tsy ny Hebreo na Grika tany am-piandohana na ovianana oviana.Raha ny marina, noho ny fanirintsika hampifanarakaamim-pahamalinana ny Soratra Masina rehetra dia tsy voadinikany tena olana lehibe momba ny dikantenin’ny Baiboly. Matetika,ireo mpandika tenin’ny Baiboly, tena marina mihitsy izanyindrindra indrindra ho an’ireo mpandika tenin’ny Baibolin’iJakoba Mpanjaka, dia niezaka marina tokoa mba hanaja arakaizay azo atao ny teny Hebreo tany am-piandohana tao amin’nyTestamenta Taloha sy ny teny Grika tany am-piandohana taoamin’ny Testamenta Vaovao.Kanefa, misy andininy sasantsasany ao amin’ny Baibolyizay toa mifanaraka tsara amin’ny fomba nandikana azy ireo,saingy raha ny marina, lozabe no naterak’izy ireny raha nyhafatr’Andriamanitra ny amin’ny famonjena no asian-dresaka.Izy ireny dia mahakasika ny fomba ifandraisan’ny fahalasan-kovoavonjy amin’ny finoana. Jereo kely azafady ny fifanarahanaizay misy eo amin’ireto andininy manaraka ireto.Genesisy15:6: Ary nino an’i JEHOVAH izy; ka dia nisainy hofahamarinany izany.Romana 4:3: Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahamanino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany.42


Romana 4:9: Koa izany fahasambarana izany moa an’ny voaforaihany va, sa an’ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoanano nisaina ho fahamarinan’i Abrahama.Galatiana 3:6: Dia tahaka an’i Abrahama nino an’Andriamanitra,ka dia nasaina ho fahamarinany izany.Toa mampianatra tsy am-pihambahambana ireo andininyireo fa ny famonjena dia ho tonga amin’ny olona noho nyfinoan’izany olona izany an’i Jesosy izay Mpamonjy azy ireo. Izanytsoakevitra izany no fototry ny fampianarana izay ampianarinaho toy ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra ao amin’ny saikaankamaroan’ny fiangonana sy ny antokom-pivavahana tsirairayavy.Isaky ny mankatò ny didin’ny Baiboly isika, ao anatin’izany ny didy hinoana an’i Kristy, dia asa ataontsika izany.Saingy tsoakevitra tsy mitombina izany. Ny finoana an’iKristy dia asa izay ataontsika. Tadidio fa isaky ny mankatò nydidin’ny Baiboly isika, ao anatin’izany ny didy hinoana an’i Kristy,dia asa ataontsika izany. Ary araka izay nianarantsika, nataon’iKristy avokoa ny asa rehetra hamonjena ny olona iray. Nohoizany, tsy misy asa afaka ataontsika ka hiteraka na hanampyamin’ny fahazoana famonjena. Ny hoe mino dia manam-pinoana,ary ny Baiboly dia milaza mazava tsara fa ny finoana dia asa.Mamaky isika ao amin’ny 1 Tesaloniana 1:3 hoe:Sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoanasy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareoamin’ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eoimason’Andriamanitra Raintsika;Ary mamaky isika ao amin’ny 2 Tesaloniana 1:11 hoe:Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mbahataon’Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo,ary hotanterahiny amin’ny hery ny fankasitrahana tsara rehetrasy ny asan’ny finoana:43


Ny tsoakevitra hoe ny finoana an’i Kristy fotsiny dia hitarikafamonjena dia tsy azo heverina mihitsy.Araka izany, ny tsoakevitra hoe ny finoana an’i Kristyfotsiny dia hitarika famonjena dia tsy azo heverina mihitsy.Indrisy anefa, ilay fampianarana hoe hanampy amin’ny famonjenaantsika ny finoana dia mametraka drafitry ny famonjena izaymitovy amin’ny asan’ilay lehilahy ao amin’ny Nomery 15 izaynaka kitay tamin’ny andro Sabata, ka noho izany, notorahambatoho faty izy noho ny didin’Andriamanitra. Tadidio fa nySabata andro fahafito izay tsy tokony hiasàna, dia kisarisarin’ilayfitsipika hoe tsy tokony hieritreritra isika, na dia fotoana vitsymonja aza, fa afaka manampy amin’ny fahalasanantsika hovoavonjy ny asa rehetra izay ataontsika.Hitantsika avy hatrany ny loza izay mihombo ao anatin’nyankamaroan’ny fiangonana tsirairay avy. Mampianatra drafitryny famonjena iray izy ireo izay mametraka ny olona tsirairayizay mihevitra fa lasa voavonjy izy satria nanomboka nino an’iKristy mitovy tsy misy valaka an’ilay lehilahy izay naka kitaytamin’ny andro Sabata. Mbola eo ambanin’nyfahatezeran’Andriamanitra izany olona izany. Tena mahatahotrany fivoaran’izany toe-javatra izany!Ahoana ary izany no tokony nandikana ireo andininy ireo?Hojerentsika tsirairay avy izy ireo ka tokony tsaroana fa nyfinoana dia asa.Moa ve nino an’Andriamanitra i Abrahama ka lasa voavonjy?Voalohany, hojerentsika ny ao amin’ny Genesisy 15:6. Aoamin’ny Baibolin’i Jakoba Mpanjaka dia toy izao manaraka izaony dikanteny:Ary nino an’i JEHOVAH izy; ka dia nisainy ho fahamarinanyizany.Toa manome toky antsika ity andininy ity fa ny finoan’iAbrahama dia noraisina na nisaina ho fahamarinana, izany hoenoho izy nino dia novonjen’Andriamanitra izy.44


Ny finoana dia asa ataontsika, ary ny asantsika dia tsy afakaho anjara biriky amin’ny famonjena antsika na oviana na oviana.Saingy araka ny zavatra nianarantsika dia tsy azo heverinamihitsy izany tsoakevitra izany satria ny finoana dia asaataontsika, ary ny asantsika dia tsy afaka ho anjara biriky amin’nyfamonjena antsika na oviana na oviana. Ny lohahevitra izaynahitàna ity andininy ity dia milaza amintsika fa ny finoan’iAbrahama dia finoan’ny olona iray izay lasa voavonjy. Tsy maintsytsaroantsika fa rehefa mamonjy antsika Andriamanitra dia hanaoasa tsara isika, saingy tsy hanampy antsika velively ho lasavoavonjy ireny asa tsara ireny ka ao anatin’izany ny finoana.Vokatry ny fahalasan-ko voavonjy mandrakariva izy ireny.Tokony fantatsika fa amin’ny teny Hebreo, ilay tenympampitohy hoe “ka” dia indraindray adika ihany koa hoe“satria.” Noho izany, eto amin’ity andininy ity, ny tenympampitohy “ary” dia tokony nadika hoe “satria.”Ny olana faharoa dia ny fahatakarana ilay tena mpisoloanarana hoe “izany”. Marina tokoa ny fandikana ilay teny mpisoloanarana hoe “izany”, saingy misolo ny anaran’iza moa izy io?Moa ve misolo ilay anarana hoe finoan’i Abrahama ilay tenympisolo anarana hoe “izany”? Tsy azo heverina mihitsy izanynoho ny antony roa lehibe. Voalohany, ny finoan’i Abrahama diatsy azo nisaina ho fahamarinana na oviana na oviana.Ny antony lehibe faharoa dia hoe ao anatin’ity lohahevitraity, ilay teny mpisolo anarana hoe “izany” dia teny feminina rahaaraka ny fitsipi-pitenenana. Izany hoe entina anondroana anaranairay izay manambara sokajy feminina araka ny fitsipi-pitenenanaizany. Ny anarana hoe “finoana” dia anarana maskolina. Koa,raha araka ny fitsipi-pitenenana dia tsy afaka entina anondroanany finoan’i Abrahama ilay teny mpisolo anarana.Eo amin’ny lafiny iray koa, ny teny hoe “fahamarinana”dia anarana feminina, ary mifanaraka tsara ao amin’ity andininyity izany. Noho izany, toy izao manaraka izao no tokonyhahatakarantsika ny Genesisy 15:6:Ary nino an’i JEHOVAH izy [Abrahama]; satria [fa tsy “ka”] nanisaizany [ny fahamarinan’Andriamanitra] ho fahamarinany [nyfamonjena an’i Abrahama] Izy [Andriamanitra].45


