Nivory tany amin’ ireo toerana manerana an’ izao tontolo izao ireo Olomasin’ ny Andro Farany mba hihaino “amin’ ny teniny avy” (F&F 90:11) ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana. Aseho sary manaraka ny sahazam-pamantaranandro manomboka avy eny amin’ ny farany ambony havia ireo mpikamban’ ny Fiangonana tany Johannesburg, Afrika Atsimo; Salvador, Brésil; San Salvador, Salvador; Montréal, Québec, Canada; Montalban, Philippines; Gómez Palacio, Mexique; ary Tokyo, Japon.
an’ ny tenantsika manokana isika. Na 12 taona ianao na 112 taona—na eo anelanelan’ izay—dia afaka mahafantatra ho an’ny tenanareo manokana fa marina ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Vakio ny Bokin’ i Môrmôna. <strong>Saints</strong>aino ny fampianarana raketiny. Hanontanio amin’ ny Ray any an-danitra raha marina izany. Nahazo fampanantenana isika fa “raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina.” 9 Rehefa fantatsika fa marina ny Bokin’ i Môrmôna dia manaraka ho azy ny hoe tena mpaminany marina i Joseph Smith ary nahita an’ Andriamanitra Ray Mandrakizay sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny. Manaraka ho azy ihany koa ny hoe naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara amin’ izao andro farany izao tamin’ ny alalan’ i Joseph Smith—ao anatin’ izany ny famerenana ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka. Raha vantany vao manana fijoroana ho vavolombelona isika dia andraikitsika ny mizara izany fijoroana ho vavolombelona izany amin’ ny hafa. Maro aminareo ry rahalahy no nitory filazantsara nanerana an’ izao tontolo izao. Maro aminareo ry zatovolahy no mbola hanompo. Miomana dieny izao ho amin’ izany fahafahana manompo izany. Ataovy azo antoka tsara fa mendrika ny hanompo ianareo. Raha toa ka vonona ny hizara ny filazantsara isika dia ho vonona hanaraka ny torohevitry ny Apôstôly Petera, izay namporosika antsika hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo.” 10 Hahazo fahafahana isika mandritra ny androm-piainantsika hizarana ny finoantsika, na dia tsy fantatsika loatra aza hoe rahoviana no ho voantso hanao izany isika. Niseho tamiko izany tamin’ ny 1957 fony aho niasa teo amin’ ny sehatry ny fanotana boky ary nangatahina handeha ho any Dallas, Texas, izay antsoina indraindray hoe: “ilay tanàna be fiangonana,” mba handaha-teny mandritra ny fivoriana iray mahakasika ny fandraharahana. Taorian’ ny fiafaran’ ilay fivoriana dia nitsangantsangana nijery ny tanàna tamin’ ny alalan’ ny fiara fitateram-bahoaka aho. Rehefa nandalo ireo fiangonana maro isan-karazany izahay dia niteny ny mpamilinay hoe: “Eo ankavia no hahitanareo ny fiangonana Metôdista,” na hoe “Io ankavanan-dalana io ny katedraly Katôlika.” Rehefa nandalo trano fiangonana tsara tarehy vita tamin’ ny biriky miloko mena teo an-tampon’ ny havoana iray izay izahay dia nilaza ilay mpamily hoe: “Io trano fiangonana io no toerana ivavahan’ireo Môrmôna.” Nisy vehivavy iray tany amin’ ny seza farany aoriana tao amin’ ilay fiara niantsoantso hoe: “Afaka milazalaza bebe kokoa momba ireo Môrmôna ve ianao ry mpamily?” Najanon’ ilay mpamily teo amin’ ny sisin-dalana ilay fiara fitaterana, ary nitodika izy ka namaly hoe: “Madama a! ny hany fantatro mikasika ireo Môrmôna dia hoe ao amin’ io trano fiangonana vita tamin’ ny biriky