14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

59

taona (Milenioma) amin’ny olona mbola nofo aman-drà izay hiaina eto

an-tany.

Vakio ny Apo 2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4b; Dan 7:27.

Maro amin’ireo olom-boavonjy hiara-manjaka amin’i Kristy ireo no

hanapaka tanàna betsaka na vitsy araka ny fiezahany nandritry ny

fiofanany teto an-tany (Lio 19:16-19).

Misy ny olona tsy mino ny fisian’izany fanjakana hataony izany, na

tsy te-hanao izany akory aza ny sasany.

Ankoatry ny maha mpanjaka azy, ireo olom-mboafidy ireo dia

ho mpisoron’Andriamanitra, izay hampianatra ny olona toy izay

nataon’ireo mpisorona tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely (Apo 1:6;

5:10; 20:6).

Izao no asa ataon’ny mpisorona: « Fa ny molotry ny mpisorona

tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany,

satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy. » (Mal 2:7)

Ny fampiarana ny olombelona araka ny fomban’Andriamanitra dia

ho lohalaharana ao amin’ny Fanjakana. Handray ny didy mivantana avy

amin’i Kristy ireo mpanjaka ary hampihantra ny lalàn’Andrimanitra

manontolo izay hitondra fiadanana sy fifaliana ho an’ny olon-drehetra.

Amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, ny Fianakavian’

Andriamanitra dia vonona ho amin’ny dingana farany amin’ny Planin’

Andriamanitra, dia Fitsarana sy Fampianarana ireo olombelona amin’ny

Fitsanganana Faharoa, ambaran’ ny Fara-fivoriana.

7. FARA-FIVORIANA NA FITSARANA FARANY

Ara-bakiteny

Ara-panahy

Tohin’ny asa tamin’ny

Fetin’ny Tabernakely ny

amin’ny Fara-fivoriana,

Fanombohan’ny fiainana mandrakizay

ihany ho an’ny olombelona ny

Fanjakana arivo taona

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!