14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

55

firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo isan-taona mandritra io

Fanjakana arivo taona io, satria dia ho faizin’i Jehovah izay firenea tsy

tonga miakatra isan-taona mankalaza ny andro firavoravoana fitoerana

an-trano rantsan-kazo (Rom 11: 25-26, 30-31; Isaia 2: 3; 11: 9; Jeremia

31: 33; Hebreo 8: 10, 10: 16).

« Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa

ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po, dia

toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany

famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom

11:30-31)

Endrika hankalazana ny Fetin’ny Tabernakely

Manambara ny Fanjakana arivo toaona ny Fetin’ny

Tabernakely

Any amin’ny toeram-pilasiana no mety hanaovana ny

fitandremana ny Fetin’ny Tabenakely, misintaka sy manalavitra ny

faneriterena mahazatra sy mampihemotra isan-karazany.

Ny Fetin’ny Tabernakely dia toy ny fisantarana ny fahafahana,

sy fiadanana ary fifaliana manerana izao tontolo izao, hiseho amin’ny

Fanjakana arivo taona (Milenioma), rehefa tsy afaka hanapotika intsony

Satana, fa ny Fanahin’Andriamanitra kosa hitarika ny olombelona

rehetra.

Izany fisantarana fizika izany dia andro misy firahalahiana

kristiana maharitra sy mahitsy, ary fiaraha-miaina am-piadana sy

malalaka.

Hiaraka amin’ireo koa ny Fety ara-panahy fanabeazana sy

fampianarana ny làlam-piainan’Andriamanitra, toy izay hiseho amin’ny

fiverenan’i Kristy manerana izao tontolo izao.

Ny fianakavian’Andriamanitra manjaka

Ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanerana ny tany rehetra, dia ho

tantanan’ny Fianakavian’Andriamanitra. Raha nitory ny Fanjakan’

Andriamanitra Jesosy dia niresaka ny amin’ny Fianakavian’

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!