14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

49

Fibebahana sy fanoloran-tena hatao batisa ary fandraisana ny

Fanahy Masina ho tombo-kase no vokatr’izany ho an’ny olona. Tena

ilaina ny fandravana ny sampy rehetra sy ny fialana amin’ny ratsy fanao

ary ny fiverenana tanteraka amin’i Jehovah sy amin’ny fitiavana

voalohany, satria izany no fanapahana ny fifandraisana nataontsika

tamin’ny devoly fony mbola nanompo sampy isika na ireo razan-tsika.

Mila manohitra ny devoly isika hampandositra azy.

Ara-bakiteny

Fanamasinana ny Fetin’ny

Tabernakely

7 andro taorian’ny 1 er

Pente-kosta, Mosesy nifady

hanina 40 andro sy 40 alina

in-telo tao Sinay (Eks 34:1-4,

28; Deo 9:17-21).

127 e andro aorian’ny

Pente-kosta 1 er = andro 15 e ,

Volana 7 e (=Tabernakely

1 er ), Mosesy feno

voninahitra, midina avy any

an-tendrombohitra Sinay,

mitondra ny Didy Folo

fanindroany (Eks 34:29)

Endriky ny

fiverenan’i Jesosy Kristy

fanindroany io!

Nanomezana ny

Fetin’ny Tabernakely ho

lalàla mandrakizay

6. TABERNAKELY

Ara-panahy

Nitandrina ny Tabernakely Jesosy

« Ary efa akaiky ny andro

firavoravoan'ny Jiosy, dia ny

amin'ny Tabernakely, » (Jao 7:2)

« Ary rehefa nisasaka ny andro

firavoravoana, dia niakatra teo ankianjan'ny

tempoly Jesosy ka

nampianatra. » (Jao 7:14)

Andro fahavalo = Fara-fivoriana

« Ary tamin'ny andro farany,

izay andro lehibe tamin'ny andro

firavoravoana, dia nitsangana

Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha

misy olona mangetaheta, aoka izy

hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao

7:37) « Izay mino Ahy, dia hisy

onin'ny rano velona miboiboika

avy ao an-kibony, araka ny

voalazan'ny Soratra Masina. » (Jao

7:38) « Ary ny Fanahy, Izay efa

horaisin'ny mino Azy, no

nolazainy tamin'izany; fa ny

Fanahy* tsy mbola nomena, satria

Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!