miloko mena io izy ireo no mivavaka. Misy mahafantatra bebe kokoa mahakasika ireo Môrmôna ve ato amin’ ity fiara ity?” Niandry aho sao misy hamaly. Nodinihako ny endrik’ ireo olona tsirairay sao mba hahitana famantarana hoe misy maniry ny hilaza zavatra momba izay. Tsy nisy. Tonga saina aho fa anjarako ny manao ilay nolazain’ ny Apôstôly Petera hoe: “aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo.” Tsapako koa fa marina ilay fomba fitenenana hoe: “Rehefa mipaika ny fotoana hanapahana hevitra dia efa dify izay ny fotoam-piomanana.” Nandritra ny 15 minitra teo ho eo taorian’io fotoana io, dia nanana fahafahana aho nizara tamin’ ireo olona tao anaty fiara fitaterana ny fijoroako ho vavolombelona mahakasika ny Fiangonana sy ny zavatra inoantsika. Feno fankasitrahana aho noho ny fijoroako ho vavolombelona sy noho ny fahavononako hizara izany. Mivavaka amin’ ny foko sy fanahiko manontolo aho ny mba hanajan’ ny lehilahy rehetra izay mihazona ny fisoronana izany fisoronana izany ary ny mba hiorenany mafy amin’ ny fametraham-pitokisana izay nomena azy ireo teo am-pandraisany izany fisoronana izany. Enga anie isika tsirairay izay mihazona izany fisoronan’ Andriamanitra izany hahatakatra ny zavatra inoany. Enga anie isika hanana herimpo sy ho vonona hatrany hijoro amin’ ny zavatra izay inoantsika, ary raha ilaina ny mijoro irery dia enga anie isika hanao izany amin-kerimpo tokoa, ary feno hery noho ny fahafantarana fa raha ny marina dia tsy irery mihitsy isika rehefa mijoro miaraka amin’ ny Raintsika any an-danitra. Rehefa mandinika ilay fanomezana lehibe natolotra antsika isika—dia “ireo zon’ ny fisoronana [izay] mifamatotra tsy azo sarahina amin’ ny herin’ ny lanitra”—dia enga anie isika ho tapa-kevitra hatrany ho vonona hiaro izany ary ho mendrika ireo fampanantenana lehibe atolony. Ry rahalahy isany, enga anie isika hanaraka ireo torolalan’ ny Mpamonjy izay hita ao amin’ ny 3 Nefia, izay manao hoe: “Koa, aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’ izao tontolo izao. Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko.” 11 Ny vavaka sy tsodrano ataoko amin’ ireo rehetra izay maheno ny feoko dia ny hanarahantsika hatrany io fahazavana io ary ny hanaingantsika azy io ho ambony mba ho hitan’ izao tontolo izao, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena. ◼ FANAMARIHANA 1. David Brooks, “If It Feels Right . . . ,” New York Times, 12 Sept. 2011. 2. Alfred, Lord Tennyson, “Sir Galahad,” tao amin’ ny Poems <strong>of</strong> the English Race, n<strong>of</strong>antenan’i. Raymond Macdonald Alden (1921), 296. 3. Jereo ny1 Nefia 8:26–28. 4. Ezra Taft Benson, “In His Steps” (takariva amorom-patana karakarain’ ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 8 Feb. 1987); jereo koa ny “In His Steps,” tao amin’ ny 1979 Devotional Speeches <strong>of</strong> the Year: BYU Devotional and Fireside Addresses (1980), 59. 5. Gordon B. Hinckley, “Personal Worthiness to Exercise the Priesthood,” Liahona, Jolay 2002, 59. 6. Isaia 1:18. 7. Jeremia 31:34. 8. Matio 6:24. 9. Môrônia 10:4. 10. 1 Petera 3:15. 11. 3 Nefia 18:24. <strong>Nôvambra</strong> 2011 67
- Page 1 and 2:
NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY HO AN
- Page 3 and 4:
FIVORIANA ASABOTSY MARAINA 4 Mihaon
- Page 5 and 6:
BOKY NÔVAMBRA 2011 BOKY. 11 LAH. 4
