14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

24

mira-zotra izany fanazavana izany. Hamafisina ny fanatrehan’

Andriamanitra isaky ny fotoam-pivavahana.

TABILAO MIRA-ZOTRA FAMPITAHANA NY HEVITRA ARA-

BAKITENY SY ARA-PANAHIN’IREO DINGAM-PAMONJENA

Hevitra ara-bakiteny =

aloky ny zavatra ho avy

Hevitra ara-panahy =

Tenan’i Kristy=Famonjena

Fanokanana

zanak’ondry amin’ny faha

10 Nisana

Jehovah nanatrika,

nanome baiko an’i Mosesy

1. PASKA (14 Nisana)

Fanokanana an’’i Jesosy

tamin’ny faha 10 Nisana

Jesosy, Zanak’Andriamanitra

mihitsy no manatrika sy

manatanteraka

Amin’ny andro fahafolo

amin’ity volana ity dia aoka

samy haka zanak’ondry iray

avy izy rehetra, araka ny

fianakaviany, dia

zanak’ondry iray avy no ho

an’ny isan-trano ; » (Eks

12 :3)

Famonoana ny zanak’ondry

tamin’ny faha 14 Nisana

Jehovah nanatrika :

nanome baiko, niaro ny

zanak’Isiraely, nandringana

ny Egyptiana

« ary hotehirizinareo izy

hatramin’ny andro fahefatra

ambin’ny folo amin’ity

volana ity; dia hamono azy

« Ary rehefa henemana no sisa

tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga

tao Betania, izay nitoeran'i

Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny

maty. » (Jao 12:1)

Fanamarihana : famonoana

zanak’ondry, faha 14 Nisana ;

firavoravon’ny Paska, faha 15

Nisana ; 6 andro alohan’ny faha 15

= faha 9 Nisana.

Ny 10 e Nisana:

« Ary nony ampitson'iny ny

vahoaka betsaka, izay tonga ho

amin'ny andro firavoravoana, rehefa

nahare fa hankany Jerosalema

Jesosy, » (Jao 12:12) « Dia naka

sampan-drofia ka nivoaka hitsena

Azy sady niantso hoe: Hosana!

Isaorana anie ny Mpanjakan'ny

Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!