14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

78

mandritry ny fitsanganana faharoa. Noho izany, dia hitsahatra tsy hisy

intsony ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita rehefa tapitra nirehitra ireo

mety maty tsy nibebaka ireo!

Ahoana ny amin’i Satana sy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka?

« Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy

afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa,

ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. »

(Apo 20:10)

Satana dia fanahy, ary tsy levon’ny afo na mandre maharary sy

mijaly amin’ny maha ao anaty afo azy. Fantastika koa fa tsy hirehitra

mandrakizay ny afo rehefa levona izay olona sy “kitay” mampirehitra

azy. Ny fahoriam-panahy no hanjò an’i Satana mandrakizay satria tsy

hahita olona hofitahiny sy hampijaliany intsony, sady very maina ny

ezaka nataony nandritry ny taona arivony maro!

Ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka kosa dia tsy mijaly ao

amin’ny afo mandrakizay fa may sy levona mandakizay izy ireo.

Fahadimy : Ny Lanitra Vaovao sy ny Tany Vaovao

(1) Inona no zavatra hitranga manaraka rehefa voadio tamin’ny afo

ny Tany ? Apo 21:1. « [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita

Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy

ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. »

Fanamarihana: Ny teny izay voasoratra ao amin’ny Apo 21:1, dia

milaza fa tsy mila ranomasina hanohana ny fiainana fizika intsony ny

Tany Vaovao sy ny Lanitra Vaovao. “Olona” araka ny fanahy ihany no

honina eto an-tany amin’izany fotoana izany.

(2) Amin’izany fotoana izany, hidina eto an-tany va ny seza

fiandrianan’Andriamanitra izay any amin’ny lanitra fahatelo

ankehitriny, ary honina eto an-tany va Andriamanitra Ray ? Apo. 21: 2-

3.

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!