14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

15

fito Andriamanitra – toy ny nampahafantarany zavatra sasany mifototra

amin’ny isa fito. Hatrany am-boalohany, Andriamanitra dia namorona

ny andro fito amin’ny herinandro (Gen 1). Ny andro fahafito dia

nofidiny ho Sabatany masina (Gen 2:1-3). Taorian’izay dia nanome ny

Andro masina fito isan-taona Izy, hampahafantarany ny Planiny sy ny

Tanjony ho an’ny zanakolombelona (Lev 23). Ao amin’ny Testamenta

Vaovao, dia hitantsika ny fanoritany ny Fiangonana FITO ao amin’ny

Apokalypsy (Apo 1:20 ; Apo 2 ; Apo 3). Azontsika vakina koa fa misy

ny Tombokase FITO, Trompetra FITO, Loza FITO farany, ets.

Satria ny isa fito dia mariky ny fahatotontasana na ny fahatanterahana.

Noho izany, raha azontsika, toa tsy misy dikany ny fankalazana

Fetin’Andriamanitra fanao isan-taona IRAY IHANY, izay manoritra ny

am-pahany iray fotsiny amin’ny Planiny, fa HADINOINA kosa ny sisa.

Mba hijerena ankapobeny izay ho hitantsika amin’ny antsipiriany, dia

‘ndeha hodinihina fohy ireo Fetin’Andriamanitra ara-panahy FITO

isan-taona, hahazoantsika bebe kokoa ny Planina sy ny TANJONA

ambaran’izy ireo.

Voalohany, ankalazaintsika manetriketrika ny fijaliana sy ny

fahafatesan’i Kristy nisolo antsika. Ny Baiboly dia miantso izany hoe «

Paska ». Io no manamarika ny fankatoavantsika ny tenan’i Kristy

torotoro sy ny rany latsaka, izay natolony antsika amin’ny maha

Mpamonjy Azy. Tadidio anefa fa dingana voalohany amin’ny

Planin’Andriamanitra ihany io!

Manaraka izany, tsy maintsy MITOMBO amin’ny fahasoavana sy

fahalalana an’i Jesosy Kristy isika (2 Pet 3:18), ary MANARY any

ivelan’ny fiainantsika ny lalantsika taloha sy ny fahazarantsika manota.

Izany fahaiza-miaina izay manery antsika « handresy » izany no

tantarain’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira.

Fahatelo, isika rehetra izay mamorona ny Fiangonana nateraky ny

Fanahy Masina – ny « ondry vitsy » (Lio 12 :32) – isika dia « santatra »

ihany amin’ny vokatra ara-panahy lehibe izay hiseho aorian’ny

Fiverenan’i Kristy. Noho izany, ny Fety isan-taona fahatelo, ny

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!