14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

25

amin’ny hariva ny

fiangonana, dia ny Isiraely

rehetra. » (Eks 12:6)

« Ary hanalany ny rà, ka

hatentiny amin’ny tolambaravarana

roa sy amin’ny

tataom-baravaran’ny trano

izay hihinanany azy. » (Eks

12:7)

« Dia hohaniny

amin’izany alina izany ny

hena; voatsatsika tamin’ny

afo no hihinanany azy

mbamin’ny mofo tsy misy

masirasira

sady

hampiarahina amin’ny

anana mangidy. » (Eks

12 :8)

« Ary ny rà dia ho

famantarana ho anareo eo

amin’ny trano izay

itoeranareo ; ary raha

mahita ny rà Aho, dia

handalo anareo, ka tsy hisy

loza handringana anareo,

raha mamely ny tany

Egypta Aho. » (Eks 12 :13)

« Ny andro fahefatra

ambin’ny folo amin’ny

volana voalohany, rehefa

hariva, dia Paskan’i

Jehovah. » (Lev 23:5)

Jehovah (Sal. 118, 26). » (Jao

12:13) « Ary Jesosy nahita zanaboriky

anankiray, dia nitaingina

azy, araka ny voasoratra hoe: » (Jao

12:14) « Aza matahotra, ry Ziona

zanakavavy; indro, avy ny

Mpanjakanao mitaingina zanaboriky

(Zak. 9. 9). » (Jao 12:15)

Namonoana an’i Jesosy tamin’ny

faha 14 Nisana

Nifandray tamin’ny Ray, Izay

manatrika foana, Jesosy

Zanak’Andriamanitra raha

nanantanteraka ny famonjena

« … Fa voavono Kristy, Paska

ho antsika; » (1 Kor 5:7)

« Ary andro fiomanana amin'ny

Paska ny andro, tokony ho tamin'ny

ora fahenina dia hoy Pilato tamin'ny

Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! »

(Jao 19:14)

« Ary niantso tamin'ny feo

mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko

ô, eo an-tananao no atolotro ny

fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa

niteny izany Izy, dia afaka ny

ainy. » (Lio 23:46)

« Ary rehefa nanandrana ny

vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe:

Vita; dia nanondrika ny lohany Izy

ka nanolotra ny fanahiny. » (Jao

19:30)

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!