Mitovy tsy misy valaka amin’izay, toy izao ny dikantenin’nyBaibolin’i Jakoba Mpanjaka ao amin’ny Romana 4:3, syGalatiana 3:6 ary Jakoba 2:23: “ Ary Abrahama ninoan’Andriamanitra, ka dia nisaina [noraisina] ho fahamarinanyizany.” Araka ny nandikana azy, ireo andininy ireo dia toamampianatra fa ny finoan’i Abrahama no antony na fomba nafitaovana izay nentin’Andriamanitra namonjena azy. Saingy arakany efa naverimberintsika ombieny ombieny dia tsy azo heverinavelively izany. Noho izany, tsy maintsy maka antoka tsara isikafa nadika araka ny tokony ho izy ireo andininy ireo.Misy teny roa ao amin’ilay dikanteny izay tokony ahitsymba hampifanaraka ilay andininy amin’ny fitsipika ara-Baibolyhoe nanao ny asa rehetra amin’ny famonjena Andriamanitra.Averina eto ihany fa ny teny voalohany izay tokony hovaina diailay teny mpampitohy hoe “ka”. Tokony nadika tamin’ilay tenyhoe “satria” izy io. Tahaka ny amin’ny teny Hebreo, ilay tenyGrika izay nadika hoe “ka” dia indraindray nadika ihany koahoe “satria”.Ny teny faharoa izay mila ahitsy dia ilay mpisolo anaranaizay nadika hoe “izany”. Araka ny fitsipi-pitenenana dia tenympisolo anarana fahatelo milaza tokana izy io. Ao amin’itylohahevitra ity, ny teny hoe “izany” dia tokony nadika tamin’ilaympisolo anarana hoe “izy”. Araka izany, raha averina indray diatokony nadika toy izao ny Romana 4:3, Galatiana 3:6, ary nyJakoba 2:23: “Abrahama dia nino an’Andriamanitra (lasa voavonjyizy), satria nanisa azy (Abrahama) ho fahamarinana (famonjenaan’i Abrahama) Izy (Andriamanitra).”Rehefa mino an’i Kristy isika dia mety hamonjy antsika IzyAnkehitriny rehefa avy nianatra isika fa ny asa rehetraamin’ny famonjena dia novitain’i Jesosy Mpamonjy antsika avokoaary tsy tokony hino mihitsy isika fa ny asa izay ataontsika diaafaka ho fandraisana anjara kely amin’ny famonjena antsika diatsara kokoa raha ezahantsika takarina ny andininy sasantsasanyizay toa mampianatra ny mifanohitra amin’izany.Ohatra, ao amin’ny Galatiana 2:16, Andriamanitra diamilaza hoe:Nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalànany olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’iKristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’iKristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofohohamarinina amin’ny asan’ny lalàna.46


Ny tapany voalohany amin’ity andininy ity dia mazavatsara ihany. Tsy voavonjy amin’ny fankatoavana ny didin’nyBaiboly isika (izany hoe, amin’ny fitandremana ny lalàna), faamin’ny alalan’ny finoana (ny asan’ny finoana) hoe namonjy nyolom-boafidiny i Jesosy.Saingy ny tapany faharoa amin’ity andininy ity kosa diasomary mety manahirana ny mahazo azy. Toa mampianatra izanyfa raha mino an’i Kristy isika dia hohamarinin’Andriamanitra(hamonjy) isika avy eo. Ity tsy fahazoana ity dia mety hitrangana dia mamerimberina aza Andriamanitra ao amin’ny tapanyfarany amin’ity andininy ity hoe “tsy misy nofo hohamarininaamin’ny asan’ny lalàna.” Ary ny finoana dia asan’ny lalàna.Satria ny finoana dia asan’ny lalàna, ahoana ary izany notokony hahatakarantsika ny hoe “nino an’i Jesosy Kristy isikamba hohamarinina”? Araka ny fitsipi-pitenenana Grika, ny tenyhoe “hohamarinina” dia matoanteny mandray izay manambarafaniriana na vina. Amin’ny teny Grika, ny matoanteny izaymanambara faniriana na vina dia afaka ampiasaina toy nyfampiasa azy amin’ny teny Anglisy. Manoro fikasana izany aryavo dia avo tokoa ny vina mety hisehoan’izany. Maro ireomatoanteny manambara faniriana na vina ao amin’ny BaibolyGrika no nampiasaina tahaka izany.Kanefa, amin’ny teny Grika dia ampiasaina koa izy ireomba hanoroana fikasana na didy. Ohatra, amin’ny ankapobeny,ity karazana matoanteny ity dia nampiasaina tao amin’nyTestamenta Vaovao mba hanoroana fa efa tanteraka nyfaminaniana tao amin’ny Testamenta Taloha. Araka izany,mamaky isika hoe “mba hahatanteraka” ny Soratra Masina (Matio4:14, 8:17, 12:17). Ny matoanteny hoe “mba hahatanteraka” diamatoanteny manambara faniriana na vina. Amin’ireo ohatra ireo,tsy milaza fisalasalana na tsy fahazoana antoka velively ilayfampiasana ny matoanteny manambara faniriana na vina. Efatanteraka ilay faminaniana.Rehefa miverina ao amin’ny Galatiana 2:16 isika diafantatsika fa noho ny finoana izay asa ataontsika dia tsy afakamanome antoka ny famonjena na oviana na oviana ny finoantsika.Ny finoantsika dia mety hahatonga antsika hiezaka hankatò nydidin’ny Baiboly mba ho lasa voavonjy, mba hivavaka, mbahibebaka, sns... saingy fantatsika fa ny famonjena antsika diamiankina tanteraka amin’Andriamanitra sy amin’ny hoe nifidyantsika sy nanonitra ny fahotantsika Izy.47


Ny famonjena antsika dia miankina tanterakaamin’Andriamanitra sy amin’ny hoe nifidy antsika sy nanonitra nyfahotantsika Izy.Noho izany, azo atao ny manakatra ilay matoantenymanambara faniriana na vina hoe “hohamarinina” mba hidikahoe zavatra mety azo heverina ny fanamarinana (famonjena),saingy tsy antoka velively izany ho an’ireo izay manao ny asan’nyfinoana Azy. Ny Ninevita ao amin’ny Jona 3 dia nino marina fahandringana azy ireo Andriamanitra ao anatin’ny 40 andro. Nohoizany, nankatò ny didin’Andriamanitra mba hibebaka izy ireo(Jona 3:8-10). Saingy tsy tsapany sy tsy fantany tanteraka nahamindra fo amin’izy ireo Andriamanitra na tsia. Angamba, metyhanavotra azy ireo Andriamanitra. <strong>Me</strong>ty azo atao ny mihevitrafa ho voavonjy amin’ny fandringanana izy ireo. Araka izany, nyGalatiana 2:16 dia mampianatra fa raha mino nylalàn’Andriamanitra isika, izany hoe ny olona tsy voavonjy diamety azo heverina ny hamonjen’Andriamanitra ny sasanyamintsika.Tadidio fa ity fahamarinana ity ihany izay manambara fatsy misy afaka mahalala na anisan’ny olom-boafidin’Andriamanitraizy na tsia raha tsy aorian’ny nahalasanany ho voavonjy, diaamafisina ao amin’ny Joela 2:13-14:Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverenaamin’i JEHOVAH Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantraIzy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’nyloza. Fandrao mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana aoaoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an’iJEHOVAH Andriamanitrare?hoe:Namafisina ihany koa izany ao amin’ny Zefania 2:3 manaoMitadiava an’i JEHOVAH, ianareo mpandefitra rehetra amin’nytany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: tadiavo ny fahamarinana,tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina ianareo amin’nyandro fahatezeran’i JEHOVAH.Tsara marihina fa ao amin’ireo andalana toy ny ao amin’ny2 Korintiana 2:4 sy ny 2 Korintiana 11:7, Andriamanitra dia48


mampiasa ny matoanteny manambara faniriana na vina izay, rahaaraka ny fitsipi-pitenenana dia narafitra mitovy amin’nymatoanteny hoe “hohamarinina” ao amin’ny Galatiana 2:16. Aoamin’ny 2 Korintiana 2:4, ny matoanteny dia nadika hoe“hampalahelovana” ary ny ao amin’ny 2 Korintiana 11:7, ilaymatoanteny dia nadika hoe “hisandratana.” Eto amin’iretoandininy roa ireto, ny lohahevitra dia manoro fa ny matoantenyizay ampiasana dia milaza zavatra mety hiseho fa tsy zavatratena azo antoka.Fifanjevoana amin’ny fahazoana ny teny hoe “mino”Ny lesona iray lehibe izay ianarantsika dia hoe tsynataon’Andriamanitra moramora velively ny fahatakarana nyfandaharam-pamonjeny. Nametraka ny matoanteny hoe “mino”sy ny anarana hoe “finoana” Andriamanitra ao amin’ny andininymaro, ka amin’ny alalan’ny fanarahana ny fitsipik’Andriamanitrahoe mampitaha Soratra Masina amina Soratra Masina sy amin’nyalalan’ny fikatsahana ny fahendrena avy amin’Andriamanitraihany vao afaka manomboka mampifanaraka ireny andininymanahirana ireny isika.Tsy nataon’Andriamanitra moramora velively nyfahatakarana ny fandaharam-pamonjeny.Ireto misy fitsipika sasantsasany izay miavaka indrindramikasika ny finoana.1. Ny matoanteny hoe “mino” sy ny anarana hoe“finoana” dia tsy maintsy ekena ho asa izay atao. Nyantony mahatonga izany dia satria nataon’i Kristyavokoa ny asa rehetra notakiana mba hamonjena ireoolom-boafidy ary satria ny anarany dia atao hoe“Mahatoky” (Apokalypsy 19:11). Izy no tena ivon’nyasan’ny finoana.2. Rehefa mino ny olona iray, na manao ahoana na manaoahoana izany, ny finoany dia asa izay ataony izay tsyafaka ho ampahany amin’ny asa takiana amin’nyfamonjena azy na oviana na oviana. Rehefa mino izydia mety noho ny fieritreretany no nahatonga azy mino49


