14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

9

FAMPIDIRANA

Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana

voatendrin'i Jehovah

(Lev 23:1, 2, 4, 37) 1 « Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: »

2 « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i

Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » 4 « Izao no fotoampivavahana

voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany

avy: » 37 « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho

fivoriana masina … samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, »

Nohamafisin’i Jehovah in-telo ny fandidiana izany.

Natao ho an’iza ary ny Fotoa-pivavahana notendren’i Jehovah? Ho an’Isiraely aranofo

ihany ve, izay nasainy nitandrina azy mandrakizay? Sa natao ho antsika Isiraely

ara-panahy indrindra (zaranak’i Abrahama koa, Gal 3:27-29; Rom 4:16)? Inona avy

tamin’ny Zanak’Isiraely ara-nofo no lovaintsika Isiraely ara-panahy? Inona no ataon’i

Jehovah izay manatrika ireo Fotoam-pivavahana notendreny? Mbola manankery ve

ankehitriny ny fitandremana azy ireo amin’ny fotoany avy? Sa tsy ilaina satria “aloka

fa tsy tena izy”? Mirakitra inona moa izy ireo? Raha Jesosy Mpamonjy no

manatanteraka izay raketiny, moa tsy misy andraikitra takiana amin’ny olona izay

hovonjena ve? Tsy hampianatra azy ireo koa va ny olom-boafidy amin’ny Fanjakana

arivo taona? (Zak 14:1-4, 16-19).

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah! » (Sal 34:8)

Raha hanandrana Azy ihany, ahoana ireo Andro Masina nodidiany ho mandrakizay?

Hoy Jesosy, nanome tsiny ny mpitondra fiangonana tamin’ny androny:

« Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny

fampianarana voatolotra anareo? » (Mar 7:9). Mariho tsara io tsikera nataon’i Jesosy

io ! Mihatra indrindra amin’ny fitandremana ireo Fotoam-pivavahana notendren’i

Jehovah ho masina io. Izany tokoa, satria tsy misy olona mahay manompo tompo roa,

afaka sady hitandrina ireo fety nampidirina ao am-piangonana avy tamin’ny

lovantsofina, no hanao izany koa amin’ireo Andro masina nodidian’i Jehovah ao

amin’ny Baiboly, izay notandreman’i Jeososy sy ny fiangonana apostolika.

Tsy maintsy MISAFIDY isika! Diniho tsara ny lanjan’ny fandidiana in-3

hoe « Fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy » (Lev 23), izay mitantara

ny dingana rehetra amin’ny Planin’Andrianamitra hamonjena ny olombelona ho

tafiditra ao amin’ny Fanjakany eto an-tany. Tsy maintsy misafidy isika na hanaraka

an’i Kristy sy ireo apostoly voalohany, amin’ny fitandremana ireo dingam-pamonjena

ireo, na “hanamasina” fotoana hafa araka izay heverintsika!

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!