14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

52

Jesosy Kristy sy ny olom-boafidy, voaloham-bokatra, dia

hampianatra ny firenena rehetra amin’ny alalana’ireo Fety isan-taona

ireo amin’ny fiverenany.

Hahafantatra ny Planin’Andriamanitra ny firenen-drehetra ary

olona an-davitrisany maro no ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’

Andriamanitra.

Eto an-tany ny Fanjakana arivo taona

Jesosy Kristy miara-monina amintsika indray.

Raha ny filahatry ny andro firavoravoana voatendry milaza ny

zavatra ho avy no dinihina, dia tsy miaraka ny fanangonana ny olomboafidy

sy fanidiana an’i Satana ary ny fanombohan’ny Fanjakana arivo

taona. Raha ny nitsanganan’i Jesosy no dinihina dia niakatra niseho

tany amin’ny Ray Izy vao niverina nampianatra sy nanafatra ny

mpianatra indray (Jao 20:16-19), avy eo vao niakatra any an-danitra

miandry ny fiverenany. Ho antsika kosa dia mazava fa eto an-tany ny

Fanjakana arivo taona hiarahana amin’i Kristy. Ny fanovana antsika ho

fanahy kosa dia amin’ny fitsofana ny trompetra farany, mialoha ny

fanidiana an’i Satana, sy ny fampandehanana ny Fanjaka arivo taona.

Ny ampahany amin’ny Fanjakana dia voatantara ao amin’ny Zakaria

14, izay milaza fa Mpanjakan’ny tany rehetra i Jesosy Kristy.

Zak 14:4, 9: « Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-

Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary

ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy

hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny

tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa

hianatsimo. » « Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany

andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. »

Faminaniana maro no milaza fa ho Mpanjakan’ny tany rehetra

Jesosy Kristy sy ny olo-masin’ny Avo Indrindra:

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!