14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

75

Ny Fetin’ny Tabernakely: manambara ny Fanjakana arivo taona,

fotoam-piadanana mahagaga manerana izao tontolo izao, andro

famelombelomana andrasana sady tanjona antenain’ny Kristiana.

Ny Andro Lehibe Farany : Fitsanganana faharoa, fotoana zato

taona ahazoana mianatra sy mahafantatra tanteraka an’Andriamanitra

marina sy mankatò ny làlany.

Ireto zavatra ireto izany no hitranga aorian’ny Milenioma na

Fanjakana arivo taona: Fitsanganana faharoa, arahin’ny fahafatesana

faharoa ho an’ireo tsy nibebaka mihitsy; ary farany dia ny lanitra

vaovao sy ny tany vaovao.

Amin’izao fotoana fanombohan’ny andro farany izao, dia mety

amintsika ny miezaka hanana toetra tsara mendrika ny fitsanganana

voalohany mba ho isan’ny voaloham-bokatra ao amin’ny

Planin’Andriamanitra ho famonjena. Io Planina io dia efa namboariny

hatrany am-piandohana ary nomaniny ho mandrakizay.

Fahatelo: Ahoana ny Amin’ny Firavoravoan’ny Sabata?

Nahoana Andriamanitra no nandidy ny fitandremana ny Sabata

isan-kerinandro ho isan’ny didy folo? Ary nahoana io didy io no tsy

ekena saika eran’izao tontolo izao?

Ny an-kabeazan’ny tsy fahazoana sy tsy fampiharana ny didy

Folon’Andriamanitra dia ny didy hoe: “Mahatsiarova ny andro sabata

hanamasina azy” (Eks 20:8). Betsaka no mijery ny Sabata ho toy ny

“zavatra tonta mahafinaritra” teo amin’ny tantara, angamba fomba

fijery tamin’ny fotoana iray taloha, tsy mahazatra intsony amin’izao

andro ankehitriny feno fahasahiranana izao.

Misy mino fa ny Alahady no Sabata ary mandany ora iray na roa ao

am-piangonana dia mahafeno izay lazain’ny didy Fahefatra.

Ny sasany kosa mino fa efa nofoanan’i Jesosy Kristy ny Sabata, ary

nosoloina andro fitsaharana manokana, araka izay fidin’ny tsirairay ho

masina hanompoany an’Andriamanitra. Betsaka no mino fa ny

Apostoly Paoly na ny Fiangonana voalohany dia nanova ny Sabata ho

Alahady.

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!