14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

11

taranaka fara-mandimby, mba homena antsika Kristiana aty amin’ny

Testamenta Vaovao. Ireo zava-marina ireo dia: ny Sabata isankerinandro,

ny Sabata lehibe sy Fety fito isan-taona, ary ny Tetiandro

masina (calendrier sacré). Ny teny hoe Sabata dia midika hoe andro

fitsaharana sy fivoriana masina, fa ny Fety kosa dia firavoravoana.

Izao no nampanoratina ny apostoly ao amin’ny Testamenta Vaovao:

« Mosesy nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no

hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka

ahy, (Deo 18:15) », (Asa 7:37). « Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany

an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra

Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba

homeny antsika. » (Asa 7:38)

Koa tsy maintsy misafidy isika na hanaraka an’i Kristy sy ireo

apostoly voalohany, amin’ny fampianarana ireo dingam-pamonjena

ireo, na hanamasina fotoana hafa araka izay heverintsika!

« Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka

hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny

taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro

firavoravoana, ho Lalàna mandrakizay. » (Eks 12:14)

Raha mahatsapa isika fa tena fototry ny aim-panahin’ny

olombelona ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, satria

dingana amin’ny Planin’ny Famonjena, sady azo ampiharina tsara

amin’izao androntsika izao, dia tiantsika hianarana ny fomba

fitandremana azy ankehitriny.

Aiza no tsy maintsy ankalazana azy? Any an-tokatrano ve sa any

am-piangonana? Inona no tsy maintsy atao amin’ireo andro ireo?

Eken’Andriamanitra ve ny iasana toy ny an-davanandro, sa tsy

maintsy mitsahatra, ka manao fanompoam-pivavahana? Inona no ho

vokatry ny fitandremantsika azy ireo amin’ny fiainam-pianakaviana

sy ny asa aman-draharaha?

Fanontaniana mavesa-danja avokoa ireo, izay tsy maintsy

itadiavam-baliny raha hianatra ny fitandremana ny Fotoampivavahana

Voatendrin’i Jehovah. ‘Ndeha hodinihintsika ny foto-

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!