na mety Andriamanitra no miasa ao aminy. Kanefa,tsy misy fomba izay ahafahany mahafantatra hoe metyinona amin’ireo zavatra ireo no marina satria raha tsyefa lasa voavonjy izy dia ratsy izaitsizy ny fony, katsy afaka mino amin’ny fony manontolo izy.3. Rehefa mino ny olona iray aorian’ny famonjena azy,izany koa dia asa izay ataony. Kanefa, ho avy amin’nyfony manontolo ny finoany satria amin’ny fotoana izaynamonjen’Andriamanitra azy dia nomena fo vaovaoizy. Ny finoana amin’ny fony manontolo (lasavoavonjy) dia midika fa ny famonjena azy dia hovitaina tanteraka amin’ny faran’izao tontolo izaorehefa omena vatana ara-panahy izay nitsanganatamin’ny maty mandrakizay izy. Ny anton’izay diasatria ny asa nataon’i Kristy mba hamonjena antsikadia tanteraka ary manome antoka ny famonjena nymaha-olona antsika iray manontolo. Noho izany, nyfampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “mino” sy ny hoe“finoana”, raha ampiharina amin’ny asan’ny olona, diatsy afaka ampifandraisina na oviana na oviana amin’nyfomba na làlana na fitaovana izay ahafahantsikamanomboka na manampy amin’ny fahalasanantsikaho voavonjy.4. Izay fandaharam-pamonjena tsy manaraka ireofitsipika ireo dia hametraka marina ny olona izaymiezaka hanaraka izany fandaharam-pamonjena izanyho eo amin’ny toerana mitovy aminny an’ilay lehilahyizay naka kitay tamin’ny andro Sabata (Nomery 15).Hohelohina ho faty izy. Ny hany fomba hialanaamin’izany fiafarana mahatsiravin’ny fiainany izanydia ny fialana amin’ny fandaharam-pamonjenaataon’olombelona ka miandry an’Andriamanitrahanao ny asa rehetra mba hamonjena azy, raha tehamonjyazy tokoa Andriamanitra.Tonga tahaka ny anjelin’ny mazava i SatanaAnkehitriny isika rehefa avy nianatra avy ao amin’nyBaiboly ny voka-dratsin’ny fatokisana ny fandaharam-pamonjenarehetra ankoatra ny drafitry ny famonjena omen’ny Baiboly ihanydia tokony ho malina tsara amin’izay olona mampianatra antsika.50


Io ilay sehatra izay ahafahan’i Satana ho tonga tahaka ny anjelin’nymazava sy ahafahan’ny mpanompony ho tahaka nympanompon’ny fahamarinana (2 Korintiana 11:13-15).Maro ny mpitory teny sy evanjelista izay hajaina fatratranoho ny fahatokian’izy ireo ny Baiboly. Tena deraina fatratratokoa izy ireo. Manan-daza tsara izy ireo amin’ny mahampanompon’Andriamanitraazy ireo. Mampianatra izy ireo fa nyBaiboly dia Tenin’Andriamanitra tsisy diso. Ny toritenin’izy ireodia nalaina avy ao amin’ny Baiboly mihitsy. Avy eo, hoy izy ireomikasika ny maha-zava-dehibe ny famonjena sy ny fitahiana azoavy amin’ny famonjena hoe: “Ianao io koa dia afaka hovonjenaandroany. Minoa an’i Jesosy ilay Zanak’Andriamanitra ka ekeoho Mpamonjy anao Izy”. Toy ny famporisihana feno fitiavana syfeno fikasana tsara no ilazany ireo zavatra ireo. Toa misy porofomaro isan-karazany fa tena mpanompon’Andriamanitra marinaizy ireo. Moa tsy mitory amin’ny anaran’Andriamanitra avyamin’ny Baiboly ve izy ireo?Voafitaka izy ireo tamin’ny fanarahana fandaharam-pamonjenairay izay azo antoka fa handringana azy ireo.Ary ny fandaharam-pamonjena izay atolony dia toamahafinaritra ery satria mieritreritra ny olona hoe “Izaho koa,izao, dia afaka mahalala fa voavela ny fahotako, ka ho voaromandrakizay ao amin’i Kristy aho”. Koa, ireo rehetra izay matokyireny mpampianatra Baiboly ireny ka manaraka ny làlan-kizoranydia lasa resy lahatra fa voaro mandrakizay ao amin’i Kristy izyireo. Voafitaka izy ireo tamin’ny fanarahana fandaharampamonjenairay izay azo antoka fa handringana azy ireo. Voafitakaizy ireo tamin’ny finoana ny filazantsara diso. Ary indrisy fatahaka ilay lehilahy naka kitay tamin’ny andro Sabata izy ireo.Ao amin’ny 2 Korintiana 11:14, Andriamanitra diamampitandrina fa tonga tahaka ny anjelin’ny (iraka) mazava iSatana. I Kristy no tena iraky ny mazava. Saingy toa tena mitovyamin’i Kristy mihitsy i Satana amin’ny alalan’ny mpanompon’nyfahamarinany. Mpanompon’i Kristy sandoka sy Kristy mpakatahaka izy ireny. Mino marina izy ireo fa manompo an’i Kristy,saingy raha ny marina, i Satana, ilay antikristy no tompony.Ireny karazana toriteny ireny, izay matetika mampiavakaireo mpampianatra Baiboly fanta-daza maro dia afaka hita naaiza na aiza. Fa na ahoana na ahoana dia misy fandikana51


miharihary ilay lalàna hoe nataon’i Kristy avokoa ny asa rehetraizay notakiana mba hamonjena ny olona iray, ary hatry nytalohan’ny nahaterahan’ny olona iray dia nanonitra ny fahotanyrehetra i Kristy. Izany tokoa no ampianarin’ny Baiboly, ary ilainany hihainoantsika ny Baiboly iray manontolo ka hahatsapantsikafa tsy maintsy ho an’i Kristy ny voninahitra rehetra amin’nyfamonjena antsika fa tsy ho antsika velively.Ireny mpitory teny sy evanjelista ireny dia mino marinatokoa fa mahay sy mpanompo mahatokin’i Kristy izy ireo. Saingyraha ny marina dia “mpanompon’ny fahamarinan’i” Satana izyireo (2 Korintiana 11:15). Tonga amin’ny anaran’i Jesosy Kristyizy ireo, saingy raha ny marina dia mpanompon’i Satana izaytonga tahaka ny anjelin’ny mazava izy ireo (2 Korintiana 11:14).Ao anatin’izay drafitry ny famonjena ataon’olombelona izay diamitondra lainga makadiry izy ireo satria Satana, ilay rain’ny laingano tompony (Jaona 8:44). Mahatsiravina tokoa izany! Eritreretoange ireo hava-malala rehetra izay mihaino sy mino azy ireo, aryrehefa manaiky ireny lainga ireny ho toy ny fahamarinana izyireo dia tafahitsoka ao amin’ny làlana izay tsy misy antenainaintsony.Ka noho izany, mariho tsara ity azafady, fa tena zavadehibetokoa. Nandritra ny taona maro dia mety nino ianao favoavonjy satria nampianarina ianao fa raha “manaiky” an’i Jesosyho Mpamonjy anao ianao, dia voavonjy. Angamba, mety nanompotahaka ny mpikambana mafana fo ao amin’ny fiangonanao ianao,ka noho izany, nandritra ny taona maro dia resy lahatra fa voaroteo an-tsandrin’i Jesosy ianao.Nefa amin’izao, diso fanantenana tanteraka ianao rehefamahita fa mitovy amin’ny an’ilay lehilahy izay naka kitay tamin’nyandro Sabata ny toerana misy anao. Mbola eo ambanin’nyfahatezeran’Andriamanitra ianao ka miandry ny fotoanahandringanana anao. Ary tena ratsy kokoa aza izany raha toa kampampianatra Baiboly sy nampianatra olona maro ianao arynamandrika azy ireo tao anatin’ilay fandaharam-pamonjenaataonao ihany ka nitondra azy ireo any amin’ny fandringananaazy ireo.Ka noho izany, toa tsy hiala aminao ireto fanontanianamanaraka ireto: “<strong>Me</strong>ty hisy fanantenana ho ahy ve? <strong>Me</strong>ty hamelany fahotako rehetra ve Andriamanitra ka hamonjy ahy koa Izy?”Ny valiny avy ao amin’ny Baiboly dia hoe tonga ho an’ny mpanotai Kristy. Manana fanantenana betsaka tahaka ny olona hafa tsyvoavonjy rehetra ianao. Ianao io koa dia tokony hibebaka amin’nyfahotan’ny fanarahana filazantsara diso, ka hivavaka sy hanantena52


