12.07.2015 Views

Front Matter God Save Me - Family Radio Worldwide

Front Matter God Save Me - Family Radio Worldwide

Front Matter God Save Me - Family Radio Worldwide

SHOW MORE
SHOW LESS
  • No tags were found...

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

Miresaka momba ny olom-boavonjy izay mino amin’ny fomanontolo Andriamanitra ao amin’ny Romana 10:9-10 manao hoe:Satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanaoianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nananganaAzy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo noinoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekenahahazoana famonjena.Kanefa, nianatra isika fa ny fon’ny olona dia tena ratsytokoa (Jeremia 17:9, Matio 15:19). Araka izany, tsy mety mihitsyny mino amin’ny fo ambara-panomezan’Andriamanitra fo vaovaoantsika. Ary rehefa omen’Andriamanitra fo vaovao isika diamidika izany fa namonjy antsika Izy (Ezekiela 36:24-27). Nohoizany, rehefa mino isika alohan’ny amonjena antsika dia tsy avyamin’ny fontsika izany, ka noho izany, tsy afaka ampifandraisinaamin’ny famonjena izany.Eo amin’ny lafiny iray, raha mino amin’ny fontsikamanontolo isika dia midika izany fa efa novonjen’Andriamanitraisika tamin’ny alalan’ny fanomezana fo vaovao antsika. Nyfinoantsika dia vokatry ny hoe novonjen’Andriamanitra isika.Noho izany, ny teny hoe “finoana” sy ny andian-teny hoe “manampinoana”dia tsy afaka raisina na oviana na oviana ho toy nyfomba na fitaovana izay mahalasa voavonjy antsika.Mamaky isika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:13-23 fa iSimona ilay mpanao ody dia nino ka natao batisa, saingy ireoandininy faramparany dia mampiseho mazava tsara fa tsy lasavoavonjy izy. Nino i Abrahama satria Andriamanitra (Kristy)nanisa izany ho fahamarinany. Nino i Simona amin’ny maha-olonatsy voavonjy azy. Nino i Abrahama amin’ny maha-olom-boavonjyazy. Kanefa, na teo amin’ny fiainan’i Simona na teo amin’nyfiainan’i Abrahama, ny finoana dia tsy nanampy tamin’nyfamonjena.Araka izany, amim-pahatokiana no ahafahantsika makatsoakevitra hoe ny fanaovana asan’ny finoana alohan’ny mahavoavonjyantsika dia tsy afaka manampy mihitsy amin’nyfamonjena antsika. Ny fanaovana ny asan’ ny finoana aorian’nymaha-voavonjy antsika dia vokatr’izao zavatra manaraka izaofoana hoe efa novonjen’Andriamanitra isika.Ny fankatoavana ny didy mba hino dia ampitoviana amin’nyfaniriana hiezaka ny ho mpankatò ny didin’Andriamanitra rehetra.37

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!