14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

56

Andriamanitra, sady nanazava ny fomba hahateraka ny olona ao anatiny

amin’ny alalan’i Kristy.

Nohazavain’i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia

Fianakaviana izay azon’ny olona idirana amin’ny fahateraham-baovao,

saingy amin’ny fombam-panahy fa tsy amin’ny nofo.

« Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia

marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita

ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » (Jao 3:3)

« … Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo

miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jao 3:5)

Araka izay efa hitantsika tamin’ny lesona tany aloha, Andriamanitra

dia tsy zavatra tokana. Ny teny Hebreo nadika hoe Andriamanitra dia

Elohim (Gen 1:1), izay teny milaza fahamaroana, midika hoe “Ireo

Mahery”. Andriamanitra dia Fianakaviana, na Fanjakana misy

mpikambana mihoatra ny iray.

Inona no modelin’ny Fanjakana noforonin’Andriamanitra ho

an’ny fianakavian’olombelona?

« Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no

Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia] »

(Efe 5:23) « Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no

haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia] »

(Efe 5:24)

« Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa

marina izany. » (Efe 6:1) « Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no

didy voalohany misy teny fikasana), » (Efe 6:2)

Fanamarihana: Noforonin’Andriamanitra ho ohatra amin’ny

Fianakaviany ny fianakavian’olombelona. Izany no nandidiany ny

olombelona hitantana ny ankohonany amin’ny fankana ohatra amin’ny

Fianakavian’Andriamanitra, izany hoe amin’ny fanekena ny baikon’ny

“filoha” na ny “mpitondra”.

Ny Fianakavian’Andriamanitra dia manaraka rafitra natao hanjaka.

Io rafitra io dia misy andraikitra maro isan-karazany tsy maintsy

tanterahin’ny zanak’Andriamanitra, rehefa teraka amin’ny maha fanahy

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!