fa angamba, mety nifidy anao ho amin’ny famonjenaAndriamanitra noho ny famindram-pony lehibe.Ny mahagaga dia saika hita ao amin’ny antokompivavahanatsirairay ireny fandaharam-pamonjena ataonao ihanyireny. Ahoana no mahatonga izany? Ny olana dia tsy mampiasany Baiboly iray manontolo ireny fiangonana ireny, ka tsymanaraka amim-pahamalinana ny torolalan’ny Baiboly amin’nyfampitahana Soratra Masina amina Soratra Masina. Ary koa, tsytakany fa ny Baiboly dia nosoratana tamin’ny fitenin’ny tany,saingy tsy afaka takatsika ny hafatra lehibe izay entin’ny Baibolymandra-pahitantsika ny fampianarana ara-panahy izay nomenaao anatin’ireny fanambarana ara-tantara tety an-tany ireny. Rahalazaina amin’ny teny hafa dia hoe manana fitsipika ara-pitsipipitenenanadiso izy ireo, izany hoe diso ny fomba fandikana nyBaiboly (Marka 4:33-34). Kanefa, misy antony iray hafa izaymahatonga ireny filazantsara diso sy fandaharam-pamonjena tsyara-Baiboly ireny miparitaka ao amin’ny fiangonana maro.Afaka nijanona ho madio ve ireo fiangonana?Ny antokom-pivavahana tsirairay avy dia latsaka taoanatin’ny fandrika, ary izany no zava-nitranga. Ny mpitarika arapanahin’ireoantokom-pivavahana dia mety nanana faniriana tsaramba hitazomana ny fiangonana hadio araka izay azo atao, kaaraka izany, ny hany tianizy ireo ho mpikambana ao amin’nyfiangonany dia ireo olona tena voavonjy marina ihany. Hofanampiana azy ireo amin’ity ezaka ity, ny fiangonana na nyantokom-pivavahana tsirairay avy dia nametraka rafitra na fombana drafitra iray izay antenainy hahatrarana ity tanjona ity. Nyrafitra na ny drafitra apetrany dia mety zavatra tsotra toy nyfitakiana ny hanaovan’ireo maniry ho tonga mpikambanafanekem-pinoana na fiekena fa nino an’i Kristy ho Mpamonjinyizy. Kanefa, amin’ny ankapobeny, ireo mpitarika fiangonanaihany koa dia nitaky ny hanaovana batisa amin’ny rano ilay olonasy ny hianianany fa hanaraka amim-pahatokiana ny fampianaranarehetra ao amin’izany fiangonana izany izy amin’ny mahampikambanaazy ao.Raha ny marina, ny fametrahany rafitra iray na fomba fanaoiray izay nolazainy fa tsy maintsy arahina mba ahazoana marina nyfamonjena dia mitondra vokatra mifanohitra amin’izany53


Indrisy nefa, ny rafitra na ny fomba izay arahan’ireo fiangonanadia tsy misy fitsipika ara-Baiboly fototra, izany hoe, rehefamankatò ny didin’Andriamanitra isika ka mino fa ny fankatoavanadia hanampy amin’ny famonjena antsika, dia tahaka ilay lehilahyizay naka kitay tamin’ny andro Sabata isika (Nomery 15). Mbolaeo ambanin’ny fahatezeran’Andriamanitra isika. Araka izany,raha ny marina, ny fametrahany rafitra iray na fomba fanao irayizay nolazainy fa tsy maintsy arahina mba ahazoana marina nyfamonjena dia mitondra vokatra mifanohitra amin’izany. Mitazonany olona ao amin’ny toetran’ny tsy voavonjy izany.Ity toe-javatra mahonena ity dia manazava ny hoeamin’izao androntsika izao, ao amin’ny saika ankamaroan’nyfiangonana rehetra, ny ankabeazan’ny olona dia tsy mihaino ilayfampitandremana hoe i Satana izao no manapaka ao amin’ireofiangonana ka tokony handositra azy ireny izy ireo mba tsyhanompo eo amin’ny lafiny ara-panahy an’i Satana ao. Ary izyireo dia tsy mihaino ilay fampitandremana hoe efa mby akaikin’nyfarany izao tontolo. (Raha tianao ny hahalala bebe kokoa nymomba ireo resaka ireo dia azonao atao ny manoratra na miantsony <strong>Family</strong> <strong>Radio</strong> ka mangataka ireto boky maimaim-poana ireto:Efa mby akaikin’ny farany isika, Ho an’Andriamanitra anie nyvoninahitra, Time Has An End, The End of the Church Age and After,sy ny Wheat and Tares.)Na dia teo aza ny rafi-pamonjena tsy ara-Baiboly na nydrafitry ny famonjena izay iombonan’ireo fiangonana, dia nisyandian’olona vitsivitsy lasa voavonjy nandritra ny vanimpotoan’nyfiangonana. <strong>Me</strong>ty nanana fahatakarana kely dia kelytokoa na fahatakarana avo dia avo ireo fampianaran’izanyfiangonana izany izy ireo, saingy namonjy azy ireo Andriamanitrasatria voafidy tamin’ny famonjena izy ireo. Teo ambanin’nytoritenin’ny Baiboly izy ireo ka namonjy azy ireo Andriamanitra.Araka izany, nanana faniriana mafy lalandava ny ho mpankatòny fampianaran’ny Baiboly rehetra izy ireo. Izany no izy, eny fana dia kely dia kely aza ny fahalalany ny Baiboly.Tokony ampianarintsika fa ny olona tsy voavonjy diatokony hiezaka ny hankatò ny lalàn’Andriamanitra ka sadymanantena no mivavaka mba ahafahan’izy ireo koa ho ao anatin’nydrafitry ny famonjen’Andriamanitra.54


Tsy takatr’ireo fiangonana fa tsisy rafitra na drafitranataon’olombelona, eny fa na dia narahina tamim-pahazotoanaaza izany, ka afaka manome toky ny olona amin’ny fahazoanafamonjena. Ka tokony fampitandremana lehibe ho antsika ny tsyfahombiazan’izy ireo. Rehefa mitory ny Filazantsara amin’izaotontolo izao isika dia tsy tokony hanolotra drafitra nataon’olonana rafitra iray ka milaza fa raha arahina amin’ny antsakany syandavany io drafitra io dia ho azo antoka ny famonjena. Tokonyampianarintsika fa ny olona tsy voavonjy dia tokony hiezaka nyhankatò ny lalàn’Andriamanitra ka sady manantena no mivavakamba ahafahan’izy ireo koa ho ao anatin’ny drafitry nyfamonjen’Andriamanitra.Fiovana mahery vaikaAmin’izao, ny fanontaniana tsy maintsy apetraka dia hoe:Inona no fiantraikan’ny famonjena eo amin’ny fiainan’ny olonairay? Ary inona no dikan’ny hoe ateraka indray?Tadidio fa talohan’ny nahavoavonjy ny olona, eo amin’nymaha-olona azy iray manontolo dia nitovy tsy misy valakatamin’ny olona tsy voavonjy izay tsy ho lasa voavonjy na ovianana oviana izy. Teo amin’ny vatana sy teo amin’ny fanahy dianitsiriritra fahotana izy ka nikomy nanohitra an’Andriamanitra.Nefa amin’izao, rehefa voavonjy izy dia nomena fanahy vaovaonitsangana tamin’ny maty. Eo amin’izay lafiny iray amin’ny mahaolonaazy izay dia olom-baovao ao amin’i Kristy izy. Fony terakaizy dia zazakely nanana ny maha-izy azy izay misy vatana ombampanahy.Amin’ny fotoan’ny famonjena dia nateraka indray izy,izany hoe nomena fanahy vaovao. Zava-mahagaga izay tsy takatryny saintsika olombelona izany, ary tsy misy porofo ara-batanaizany fiovana izany.Kanefa, ny vokatr’ilay fiovana mahagaga teo amin’nyfanahiny dia afaka hita maso; izany hoe ny fanahy vaovao aoanatin’ny vatana tsy miovan’ny olona iray dia hisy fiantraikanylehibe eo amin’ny fiainany ka hanova ny fitondrantenany.Voaporofon’ny fanambaran’Andriamanitra ao amin’ny 1Jaona 3:9 izany, ka hoy Izy ao hoe:Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria nyvoany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satrianaterak’Andriamanitra.55


