14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

61

voalohany

ka

hatramin'ny andro

farany. Ary nanao

Fotoam-pivavahana

hafitoana izy; ary

tamin'ny andro fahavalo

dia fara-fivoriana araka

ny fanao. » (Neh 8:18)

andro lehibe tamin'ny andro

firavoravoana, dia nitsangana Jesosy

ka niantso nanao hoe: Raha misy olona

mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy

ka hisotro. » (Jao 7:37)

« Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny

rano velona miboiboika avy ao ankibony,

araka ny voalazan'ny Soratra

Masina. » (Jao 7:38)

FANAZAVANA NY AMIN’NY FARA-FIVORIANA NA FITSARANA FARANY

Ny Fety fahafito izay notendren’i Jehovah hotandreman’ny olony no

ambaran’ny Fara-fivoriana. Io Andro lehibe farany io dia manambara

zavatra betsaka kokoa fa tsy iray ihany, toy ny mifanohitra amin’izay

ambaran’ny Fety hafa rehetra teo alohany. Io Fety farany io no

manambara ny andro Fitsarana farany sy ireo zava-mitranga manaraka

ny Fanjakana arivo taona eto an-tany. Ny marina dia izao: ny Fanjakana

arivo taona (Milenioma) dia fanombohana ihany amin’ny fiainana

mandrakizay ho an’ny olombelona. Ireo olo-masina natsangana

tamin’ny fitsanganana voalohany dia nampianarina sy nomanina hanao

zava-dehibe amin’ny ho avy. Toy ny fototra hanomezana fifaliana

lehibe sy fahatanterahana ho avy aorian’ny Milenioma izy ireo.

Raha « mitsangana eo anoloan’ny Seza fiandriana » sy tsaraina ireo

maty voalaza ao amin’ny Apo 20:12-13, dia milaza fa fitsanganana

amin’ny maty izany ! Mariho koa fa io andininy faha 12 io dia milaza fa

misy « boky novelarina ». Ny teny grika hoe biblia, izay nakana ny teny

hoe « Baiboly », no nampiasaina eto. Noho izany – fotoana voalohany

izao – no hampihiratan’ireo olona ireo ny masom-panahiny sy ny fony

amin’ny Baiboly. Hanana fotoana hahazoany famonjena izy ireo – sy

hisoratan’ny anarany ao amin’ny « bokin’ny fiainana ». Amin’izao

« fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe » izao izy ireo no

« hantsoina ».

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!