14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

19

Fitsofana trompetra: andro Voalohan’ny volana faha 7.

Fanavotana: andro Faha 10 amin’ny volana faha 7.

Tabernakely: andro Faha 15 hatramin’ny faha 21 amin’ny

volana faha 7. Fivoriana masina amin’ny andro faha 15.

Fara-fivoriana: andro Faha 22 amin’ny volana faha 7.

Jereo ao amin’ny tovana any amin’ny faran’ny boky ny datin’ny

fivoriana masina isan-taona amin’ny Kalandrie Gregoriana.

Andiamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no

nandidy ireo Fivoriana masina ireo

« Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao

amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia

Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i

Jakoba (Isiraely); … izany no anarako mandrakizay, ary izany no

hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby. » (Eks 3: 6,

15)

Raha Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no

nandidy ireo firavoravoana masina ireo ho mandrakizay, mba

Andriamanitra iza kosa no ivavahan’ny Kristiana tsy mankatò

hankalaza izany? Io Jehovah io koa anefa dia Andriamanitry ny

firenen-tsamy hafa, fa tsy an’ny Isiraely ara-bakiteny ihany, araka ny

vaoasoratra hoe: « Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo

rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? » (Jer 32:27)

Amin’ny ara-pinoana, vao maika nohamafisina fa izay an’i Kristy

dia taranak’i Abrahama, koa dia natao ho antsika Zanak’Isiraely arapanahy

mihitsy koa ny Fotoam-pivavahana voatendry, izay hantsoina

ho fivoriana masina na andro fivavahana, toy ny Sabata fitsaharana,

amin’ny fotoany avy.

« Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama. » (Gal

3:7) « Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i

Kristy Jesosy. » (Gal 3:26) « Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i

Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana. » (Gal 3:29)

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!