Mampianatra antsika Andriamanitra faamin’ny fotoan’ny famonjena dia fiovana lehibe no miseho eoamin’ny toetran’ny tsy voavonjy.Eto amin’ity andininy ity, Andriamanitra dia mampianatraantsika fa amin’ny fotoan’ny famonjena dia fiovana lehibe nomiseho eo amin’ny toetran’ny tsy voavonjy. Tsy afaka manotaizy ao anatin’ny fanahiny vaovao nitsangana tamin’ny maty. Satriany fahotana dia fandikana ny lalàn’Andriamanitra, noho izany,midika izany fa eo amin’ilay ampahany fanahy amin’ny mahaolonaazy dia tsy afaka manota izy. Midika izany fa eo amin’ilayampahany fanahy amin’ny maha-olona azy dia mitiaan’Andriamanitra sy ny lalàn’Andriamanitra izy. Midika izanyfa manana faniriana lehibe sy maharitra ny ho mpankatò ny didyrehetra ao amin’ny Baiboly izy. Midika izany fa miaraka amin’ilayfanahiny vaovao dia velona eo amin’ny lafiny ara-panahy izy izao.Satria Andriamanitra no nanao ny zava-drehetra mbahanatontosana ny famonjena azy (nifidy azy, nanonitra ny fahotanysy nanome azy fanahy vaovao nitsangana tamin’ny maty, ary ireorehetra ireo dia ilaina avokoa ho famonjena ny olom-boafidyrehetra), dia afaka matoky izany olona izany fa tsy afaka hanaryna oviana na oviana ny famonjena azy izy. I Kristy no ilay voaizay mitoetra ao aminy (Galatiana 3:16). Vantany vao lasavoavonjy izy dia manana fiarovana mandrakizay. Efanotanterahin’Andriamanitra avokoa ny zava-drehetra ilaina mbahanomezana azy fiainana mandrakizay. Noho izany, tsy afakahanary ny famonjena azy na oviana na oviana ny mpino marinairay. Milaza ny Baiboly fa tsy misy fahotana na zavatra hafa izayhahasaraka ny mpino marina amin’ny fitiavan’Andriamanitra(Romana 8:35-39).Miaina ao anatin’ny vatana tsy voavonjy ny olom-boavonjyNa dia manana fanahy vaovao aza ny mpino dia tsymaintsy mbola miaina ao anatin’ilay vatany taloha izay tsy novainavelively tamin’ny fotoan’ny famonjena azy ihany izy. Noho izany,lasa manana toetra anjakan’ny faniriana roa mifanohitra izy. Etsyandaniny, te-ho mpankatò mandrakariva ny lalàn’Andriamanitraizy, kanefa etsy ankilany kosa, mbola mitsiriritra fahotana izy.Manoritsorira ity toe-javatra hafahafa ity Andriamanitra rehefanilaza ny Apôstôly Paoly teo ambany fitaoman’ny Fanahy Masinaao amin’ny Romana 7:21-24 hoe:56


Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, diaato amiko ihany ny ratsy. Fa mankasitraka nylalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahitalalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’nylalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay aoamin’ny momba ny tenako. Indrisy! olo-mahantra aho! Iza nohanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?Ny ho afaka amin’ny vatantsika feno fahotana no fanirianasesilany ananan’ny mpino marina tsirairay avy. Kanefa, tsy ankijanonany fifandroritana misy ao anatin’ilay olom-boavonjy.Hisy ny fivoarana bebe kokoa mankany amin’ny fiainana fenofandresena ho an’ny olona izay nahazo fanahy vaovao nitsanganatamin’ny maty (2 Petera 3:18). Marina tokoa izany satria ankoatrany hoe nomena fanahy vaovao nitsangana tamin’ny maty izy, diatranga mahagaga iray hafa no niseho teo amin’ny toetran’izanyolona izany tamin’ny fotoan’ny famonjena, izany hoe nanombokanitoetra teo amin’ny fiainan’izany olona izany AndriamanitraFanahy Masina. Mamaky isika ao amin’ny Romana 8:9 fa raha tsymanana ny Fanahin’Andriamanitra isika dia “tsy Azy.”Tsy takatsika ny fomba ahafahan’Andriamanitra Tsitohamitoetra ao amin’ny fiainan’ny olom-boavonjy iray. Tsy maintsymiaiky isika fa zava-miafina tanteraka izany ho antsika. Kanefa,noho isika matoky tanteraka ny Baiboly dia fantatsika fa zavamisymarina izany. Zava-miafina kanefa marina izany. Nyfisian’Andriamanitra Izy Tenany ao anatin’ny fiainana sy nytoetran’ilay olom-boavonjy dia vao mainka mamporisika azyhankato an’Andriamanitra sy tsy haniry afa-tsy izayankasitrahan’Andriamanitra.Nesorina teo ambany vahoan’i Satana ny olom-boavonjyka lasa tompon-tany ao amin’ny fanjakan’i Kristy.Ary koa, nesorina teo ambany vahoan’i Satana ny olomboavonjyka lasa tompon-tany ao amin’ny fanjakan’i Kristy. Milazaamintsika ny momba izany Andriamanitra ao amin’ny Kolosiana1:12-13, izay mivaky toy izao:ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hananaanjara amin’ny lovan’ny olona masina eo amin’ny mazava, sadynahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindraantsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany.57


Mamaky isika ao amin’ny Filipiana 3:20 fa ny“fanjakantsika” izay tsara kokoa raha adika hoe “ny mahatompon-tany”antsika dia any an-danitra. Marina tokoa izany hoan’ny olona tsirairay izay lasa voavonjy.Ny fanirian’ny olom-boavonjyAmin’ny fotoan’ny famonjena dia zavatra maro no miasaeo amin’ny fiainan’ny mpino izay mahatonga fiovana lehibe syvoahevitra eo amin’ny fitondrantenany sy ny faniriany.Hahatakatra sy hanaraka ireo fanambarana toy izay hita aoamin’ny Salamo 119 sy ao amin’ny andalana hafa ao amin’nyBaiboly izy.Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ny teny soa hita aoamin’ny Salamo 119 izay mampiseho ny fitiavana sy ny fanajan’nympino marina ny Baiboly.Andininy faha-10: Tamin’ny foko rehetra no nitadiavako Anao;Aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.Andininy faha-11: Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mbatsy hanotako aminao.Andininy faha-16: Ny didinao no hiravoravoako: Tsyhohadinoiko ny teninao.Andininy faha-24: Ny teni-vavolombelonao koa nofiravoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.Andininy faha-47: Ary hiravoravo amin’ny didinao aho Satriatiako ireny.Andininy faha-77: Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba hovelona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.Andininy faha-97: Endrey ny fitiavako ny lalànao!Fisaintsainako mandrakariva izany.Ireo karazana fanambarana ireo dia afaka hita maneranany Baiboly iray manontolo. Izay rehetra tena lasa voavonjy marinadia hahatsapa bebe kokoa ireo faniriana sy famporisihana ireo eoamin’ny fiainany. Araka izany, hiaiky sy hanaraka ilayfahamarinana izay voalaza ao amin’ny 1 Jaona 2:3-5 izy, izaymivaky toy izao:58


Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia nyfitandremana ny didiny. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsymitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy aoanatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanterakaao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra izanyno ahafantarantsika fa ao aminy isika.Ny mpino marina dia mahalala fa ao anatin’nydidin’Andriamanitra ny Baiboly iray manontolo. Fantany ihanykoa ny fahatsapana ratsy izay ananany rehefa avelany manosikaazy hanota ny fanirian-dratsin’ny vatany. Tsapany ny zava-nanjoilay olo-marin’Andriamanitra, dia i Davida izany, izay latsakatao anatin’ny fahotana lehibe. Ary avy eo Davida, rehefa teoambany fitaoman’ny Fanahy Masina dia nandrakitra nyfanenenana vokatry ny fony, izay hitantsika ny momba azy aoamin’ny Salamo 51.Tahotra sy hovitraAnisan’ny lafiny iray mampiavaka ny toetran’ny olomboavonjymarina ny fiekeny ny fahamasinana sy nyfahamarinan’Andriamanitra, ary koa ny hoe Andriamanitra nompitsara marina an’izao tany rehetra izao. Milaza Andriamanitraao amin’ny Filipiana 2:12 hoe:. . . miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka nyfamonjena anareo.Ny famonjena izay natao “iasan’ny” mpino eo amin’nyfiainany dia ilay famonjena izay nomen’Andriamanitra azy.Kanefa, rehefa mitombo amin’ny fahasoavana izy (2 Petera 3:18),izany hoe rehefa miaina bebe kokoa ny voninahitr’Andriamanitrasy miala amin’ny fanarahana ny fanirian’ny vatany tsy voavonjyhanota izy dia manao izany amin’ny tahotra sy ny hovitra.<strong>Me</strong>ty toa tsy mifanaraka loatra amin’ilay fiarovana mahagaga izaynomena ilay olom-boavonjy ny hoe mbola matahotra sy mangovitra eoanatrehan’Andriamanitra.Tena filazana mahagaga tokoa izany satria metymanantena isika fa ny vokatry ny famonjena antsika dia hoe hiala59


