14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

23

nadrotsahana ny Fanahy Masina tamin’ireo olona 120 nanatrika ny

Pentekosta tany Jerosalema (Asa 1:15). Toy izany koa no andrasana

amin’ny fanangonana ny olom-boafidy amin’ny Fitsofana ny Trompetra

Farany, amin’ny fiverenan’i Kristy! (1Kor 15:52). Sao dia tsy

manatrika eo isika satria tsy mitandrina ny Andro Firavoravoana noho

ny tsy finoana!

Porofo ireo fa mila mitandrina ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i

Jehovah ireo isika Jentilisa niova ho Kristiana, mba hananantsika anjara

amin’izay ambarany, dia ny fanatanterahan’i Jesosy Kristy ny dingampamonjena

antsika hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

MANATRIKA EO FOANA JEHOVAH AMIN’NY FOTOAN’NY

FIVORIANA MASINA

Manatrika foana Jehovah Ray, na Jesosy Kristy, na ny Fanahy

Masina amin’ny fotoan’ny Fivoriana Masina notendreny

Jehovah nanome ny antsipiran’izay tsy mintsy atao rehefa hanao

ny Fivoriana Masina notendreny ny olona. Tsy mbola

nampahafantatra ny hevi-panahiny Izy raha nanolotra izany tamin’ny

Zanak’Isiraely tany Egypta sy tany an’efitra, ary tamin’ny

Testamenta Taloha.

Nomeny tamin’ny endrika faminaniana kosa izany. Ny

fankatoavana ny Lalàna nodidiany no antoka nanomezany ny

fitahiana. Aloky ny zavatra ho avy no ilazan’ny Apostoly Paoly azy

ireo, ka ny zavatra ho avy dia ny fahatanterahan’ny hevi-panahiny,

izay dingam-pamonjena ny olombelona ho tafiditra ao amin’ny

Fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny famonjena nataon’i

Jesosy Kirsty.

Ny fampifandraisana ny hevitra ara-baikiteny hita ao amin’ireo

Andro Firavoravoana ireo sy hevi-panahin’ny dingam-pamonjena

tanteraka amin’ny alalan’i Kristy no hahazoantsika ny fomba

fitandremana azy ireo ankehitriny. Harahintsika amin’ny tabilao

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!