14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

14

Jehovah no nametraka ireo andro voatokana ireo amin’ny toerana

ambony kokoa noho izay fankalazana noforonin’olombelona rehetra.

Ny lehilahy sy ny vehivavy dia afaka manokana fotoana ho

an’Andriamanitra noho ny zava-kendreny; fa Andriamanitra irery no

afaka manokana fotoana masina ho Azy. (Gen 2:3; Eks 20:8, 11; Lev

23:2, 4, 37). Rehefa mampiseho fankatoavana marina sy mankafỳ

ireo andro voatokana isan-taona ireo isika, dia manome haja sy

voninahitra an’Andriamanitra, satria manaiky ny fahefany eo

amin’ny fiainantsika. Ny fahatakarana izany fitsipika izany dia zavadehibe

raha hivavaka marina amin’Andriamanitra, araka izay

nolazainy hoe:

« Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy,

satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany

rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. » (Gen 2:3)

« Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. » (Eks 20:8)

« Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny

ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy

tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro

Sabata sy nanamasinany azy. » (Eks 20:11)

JERY ANKAPOBENY NY PLANIN’ ANDRIAMANITRA

Ny ankamaroan’ireo milaza ho Kristiana dia mitandrina izay

antsoiny hoe « Fanasan’ny Tompo », « Lamesa », « Eokaristia », na

izay fanao mitovy amin’izany, mitarika ho amin’ny fizarana ny mofo sy

ny divay izay manamarika ny sorona nataon’i Kristy.

Vitsy amin’izy ireo anefa no mahazo ny antony anaovany izany,

sady samy hafa koa ny fanatanterahany azy araka ny antokompivavahana

(anara-piangonana) arahiny.

Io fomba fanao io dia fahatsiarovana ny DINGANA VOALOHANY

IHANY amin’ny Planin’Andriamanitra. Ho an’ny ankabeazan’ny

Kristiana, ireo dingana hafa rehetra dia tena tsy jerena akory, koa noho

izany dia tena tsy azony izay dikany. Manana Planina misy dingana

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!