avokoa ny fatahorana an’Andriamanitra rehetra. <strong>Me</strong>ty toa tsymifanaraka loatra amin’ilay fiarovana mahagaga izay nomena ilayolom-boavonjy ny hoe mbola matahotra sy mangovitra eoanatrehan’Andriamanitra. Ohatra, fantany fa noneran’i Kristyavokoa ny fahotany rehetra ary fantany koa fa tsy mampatahotraazy na oviana na oviana ny mety hisian’ny fandringananatanteraka.Tokony tsaroantsika nefa fa mitoetra ao amin’ny olomboavonjyny Fanahy Masina. Ary ny mpino marina dia nanombokanitia sy nanaja bebe kokoa ny zava-drehetra izay ampianarin’nyBaiboly. Noho izany, mianatra sy lasa mahafantatra bebe kokoany fahalehibeazan’Andriamanitra izy. Fantany fa Andriamanitrano ilay Andriamanitra Tsitoha izay niteny ka nampisy ity izaotontolo izao ity. Fantany fa Andriamanitra no ilay mpitsaramahery izay mahafantatra tanteraka ny fahotana faran’izay kelyindrindra ao anatin’ny olombelona. Fantany fa Andriamanitradia tena marina tokoa hany ka na dia ny fahotana faran’izay bitikaindrindra aza dia mitarika ny olona iray ho eo ambanin’nyfahatezeran’Andriamanitra. Mahalala tsara ny mpino marina fambola manota ihany ny tenany, eny fa na dia mankatò bebe kokoany lalàn’Andriamanitra aza izy amin’izao mihoatra noho nytalohan’ny nahavoavonjy azy. Fantany tsara koa fa raha tsy nohony famindram-po sy ny fahasoavan’Andriamanitra dia mendrikafandringanana izy.Etsy andaniny, noho ny fitiavany sy ny fatokisany mafyny Baiboly, ny mpino marina dia mahalala bebe kokoa fa voaromandrakizay ao amin’i Kristy izy ary fantany fa tsy afakaampitahorina amin’ny fandringanana na oviana na oviana izy.Fantany fa voasaron’i Kristy avokoa ny fahotany rehetra. Etsyankilany kosa nefa, arakaraka ny mahazatra azy amin’nyfampianaran’ny Baiboly no hanekeny fa mendrika tokoa nyfahatezerana ratsin’Andriamanitra izy ho fanonerana ny fahotany.Fantany fa ny famindram-po sy ny fahasoavan’Andriamanitraihany no nahatonga na nitondra ny famonjena azy. Noho izany,mangovitry ny tahotra sy ny fanajana izy manoloanaan’Andriamanitra. Miaiky izy fa ny famonjena azy dia tsy andrarinymihitsy.Izay no antony mahatonga ny Baiboly milaza fa matahotraan’Andriamanitra ny olom-boavonjy marina, ary izany diahitantsika, ohatra, ato amin’ireto andininy manaraka ireto.Salamo 34:9: Matahora an’i Jehovah, ianareo olony masina;fatsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.60


Salamo 112:1: Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’iJehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.Ohabolana 3:7: Aza manao anao ho hendry; Matahora an’iJehovah, ka mifadia ny ratsy.Ity fitsipika ity ihany koa dia manamafy ilay fahamarinanahoe tsy matahotra an’Andriamanitra ireo tsy mihaino nyTenin’Andriamanitra. Milaza izany ny Baiboly ao amin’iretoandalana manaraka ireto.Jeremia 44:9-10: Moa hadinonareo va ny ratsy nataon’nyrazanareo sy ny mpanjakan’ny Joda sy ny vadiny ary nytenanareo sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin’nytanin’ny Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema? Tsy mbolatorotoro fo izy na dia mandraka androany aza sady tsy natahotrana nandeha araka ny lalàko sy ny didiko, izay napetrako teoanoloanareo sy teo anoloan’ny razanareo.Jeremia 5:24-25: Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isikahatahotra an’i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsakaranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin’ny fotoanyavy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano diatandremany ho antsika. Ny helokareo no nampiala izany, aryny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.Isaia 57:11-12: Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dianandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po?Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsynatahotra Ahy ianao. Izaho no hanambara ny fahamarinanaoary ny asanao dia tsy hahasoa anao.Mpitoriteny 8:13: Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao nofaran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny notandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.Fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotraMarina tokoa fa ny Baiboly dia mampianatra hoe nyfitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra. Mamaky isika aoamin’ny 1 Jaona 4:18 hoe:Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanterakamandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izaymatahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.61


<strong>Me</strong>ty mandray tsoakevitra isika hoe satria nahatsapa nyfitiavana tanterak’i Kristy ny mpino marina dia tsy tokonyhatahotra intsony izy. Amin’ny lafiny iray dia marina izany,azontsika atao ny mahatakatra ilay teny hoe “tahotra” ao anatin’ityandininy ity ho toy ny miresaka momba ny fahatahorana ilayfandringanana mandrakizay. Ny fitiavana tanterak’Andriamanitraho an’ny mpino marina dia manala izany tahotra izany. Nyfampanantenana lehibe amin’ny famonjena dia ny fiarovanamandrakizay ao amin’i Kristy.Kanefa, tokony mbola jerentsika ireo andininy rehetra izaymampianatra fa ny toetry ny mpino dia hoe matahotraan’Andriamanitra izy (Asan’ny Apostoly 9:31, 10:35, Filipiana 2:12,1 Petera 2:17, Ohabolana 1:7, Mpitoriteny 8:12-13). Amin’ny fombaahoana ary no tokony hahatakarantsika ny 1 Jaona 4:18 izaymampianatra fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra?Tonga ny vahaolana rehefa mianatra ny famaritan’ny Baiboly nyfitiavana isika. Mamaky isika ao amin’ny Jaona 14:21 hoe:Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy;ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy kahiseho aminy.Naverina indray io lalàn’Andriamanitra io ao amin’nyJaona 14:23 izay mivaky toy izao:Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, diahitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankaoaminy Izahay ka honina ao aminy.Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe ny fitiavana diamitovy amin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra, dia nyBaiboly izany. Na dia miezaka mitory ny fitiavany an’i Kristyamim-pandresen-dahatra manao ahoana aza ny olona iray, nyfisedrana na ny fitsapana marina ny fitiavany dia ny fahatokiany,ny fankatoavany ny bokin-dalàn’Andriamanitra, dia ny Baiboly.Mitaky fankatoavana tanteraka ny fitiavana tanterakaSaingy izany dia midika fa mitaky fankatoavana tanterakany fitiavana tanteraka. Kanefa, ny fankatoavana tanteraka diatsy hisy mihitsy raha tsy efa mandray ny vatantsika vaovao62


nitsangana tamin’ny maty isika, ary tsy homena antsika izanyraha tsy amin’ny andron’ny Fisandratana. Mandrapahatongan’izaynefa, miaraka amin’ilay fanahintsika vaovaonitsangana tamin’ny maty izay noraisintsika tamin’ny fotoan’nyfamonjena antsika dia miaina ao anaty vatana izay mbolamitsiriritra fahotana foana isika. Noho izany, amin’izao fotoanaizao dia tsy manana fitiavana tanteraka isika, ka noho izany, tsyafaka miaina tsisy tahotra.Tao aloha tao, tanatin’ity fandalinantsika ity dia nianatrany antony iray izay mahatonga antsika matahotra sy mangovitramanoloana an’Andriamanitra isika, saingy betsaka ny zavatratokony ho lazaina mikasika izany. Rehefa nanota i Davida, ilaylehilahy nanaraka ny fon’Andriamanitra, ilay lehilahynotiavin’Andriamanitra fatratra dia milaza amintsika ny fihetsikanasehon’ny fon’ity lehilahy ity Andriamanitra ao amin’ny Salamo51. Ny Salamo iray manontolo dia mirakitra ny fihetsika nasehon’iDavida, saingy hanome andininy iray fotsiny isika dia ny Salamo51:11 izay mivaky toy izao:Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra nyFanahinao Masina amiko.Nahazo fiainana mandrakizay i Davida. Voaromandrakizay tao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Ahoanano fomba ahafahany milaza ny teny ao amin’ity Salamo ity izaynomen’Andriamanitra Fanahy Masina azy ho lazainy? Hita nyvaliny rehefa tsapatsika ny sazy lehibe noho ny fahotana. Mitakyfanonerana ny fahotana tsirairay avy. Noho izany, rehefa manotany mpino marina dia tokony vonton’ny fahamarinana roa nymaha-olona azy iray manontolo.Tsy maintsy nanonitra ny fahotantsika rehetra iJesosy Kristy Tompo, ary anisan’izany ny fahotana ataon’ny mpinotaorian’ny nahalasanany ho voavonjy.Ny fahamarinana voalohany dia hoe tsy maintsy nanonitrany fahotantsika rehetra i Jesosy Kristy Tompo ary anisan’izanyny fahotana ataon’ny mpino taorian’ny nahalasanany ho voavonjy.Mazava ho azy fa marina tokoa hoe fantatr’Andriamanitra hatranyam-piandohana fa hanao ireny fahotana ireny ny mpino marina,ka noho izany, efa napetrak’Andriamanitra teo amin’i Jesosy63


