21.06.2013 Views

Nôvambra - The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints

Nôvambra - The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints

Nôvambra - The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

teo amin’ ny alalan’ ny fanaovana ireo

asa hianaran-javatra izay hita ao amin’

ny lds .org/ familyhistoryyouth. Afaka

mitana anjara toerana lehibe amin’

ny fanampiana ireo zatovo rehetra

hahafantatra bebe kokoa mikasika

ireo loharanom-pitaovana fototra ireo

ny kôlejy ao amin’ ny Fisoronana

Aharôna sy ireo fiadidian’ ny kilasy

ao amin’ ny zatovovavy. Ny tanora dia

tena mila mafy ny mba ho mpianatra

izay manao asa ary avy eo mahazo fahazavana

sy fahalalana fanampiny avy

amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina—fa

tsy ho mpianatra mipetrapetraka fotsiny

izay tsy maintsy hetsehina aloha

(jereo ny 2 Nefia 2:26).

Ry ray aman-dreny sy mpitarika,

ho gaga ianareo amin’ ireo zanatsika

sy ireo tanoran’ ny Fiangonana noho

ny tena fahaizany haingana mampiasa

ireo fitaovana ireo. Raha ny marina

dia hianatra lesona sarobidy avy amin’

ireo tanora ireo ianareo momba ny

fomba hampiasana amim-pahombiazana

ireo fitaovana ireo. Ireo tanora

ireo dia afaka manampy be dia be

ireo olona zokinjokiny kokoa izay tsy

dia mahafehy loatra na menamenatra

manoloana ny teknôlôjia na tsy dia zatra

mikirakira loatra ny FamilySearch.

Ianareo koa dia hanisa ireo fitahiana

maro ho voarainareo rehefa manolotra

fotoana bebe kokoa amin’ ny asa

mikasika ny tantaram-pianakaviana sy

ireo asa fanompoana atao any amin’

ny tempoly ireo tanora ka ho kely

kokoa ny fotoana ho atokan’ izy ireo

hanaovana jeux vidéos sy fijeren-

javatra amin’ ny Internet, ary ny fanaovana

Facebook.

I Troy Jackson sy i Jaren Hope ary i

Andrew Allan dia mpihazona ny Fisoronana

Aharôna izay voantso tamin’ ny

alalan’ ny eveka iray nentanim-panahy

mba ho mpiara-mampianatra ao amin’

ny kilasin’ ny tantaram-pianakaviana

ao amin’ ny paroasin’ izy ireo. Ireo zatovolahy

ireo dia misolo tena ny maro

aminareo izay manam-paniriana lalina

ny hianatra sy hanompo.

Hoy i Troy hoe: “Matetika aho

taloha no mankany am-piangonana

ary mipetrapetra-potsiny, kanefa amin’

izao fotoana izao dia tsapako fa tokony

hody aho ary hanao zavatra. Afaka manao

ny tantaram-pianakaviana daholo

isika rehetra.”

Nilaza i Jaren fa teo am-pianarany

bebe kokoa mahakasika ny tantaram-pianakaviana

dia takany fa “tsy

anarana fe anarana fotsiny ireo fa tena

olona izay niaina tokoa. Lasa nanana

fientanentanana bebe kokoa aho ny

hitondra ireo anarana ireo any amin’

ny tempoly.”

Ary i Andrew dia nanao fanamarihana

hoe: “Izaho dia lasa nanana

fahalianana tamim-pitiavana sy tamimpahavitrihana

mikasika ny tantarampianakaviana

izay tsy noeritreretiko ho

nananana hatrizay. Rehefa manomana

ny fampianarako aho isan-kerinandro

dia matetika aho no mahatsapa ny

bitsiky ny Fanahy Masina mamporosika

ahy hiasa sy hanandrana ireo

fomba fiasa sasantsasany izay nampianarina

tao amin’ ny lesona. Taloha dia

zavatra nampitahotra ny fanaovana ny

tantaram-pianakaviana. Kanefa rehefa

nampian’ ny Fanahy aho dia afaka

nanatontosa ny antsoko ary nanampy

olona maro teo amin’ ny paroasiko.”

Ry zandriko lahy sy zandriko vavy

malalako, tsy fandaharan’ asa na

fiaraha-mientana mahaliana fotsiny

izay tohanan’ ny Fiangonana ny tantaram-pianakaviana;

fa tena ampahany

manan-danja ao anatin’ ny asa ho an’

ny famonjena sy ny fisandratana. Nomanina

ho amin’ izao andro izao ianareo

ary mba hanangana ny fanjakan’

Andriamanitra. Eto an-tany ianareo

ankehitriny mba hanampy amin’ ity

asa mahagaga ity.

Mijoro ho vavolombelona aho fa

niverina teto an-tany i Elia ary namerina

tamin’ ny laoniny ny fahefana

masin’ ny famehezana. Mijoro ho

vavolombelona aho fa izay voafehy

eto an-tany dia azo fehezina any

an-danitra. Ary fantatro fa mitana

anjara toerana lehibe eo amin’ ity

asa goavana ity ny tanora ao anatin’

ny taranaka vao misondrotra. Izany

no ijoroako ho vavolombelona amin’

ny anarana masin’ ny Tompo Jesoa

Kristy, amena. ◼

Nôvambra 2011

27

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!