- Page 7 and 8:
manambara ireto tempoly maro vaovao
- Page 9 and 10:
ny fisaintsainana ny andalan-tsorat
- Page 11 and 12:
Taona maro lasa izay fony aho mpian
- Page 13 and 14:
mampanantena anareo aho fa ‘hande
- Page 15 and 16:
hafa indray dia vondrona mpikambana
- Page 17 and 18: nila nanomana fivoriana hanaovana d
- Page 19 and 20: vavy—dia nohariana araka ny endri
- Page 21 and 22: fo[nareo] rehetra [ary tsy] miankin
- Page 23 and 24: mpikambana nahafinaritra azo nisain
- Page 25 and 26: FIVORIANA ASABOTSY TOLAKANDRO | 1
- Page 27 and 28: l’ Eglise: Joseph Smith [2007], 3
- Page 29 and 30: teo amin’ ny alalan’ ny fanaova
- Page 31 and 32: manangona zanaka ianao satria hoe h
- Page 33 and 34: aha notrotroiny ilay zaza [sady] ni
- Page 35 and 36: ary tamin’ ny alalan’ izany dia
- Page 37 and 38: alalan’ ny Fanahy Masina Izy. 10
- Page 39 and 40: Rehefa nanatrika fihaonamben’ ny
- Page 41 and 42: manana finoana ho amin’ ny fibeba
- Page 43 and 44: “‘Indro, izay efa nibebaka tami
- Page 45 and 46: olon-drehetra. Koa raha mibosesika
- Page 47 and 48: ezaka hanakanana ny zavatra hitrang
- Page 49 and 50: atisa azy ho amin’ ny anaran’ n
- Page 51 and 52: amim-pahazotoana ny ho “ateraka i
- Page 53 and 54: Nanomboka nitomany ilay misiônera
- Page 55 and 56: Dimy amby enimpolo taona lasa izay,
- Page 57 and 58: ny fisoronanareo, ary mandeha miasa
- Page 59 and 60: indray eto amin’ ity fiainana ity
- Page 61 and 62: mahazatra azy, hoe: “Nahoana iana
- Page 63 and 64: amin’ ny finoantsika, na dia voat
- Page 66 and 67: Manampahefana Ambony ao amin’ Ny
- Page 70 and 71: FIVORIANA ALAHADY MARAINA | 2 Ôkt
- Page 72 and 73: kely roa ireto izy. Toy ireny hoe m
- Page 74 and 75: hamela ny heloky ny fahavalony, 8 h
- Page 76 and 77: ny fibosesehantsika mankany amin’
- Page 78 and 79: Jundiaí, Brésil na dia lazain’
- Page 80 and 81: ny drafitr’ Andriamanitra,” ary
- Page 82 and 83: mandray ny fanasan’ ny Tompo, sy
- Page 84 and 85: dia mamaky mikasika ilay asa hoe, M
- Page 86 and 87: izao isika fa tsy naman’ izao ton
- Page 88 and 89: nanatrika izany fotoam-panokanana n
- Page 90 and 91: Stockholm, Suède ny filazantsara m
- Page 92 and 93: “ A hoana no hevitrareo ny amin
- Page 94 and 95: Vavolombelon’ izany herin’ ny f
- Page 96 and 97: T aona maro lasa izay dia nahare fe
- Page 98 and 99: Fantatro fa ny fikatsahanareo ny ha
- Page 100 and 101: fianarany ao amin’ ny ambaratonga
- Page 102 and 103: vanim-potoan’ ny sôvietika, dia
- Page 104 and 105: an-danitra” (Matio 6:9; Lioka11:2
- Page 106 and 107: M aro ireo olona miatrika olana goa
- Page 108 and 109: Andriamanitra ilay tena fananana fi
- Page 110 and 111: Ry rahalahy sy anabaviko, fantatro
- Page 112 and 113: mihaino na mamaky izany, fahatakara
- Page 114 and 115: ny fanirery sy ny fahadisoam-panant
- Page 116 and 117: V ao tsy ela akory izay dia nitsidi
- Page 118 and 119:
Taorian’ ny fitsidihana vitsivits
- Page 120 and 121:
Misy ôrdônansy masina hafa raisin
- Page 122 and 123:
R y anabaviko malala isany, tena ma
- Page 124 and 125:
Nisy vehivavy iray nanam-paniriana
- Page 126 and 127:
Fanoroam-pejin’ ireo Tantara nand
- Page 128 and 129:
VAOVAOM-PIANGONANA Fihaonamben’ n
- Page 130 and 131:
Misy ny fikasana hamoaka an’ izan
- Page 132:
Mijoro ho vavolombelona aminareo ah