14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

62

Hosokafana amin’ny fahazoana tanteraka ny marina ny fanahin’izy

ireo. Amin’izany fotoana izany, na dia ireo mponin’i Sodoma aza, sy ny

tanana jentilisa hafa marobe izay nofitahin’i Satana tamin’ny andro

taloha, dia hahazo fitsarana moramora kokoa noho ny an’ireo niarabelona

tamin’i Kristy. Satria ireo jentilisa taloha ireo dia TSY

NAHAFANTATRA akory izay momba an’Andriamanitra sy ny làlany.

TSY AZO heverina ho tompon’andraikitra tamin’ny « fahajambany »

izy ireo ! Nilaza ny amin’io fitsanganana ho amin’ny nofo aman-drà io

Kristy: Mat 11: 20-24; 12: 41-42. Nanome tsiny ireo tanàna nanaovany

fahagagana sy asa hafa Izy, satria nanao tsinontsinona izany fijoroany

ho vavolombelona izany ireo mponina ireo. Nambarany fa raha natao

tany Tyro sy Sidona ireo asa ireo, dia efa ho nibebaka marina izy ireo.

Toy izany koa ny tany Sodoma sy Kapernaomy.

Ao amin’ny Mat 12:41-42, dia ampitahain’i Kristy amin’ny

mponin’i Ninive sy ny fampitandremana nataon’i Jona, ary koa ny

mpanjakavavin’ny Seba teo anatrehan’ny fahendren’i Solomona, ireo

mpiara-belona tamin’i Kristy ireo.

Misy olona sasany antsoina ho amin’ny fitsanganana voalohany, ary

ny sasany kosa tsy maintsy miandry ny fitsanganana faharoa: Apo.

20:4, 6. Ny fitsanganana voalohany dia natao ho an’izay nantsoina ho

voaloham-bokatra hiara-manjaka amin’i Kristy. Saingy miaraka amin’io

tombotsoa io kosa dia misy fisedrana sy fitsapana izay tsy tanty na tsy

vitan’ny ankabeazan’ny olona. Ireo izay voafidy tany amin’ny andro

taloha dia niaritra hatramin’ny fahafatesana. Izany no ilazany ao

amin’ny andininy faha 4 toy ny hoe tsy maintsy ho tapa-doha izy ireo,

izany hoe manaiky hatramin’ny fahafatesana.

Olona an-davitrisany marobe izay niaina sy maty talohan’ny

nihavian’i Kristy voalohany no hatsangan’Andriamanitra amin’ny maty

amin’ny fitsanganana faharoa. Ao koa ireo an-davitrisany marobe izay

niaina sy maty taorian’i Kristy, sy ireo izay mbola velona ankehitriny

nefa JAMBA ny masom-panahiny eo anatrehan’ny fahalalana

an’Andriamanitra marina sy ny tanjony amin’ny namoronana ny

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!