avokoa izy ireny ka Izy no nanonitra azy ireny fony fahagola.Saingy, izany dia tsy manova ny hoe ireny ota ireny dia nataon’nyolona iray izay nahalala ny maha-ratsy ny fahotana sy nyfanonerana lehibe ilay ota izay takian’nyfahamarinan’Andriamanitra lavorary. Araka izany, matahotra symangovitra ny mpino marina rehefa mahatsapa fa isaky ny manotaizy dia tsy maintsy apetraka eo amin’ny Mpamonjy malalantsikaizany ota izany.Ny fahamarinana faharoa dia hoe ny mpino marina dialasa zatra bebe kokoa ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fahotanasy ny amin’ny faharatsian’ny fanasaziana izay takian’nyfahamarinan’Andriamanitra lavorary. Fantany ihany koa fa isakyny manota izy dia tafiditra ao anatin’ny fikomiana manohitra nyMpamonjy malalany. Eo amin’ny lafiny iray, fantany favoasaron’ny rà nalatsak’i Kristy ny fahotany ka tsy azoanomezana tsiny azy na oviana na oviana izany. Fa eo amin’nylafiny iray hafa kosa dia fantany fa ny hany antony hamelana nyfahotany dia noho ny famindram-po sy fahasoavana tsy an-drarinytanteraka izay nomen’Andriamanitra azy. Noho izany, nyfahasahiany manota dia mahatonga azy miaina am-pahatahoranasy am-pangovitana eo anatrehan’Andriamanitra, ary izany diamanosika ny faniriany tsy hanota mba ahafahany miaina tokoaao anatin’ny fankatoavana bebe kokoa ny lalàn’Andriamanitrarehetra.Araka izany, takatsika fa ny olom-boavonjy dia hananafomba fiaina sy fomba fihetsika hafa tanteraka manoloana nyfahotana, manoloana an’Andriamanitra ary manoloana ny Baibolyraha ampitahaina amin’izay hita eo amin’ny fiainan’ny tsyvoavonjy.Misy fanantenana ho ahy ve?Moa ve ny zavatra izay nianarantsika hatreto dia midikafa tsisy fanantenana intsony ny mety hahalasan-ko voavonjy? Enytompoko, tsisy intsony tokoa ny fanantenana raha toa ka miankina,na amin’ny fomba ahoana na fomba ahoana, amin’ny fiezahantsika,amin’ny finoantsika, amin’ny faniriantsika, na amin’nyfankatoavantsika isika mba hitondrana anjara biriky, na diafaran’izay bitika aza, amin’ny famonjena antsika. Ny anton’izaydia satria ny mieritreritra fa afaka mitondra anjara biriky amin’nyfamonjena antsika isika dia porofon’ny tsy firaharahiana fenofireharehana ny zavatra rehetra izay ampianarin’ny Baibolymomba ny fandaharan’Andriamanitra mahagaga sy tsara64


indrindra. Midika izany fa matoky drafitry ny famonjena izaytsy afaka hamonjy an’iza na iza isika, ary raha ny marina,fanesoana ny drafitry ny famonjen’Andriamanitra lavorary izany.Miaina ao anatin’ny vanim-potoana izay amonjen’Andriamanitra vahoaka marobe tsy tambo isaina isika izao.Saingy rehefa takatsika ny drafitry nyfamonjen’Andriamanitra, rehefa takatsika fa Izy irery no hanyafaka manao ny asa rehetra takiana amin’ny famonjena antsikadia afaka manana fanantenana, fanantenana be tokoa isika. Miainaao anatin’ny vanim-potoana izay amonjen’Andriamanitra vahoakamarobe tsy tambo isaina isika izao (Apokalypsy 7:9). Ary koa,milaza ny Baiboly fa nifidy olona sasantsasany Andriamanitra kananome azy ireny an’i Kristy, ary noneran’i Kristy avokoa nyfahotany rehetra. Izany dia manome fanantenana lehibe tokoaho an’ny olona tsy voavonjy.Ny olona tsy voavonjy rehetra izay manana faniriana mafyny ho lasa voavonjy sy mahatsapa fa ny hany ahafahany ho lasavoavonjy dia amin’ny alalan’ny fanarahana nyfepetran’Andriamanitra dia mety ho isan’ny olomboafidin’Andriamanitrana voafidy. Satria tsy misy ifandraisanyamin’ny famendrehan’ny tenantsika (tsy manana isika) ny drafitryny fifidianan’Andriamanitra ary na lehibe sy mahatsiravina manaoahoana aza ny fahotan’ny olona iray dia mety ho isan’ny olomboafidin’Andriamanitraavy hatrany izy mitovy amin’ny olomboavonjyrehetra. Ny drafitry ny fifidianan’Andriamanitra tokoamantsy dia manome famporisihana lehibe ho an’ny olona tsyvoavonjy izay manomboka maniry mafy ny hoe mety ho lasavoavonjy ihany koa izy.Farafaharatsiny, misy fahamarinana fito ambara aoamin’ny Baiboly izay tokony ho famporisihana lehibe tokoa hoan’ny olona izay tena maniry marina hoe nosaronan’ny ràn’i Jesosyny fahotany. Efa noresahintsika ny sasany tamin’irenyfahamarinana ireny. Kanefa, tena manan-danja tokoa izy irenyhany ka ho averintsika hodinihina fohifohy indray. Ireto avyizany.1. Amin’izao fotoana izao no fotoan’ny famonjena.Nianarantsika fa tsy mamonjy ny olona amin’ny alalan’nyfampiasana ny ezak’ireo antokom-pivavahana eo an-toerana na65


ny mpitarika azy ireo na ny olony intsony Andriamanitra. Kanefa,ny fampianarana manaitra sy misintona ny saina ao amin’nyBaiboly dia hoe amin’izao, Andriamanitra dia mampiakatravokatra lehibe, izany hoe olona marobe mankao amin’nyfanjakan’Andriamanitra. Raha tsy vitantsika ny hamelabelatraizany fahamarinana izany ato anatin’ity boky kely ity diafarafaharatsiny, azontsika atao ny mitanisa andininy vitsivitsyizay manome toky antsika fa izany tokoa no izy.Mamaky isika ao amin’ny Joela 2:24 hoe:Dia ho feno vary [mpino marina] ny famoloana, ary hihoatra nyvata fanantazana ny divay sy ny diloilo [famonjena].Ary hoy ny Baiboly ao amin’ny Apokalypsy 7:9 hoe:Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsakatsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokompirenenasy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teoanoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry,niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny antànany;Ary avy eo, hoy indray ny ao amin’ny Apokalypsy 7:13-14 amintsika hoe:Ary ny anankiray tamin’ny loholona namaly ka nanao tamikohoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taizaizy? Fa hoy izaho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Diahoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary nyakanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.Mivaky toy izao ny ao amin’ny Habakoka 2:14 hoe:Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, Toyny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.Mamaky isika ao amin’ny Jeremia 33:22 hoe:Toy ny hamaroan’ny kintana eny amin’ny lanitra, izay tsy azoisaina, ary toy ny fasika any amin’ny ranomasina, izay tsy azoafàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’i Davidampanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahanaho Ahy.66


Ireo andininy ireo sy ny andininy maro hafa koa diamanome fanantenana lehibe ho an’ny olona tsy voavonjy rehetraizay manatona an’Andriamanitra am-panentren-tena ka mitalahony famindram-pony.Araka izany, afaka matoky isika fa vahoaka marobe novonjena amin’izao fotoana izao. Ny olona tsy voavonjy rehetradia mety ho isan’izany vahoaka marobe izany. Endrey fitahianalehibe tokoa ny mahalala fa miaina ao anatin’ny fotoana izaymahalasa voavonjy ny olona marobe maneran-tany isika amin’izao!2. Ny toerana na ny tontolo izay amonjen’Andriamanitradia ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly izany.Hoy ny Baiboly ao amin’ny Romana 10:17 hoe:Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosaavy amin’ny tenin’i Kristy.Amin’izao fotoana izao dia avo dia avo ny ampahan’olonaafaka mamaky teny mihoatra lavitra noho ny taloha, ary nyBaiboly dia afaka omena azy ireo amin’ny fitenin-drazany.Endrey, tena famporisihana lehibe tokoa ny hoe na iza na iza diaafaka mametraka ny tenany sy ny fianakaviany izay voavonjy sytsy voavonjy eo ambany fihainoana ny Baiboly. Afaka manao izanyizy amin’ny alalan’ny famakiana ny Baiboly ho an’ny tenamanokana. Amin’ny tranga sasantsasany, ohatra, dia afakamihaino ny Baiboly izay vakiana sy ampianarina am-pahatokianaamin’ny fandaharana amin’ny onjam-peo tahaka ireo an’ny <strong>Family</strong><strong>Radio</strong> izy. Marina tokoa ary fa ny tontolo amonjen’Andriamanitrany olona dia lehibe kokoa sy mahavelom-panantenana bebe kokoamihoatra noho ny taloha. Ka noho izany, isika ray aman-drenydia maniry ny hametraka ny zanatsika rehetra eo ambanyfihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Ary izany no anisan’nyantony mahatonga ny onjam-peo ho tena fitaovana lehibe symanan-danja tokoa izay afaka ampiasaina hanapariahana nyFilazantsara eo amin’ny fiarahamonina misy antsika sy ho an’nyolona marobe maneran-tany.3. Tonga hamonjy ny mpanota i Kristy. Tsy tonga hamonjyireo izay milaza ny tenany ho marina tsy akory i Kristy, ireo izaymieritreritra ny tenany fa tsara fitondran-tena izay matoky fa nyfihetsika marina asehony dia famporisihana an’Andriamanitrahijery azy ireo tsara. Tonga hamonjy ny mpanota i Kristy!67


