21.06.2013 Views

Nôvambra - The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints

Nôvambra - The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints

Nôvambra - The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

Ry rahalahy sy anabaviko malala,

ny Raintsika any an-danitra dia tsy

fahatsapana iray na hevitra iray na

hery iray. Olona masina Izy izay, araka

ny ampianarin’ ny soratra masina, dia

manana endrika sy tanana ary vatana

tsy mety maty sy be voninahitra. Tena

misy Izy sy mahafantatra antsika tsirairay

ary tia antsika tsirairay. Te hitahy

antsika Izy.

Hoy i Jesoa hoe:

“Ary iza moa aminareo, raha angatahin’

ny zanany mofo, no hanome

azy vato?

“Ary raha angatahany hazandrano,

no hanome azy menarana?

“Koa raha hianareo, na dia ratsy

aza, mahalala hanome zava-tsoa ho

an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny

Rainareo Izay any an-danitra no hanome

zava-tsoa ho an’ izay mangataka

aminy?” (Matio 7:9–11).

Angamba mety ho ohatra tsara

maneho izany ny zavatra niainan’ ny

tena manokana. Fony aho dokotera

vao herotrerony nanara-piofanana tao

amin’ ny Hopitalin’ ankizy tao Boston,

dia niasa nandritra ny ora maro ary

tamin’ ny ankapobeny dia nandia ny

lalana manelanelana ny hopitaly sy

ny tranonay tany Watertown, Massachusetts

tamin’ ny alalan’ ny bisikileta,

Nataon’ ny Loholona J. Devn Cornish

Ao amin’ ny Fitopololahy

Ny Fahafahana

Mivavaka

Ny vavaka no iray amin’ ireo fanomezana tena

sarobidy nomen’ Andriamanitra ny olona.

satria nilain’ ny vadiko sy ilay fianakaviana

keliko ny fiaranay. Indray hariva

dia nitaingina bisikileta aho nandeha

nody rehefa avy nijanona nandritra ny

ora maro tany amin’ ny hopitaly ary

nahatsapa tena ho vizana sy noana ary

somary kivikivy ihany. Fantatro fa mila

manokana ny fotoanako sy ny heriko

ho an’ ny vadiko sy ireo zanako kely

aho rehefa tonga any an-trano ary

tokony hampiseho toetra falifaly koa.

Tsoriko anefa fa na ny nivoy ilay bisikileta

aza dia efa nanahirana ahy.

Nisy toeram-pivarotana akoho voahendy

tamin’ ny lalana nandalovako ary

nahatsapa aho fa tsy ho dia noana sy vizana

loatra raha toa ka afaka mijanona

kely mihinana silan’ akoho eny an-dalana

mody. Fantatro fa manao fihenambidy

izy ireo ho an’ ny fen’ akoho sy

ny tongotr’ akoho ka 29 cents ny iray.

Saingy rehefa nijery ny tao anaty poketrako

aho dia tsy nanana afa-tsy vola

5 cents. Rehefa nanohy namoy bisikileta

teny aho dia nolazaiko tamin’ ny

Tompo ny toe-javatra nahazo ahy ary

nangataka taminy tao anatin’ ny famindram-pony

aho raha mba azony omena

fahafahana hahita 25 cents eny amin’ ny

sisin-dalana eny. Nilaza taminy aho fa

tsy hoe mila izany mba hatao famantarana

fa tena ho feno fankasitrahana aho

raha toa ka omeny izany fitahiana feno

hatsaram-panahy izany.

Nanomboka nijery tamim-pitandremana

ny lalana aho, saingy tsy nahita

na inona na inona. Rehefa niezaka

nihazona toe-tsaina feno finoana nefa

feno fankatoavana aho teny am-pandehanana

teny dia nanakaiky ilay fivarotana.

Dia nahita 25 cents teo amin’ ny

tany aho tena tery am-pitan’ ny arabe

misy ilay toerana fivarotana akoho.

Noraisiko tamim-pankasitrahana sy

tamim-pahatsapana fahamaivanana

izany ary dia nividy ilay akoho sy nankafy

tanteraka izany aho ary nandeha

nody namoy bisikileta tamim-pifaliana.

Tao anatin’ ny famindram-pony, ilay

Andriamanitry ny lanitra, ilay Mpahary

sy Mpitarika ny zava-drehetra na aiza

na aiza dia nandre vavaka momba ny

zavatra tena bitika iray. Mety hisy hanontany

tokoa hoe nahoana moa Izy

no hisahirana amin’ ny zavatra tena

kely toy izany. Izaho dia mino fa tia

antsika fatratra ny Raintsika any an-danitra

hany ka ireo zavatra izay manandanja

amintsika dia lasa manan-danja

Aminy, satria tia antsika Izy. Tsy ho

lehibe kokoa noho izany ve aza ny

fitiavany hanampy antsika amin’ ireo

zavatra lehibe angatahantsika izay aradrariny

(jereo ny 3 Nefia 18:20)?

Ho anareo ankizy sy tanora ary

torak’ izany koa ianareo olon-dehibe,

aoka ianareo hino ilay faniriana tena

lehiben’ ny Ray any an-danitra be fitiavana

mba hitahy anareo. Saingy noho

Izy tsy hitsabaka amin’ ny fahafahantsika

misafidy, dia tsy maintsy mangataka

fanampiana avy Aminy isika. Atao

amin’ ny alalan’ ny vavaka izany amin’

ny ankapobeny. Ny vavaka no iray

amin’ ireo fanomezana tena sarobidy

nomen’ Andriamanitra ny olona.

“Indray mandeha nangataka ireo

mpianatr’ i Jesoa hoe: “Tompoko, mampianara

anay hivavaka” (Lioka 11:1). Ho

valin’ izany dia nanome antsika ohatra

iray i Jesoa izay azo ampiasaina ho toy

ny torolalana mikasika ireo fitsipika manan-danjan’

ny vavaka (jereo ny Russell

M. Nelson, “Lessons from the Lord’ s

Prayers,” Liahona, May 2009, 46–49; jereo

koa ny Matio 6:9–13; Lioka 11:1–4).

Araka ilay ohatra nomen’ i Jesoa dia:

Manomboka amin’ ny alalan’ ny

firesahantsika amin’ ny Raintsika any

an-danitra isika: “Rainay izay any

Nôvambra 2011

101

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!