14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

64

ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po

ankehitriny noho ny famindram-po azonareo. » (Rom 11:31) « Fa

Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba

hamindrany fo amin'izy rehetra. » (Rom 11:32).

100 taona ny Fitsaran’Ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe

Rehefa tapitra ny arivo taona, ireo olona atsangana amin’ny

maty ara-nofo (fitsanganana faharoa) dia tsy dorana avy hatrany fa

mbola omena fotoana hitsapana azy, eny hampahafantarana azy koa

an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpamonjy ary ny

Planin’Andriamanitra hamonjena ny olombelona rehetra.

Hanana fotoana hianarana ny marina sy hanampahan-kevitra

hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo tsy misafidy hanaraka

an’i Satana, satria na ny ratsy fanahy aza dia haharitra zato taona vao

hozonina noho ny fahari-pon’Andriamanitra (Isaia 65:20).

Andriamanitra Mpamonjy antsika koa dia tia ny hamonjy ny olona

rehetra (1 Timoty 2: 4), sady tsy tiany hisy very fa mba ho tonga

amin’ny fibebahana izy rehetra (2 Petera 3:9a). Raha tsy marina izany

fa haringana avy hatrany ireo vao natsangana ireo dia tsy ilaina akory

ny fanokafana indray ny boky (Baiboly) hampianarana ny olona sy ny

boky fanoratana izay ataon’ny olona, ary ny bokin’ny fiainana.

Tsy sanatria akory Andriamanitra misalasala fa sao nanao

fahadisoana ka nisy olona hadino tamin’ny nadraisany ireo voalohambokatra

natsangana voalohany, ary izao vao hanarina ny diso, na hoe

hanome vintana fanindroany ho an’ireo tsy tafita tamin’ny fitsanganana

voalohany! Ny marina dia izao: ireto vao natsangana ireto dia tsy

nahalala akory an’Andriamanitra marina sy ny Planin’ny famonjena,

ary tsy nahafantatra an’i Jesosy Kristy marina sy ny famonjena izay

nataony. Koa izao izy ireo vao mandre ny amin’izany fahamarinana

rehetra izany, ary izao izy vao hanana fotoana hisoratan’ny anarany ao

amin’ny bokin’ny fiainana araka ny fahatahorany an’i Jehovah izay

inoany rehefa fantany.

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!