Endrey, tena famporisihana tokoa ny mamakyny momba ilay jiolahy izay nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Jesosy.Endrey, tena famporisihana tokoa ny mamaky ny mombailay jiolahy izay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana niarakatamin’i Jesosy. Tamin’ny voalohany dia nanaratsiratsy tanterakaan’i Jesosy io jiolahy io. Mamaky isika ao amin’ny Matio 27:41-44manao hoe:Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ny mpisorona mbamin’nympanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe: Ny sasanynovonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’nyIsiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ny hazo fijaliana Izyankehitriny, dia hino Azy izahay; natoky an’AndriamanitraIzy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy,satria hoy Izy: Zanak’Andriamanitra Aho. Ary nandatsa Azytoy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin’nyhazo fijaliana.Kanefa, mahagaga fa minitra na ora vitsivitsy monjatalohan’ny nahafaty ity jiolahy nohomboana tamin’ny hazofijaliana ity dia nangataka famindram-po tamin’i Jesosy izy, kanahazo valin-teny izay nanome toky azy sy manome toky antsikafa tamin’izay fotoana sy toerana tsy azo noheverina izay, dia lasavoavonjy izy. Mamaky isika ao amin’ny Lioka 23:39-43, manaohoe:Ary ny anankiray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo ireodia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy?vonjeo ny tenanao sy izahay. Fa namaly kosa ilay anankiray,sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsymba matahotra an’Andriamanitra na dia izao samy voahelokaizao aza? Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandrayny valin’ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbolananao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. Ary hoy izy: Jesosyô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao. Dia hoyJesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio nohihaonanao amiko any Paradisa.68


Ity mpanota ratsy ity dia teo ambany fihainoana ilay Tenysatria naheno an’i Jesosy niresaka tamin’i Maria sy tamin’nyApostoly Jaona ary tamin’Andriamanitra Izy Tenany mihitsy izy.Ka nanomboka teo dia nomena fiainana mandrakizay ity mpanotamahatsiravina ity. Araka izany, na iza na iza tsy mbola voavonjy,na lehibe manao ahoana aza ny mety fahotany, dia afaka mahalalafa tonga ho an’ny mpanota i Jesosy. Endrey, tena famporisihanamahafinaritra ery izany!4. Tsy mizaha tavan’olona i Jesosy. Midika izany fa tsy misysokajin’olona izay mety ho lasa voavonjy bebe kokoa noho nysokajy na andian’olona hafa. <strong>Me</strong>ty atositosiky ny fiarahamoninany olona iray, ary mety horaisin’ny olombelona mitovy aminy hotoy ny “tsy azo kitihana” izy, saingy ao amin’ny Baiboly,Andriamanitra dia milaza amintsika ny momba ny olona lasavoavonjy izay noesoesoina sy norabirabian’ny antokompivavahanatamin’ny andron’i Jesosy. Ohatra tamin’izany, nyfamonjena ilay vehivavy Samaritana (Jaona 4:4-42), i Zakaiosylehiben’ny mpamory hetra (Lioka 19:2-8), ilay boka (Lioka 17:12-19), ilay jiolahy izay novonoina noho ny helony (Lioka 23:39-43),ary ilay vehivavy janga (Jaona 8:1-11). Ireo olona rehetra ireo dianoraisina ho toy ny faikan’olona avokoa, saingy namonjy nytsirairay tamin’izy ireo Andriamanitra. Araka izany, hitantsikamazava tsara fa tsy mizaha tavan’olona Izy. Tokony mahafinaritraery izany ho an’ny olona tsy voavonjy.5. Mpamindra fo Andriamanitra. Marina tokoa fa nyfamindram-po dia tsy hita intsony ao amin’ireo fiangonana izaytoerana anompoan’ny pastorany, ny loholony, ny diakony, nympampianatra Baiboliny ireny olona mampalahelo ireny.Mahatsiravina tokoa izany fahamarinana izany! Saingy anyivelan’ny fiangonana eo an-toerana maneran-tany dia manohymampiseho ny famindram-pony lalina Andriamanitra.Andriamanitra dia Andriamanitry ny famindram-po.Mamaky isika ao amin’ny Salamo 103:8 hoe:Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindrampo.Ary mivaky toy izao kosa ny ao amin’ny Fitomaniana 3:31-32 hoe:69


Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo. Eny fa na dia mampahoryaza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ny famindrampony.Ary milaza amin’ny fomba kanto sy feno fangorahampoAndriamanitra ao amin’ny Joela 2:13 hoe:Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverenaamin’i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantraIzy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’nyloza.6. Afaka ampahalalantsika an’Andriamanitra nyfaniriantsika mafy ho lasa voavonjy. Afaka mitalaho, miangavymafy ary mangataka famonjena amin’Andriamanitra isika. Nyfivavahana amin’Andriamanitra dia asa izay ataontsika, nohoizany, fantatsika fa ny fivavahana amin’Andriamanitra dia tsyhiantoka na ho fitondrana anjara biriky amin’ny famonjenaantsika. Saingy fantatsika fa rehefa mitalaho amin’Andriamanitraisika dia ho fantany ny faniriantsika ho lasa voavonjy.Manome antsika ny ohatra ny amin’ilay mpamory hetraizay nitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra i Jesosy, izayhitantsika ny momba azy ao amin’ny Lioka 18:13-14, izay mivakytoy izao:Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsynety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanaohoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. Lazaikoaminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efanohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandratenano haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.7. Tsy tokony ho very fanantenana na oviana na ovianaisika momba ny famonjena. Raha mikasa ny hamonjy antsikaAndriamanitra dia hanao izany amin’ny fotoany ihany. <strong>Me</strong>tymamonjy antsika Izy mandritra ny fahazazantsika na mety tongaora vitsy mialohan’ny fahafatesantsika ny famonjena. Tsy tokonyhanandrana hibaiko an’Andriamanitra isika amin’ny fametrahanany fotoan’ny famonjena antsika, raha toa kafikasan’Andriamanitra tokoa ny hamonjy antsika.70


Raha mikasa ny hamonjy antsika Andriamanitradia hanao izany amin’ny fotoany ihany.Mamaky isika ao amin’ny Fitomaniana 3:26 manao hoe:Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana.Ary manome antsika fampionona lehibe tokoaAndriamanitra ao amin’ny Salamo 62:5-8 izay mivaky toy izao:Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko;fa Izy no antenaiko. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjenaahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy sy nyvoninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia aoamin’Andriamanitra. Matokia Azy mandrakariva ianareo, ryolona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aroho antsika.Rehefa miandry an’Andriamanitra amim-paharetana nyolona iray dia mety hitebiteby mafy tokoa izy. Ny fahalasananaho voavonjy dia raharaha lehibe sy mafonja tokoa. Fa ny mijanonatsy ho voavonjy kosa dia mahatahotra.Soa ihany fa manome antsika fampiononana lehibeAndriamanitra amin’ny alalan’ilay fampanantenana ao amin’nyFilipiana 4:6, manao hoe:Aza manahy [miahiahy] na inona na inona; fa aoka ny fivavahanasy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambarany fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.Avy eo, Andriamanitra manome toky antsika ao amin’nyFilipiana 4:7, manao hoe:Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho nyfahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’iKristy Jesosy.Araka izany, mampionona antsika Andriamanitra amin’nyalalan’ny famporisihana antsika hiankina Aminy tanteraka.Mamporisika antsika Izy hilaza Aminy ny tebitebintsika rehetra.71


Mahafinaritra tokoa fa mahatoky sy azo itokisana tanteraka Izyhanatanteraka ny sitrapony tonga lafatra. Natao hiankina amin’nysandriny mahery isika.Eo anelanelan’izay nefa, afaka mihaino an’Andriamanitraisika rehefa manohy mamaky amim-pahamalinana sy am-bavakany Baiboly. Ary isaky ny tratry ny tebiteby isika dia afakamanatona am-pahatokiana foana ny seza fiandrianan’nyfahasoavan’Andriamanitra hilaza Aminy ny momba izany rehetraizany. Tena mpamindra fo tokoa Andriamanitra!Manome fankaherezana lehibe ho an’ny tsy voavonjyAndriamanitra ao amin’ny Zefania 2:3 izay mivaky toy izao:Mitadiava an’i Jehovah, ianareo mpandefitra [mpanetry tena]rehetra amin’ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny[nanarakany lalàny]: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana[fanetren-tena]; Angamba ho voafina ianareo amin’ny androfahatezeran’i Jehovah.Ka angamba, mety hamonjy anao io ihany koaAndriamanitra.72


Tsidio ny tranonkalanay ao amin’ny:www.familyradio.comNy fandaharan’ny <strong>Family</strong> <strong>Radio</strong> izay mifototra amin’nyBaiboly dia hita amin’ny Internet, isan’andro isan’andro. Hitanaoao amin’io tranonkala io ny torolalana ho an’ny fandaharampotoana,fandaharana ho an’ny onjam-peo fohy, fianarana Baiboly,Baiboly novakiana sy nosoratana amin’ny fiteny maro isankarazany.Azonao atao ihany koa ny mihaino ny <strong>Family</strong> <strong>Radio</strong> namampidina avy amin’ny tranonkala ny ankabeazan’ny boky syny boky kely natontan’ny <strong>Family</strong> <strong>Radio</strong> ary ny boky fianarana nyBaiboly voasoratra sy novakiana.Raha tianao ny hahazo maimaim-poana ny fandaharampotoan’nyfampielezanay ny Filazantsara na boky maro samihafaavy aty aminay dia manoràta amin’ny:<strong>Family</strong> <strong>Radio</strong>Oakland, CA 94621,USANy adiresy e-mail-nay dia ny:international@familyradio.com.73

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!