14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

13

Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira voalohany (15-21 Abiba; Eks

12:51; 13:1-10); Nanome sy nampianatra ny Didy folo ary

nanamasina ny Zanak’Isiraely Izy tamin’ny Fetin’ny Pentekosta

voalohany teo an-tendrombohitra Sinay (50 andro taorian’ny

nivoahana avy any Egypta; Eks 19:1-25); sns…

Mosesy feno ny voniahitr’Andriamanitra sady feno ny

Fanahy Masina ary manana ny Didy folon’Andriamanitra

hampianarina sy ho enti-mitandrina ny olony raha nidina

fanindroany avy any an-tendrombohitra, avy tany amin’i Jehovah, ka

nanantona ny vahoakan’Andriamanitra sy nampianatra azy (Eks

34:29-35). Fotoan’ny Fetin’ny Tabernakely voalohany tany an’efitra

io, endriky ny fiverenan’i Jesosy Kristy fanindroany amimboninahitra,

amin’ny Fanjakana arivo taona.

Jesosy Zanak’Andriamanitra nitandrina ny Paska niaraka

tamin’ny fianakaviany mandrakariva fony Izy mbola zaza (Lio 2:40-

41). Nitandrina ny Fety Fihinana Mofo Tsy Misy Masirasira koa Izy

(Lio 2:43). Nitandrina ny Paska koa Izy rehefa lehibe, hatramin’ny

Fety natrehiny farany talohan’ny namonoana Azy (Lio 22:7-8, 15).

Nitandrina ny Fetin’ny Tabernakely koa Izy, sady nampianatra ny

olona (Jao 7:8-14). Nitandrina ny Fety Fara-fivoriana sy nampianatra

toy izany koa (Jao 7:37). Nanome ny Fanahy Masina tamin’ny andro

Pentekosta nanorenany ny Fiangonana Kristiana voalohany Izy (Asa

2).

Ny Fiangonana apostolika voalohany nitandrina ny

Fetin’ny Pentekosta (Asa 2; Asa 20:16).

Paoly nitandrina sy nampianatra ny amin’ny Fetin’ny

Mofo Tsy Misy Masirasira (1Kor 5:7-8); Nitandrina ny Pentekosta

koa izy (1Kor 16:8-9)

Petera nitandrina ny Fetin’ny Tabernakely, nanasitrana

marary sy nitory teny momba ny famonjen’i Kristy, sy ny

hiverenany hitondra fiadanana amin’ny Fanjakana arivo taona (andro

famelombelomana) (Asa 3:1-7, 19-21).

Andrimanitra irery no afaka manokan-javatra ho masina

ho Azy

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!