14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

57

azy izy ireo, izany hoe rehefa mpikambana ao amin’ny Fanjakana

manerana izao tontolo izao.

Ny Fanjakana lavorary an’Andriamanitra

Vakio Isa 58 :12 (Hanangana ny efa rava ela)

Napetrak’Andriamanitra teto an-tany aloha ny arkanjely Losifera

mba hitantana ny Fanjakan’Andraiamanitra; tsy maintsy nampaneken’i

Losifera io Fanjakana io koa ireo anjely napetraky ny Mamporona

niaraka taminy teto. Nitsahatra tsy niasa teto an-tany intsony anefa io

Fanjakana lavorary io rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Losifera

(izay novana anarana hoe Satana).

Tao amin’ny Saha Edena, Adama dia nomen’Andriamanitra

fotoana hisolo an’i Satana amin’ny maha mpanapaka izao tontolo izao.

Tsy nahomby anefa i Adama satria nadray fanapahan-kevitra ratsy.

Efatra arivo taona taty aoriana dia tonga ilay “Adama farany” – Jesosy

Kristy – izay nahomby tamin’ny toetra ilaina hisolo an’i Satana, noho

ny fankatoavany tanteraka an’Andriamanitra. Na izany aza anefa, tsy

nandray avy hatrany ny seza fiandrianana eto an-tany i Kristy. Niakatra

any an-danitra Izy, ary nanorina ny Fiangonany eto an-tany tamin’ny

alalan’ny Fanahiny Masina – Fiangonana izay ahafahan’ny olona

marobe manana ny toetra ilaina hanjaka miaraka aminy. Sahabo ho roa

arivo taona aty aoriana kosa dia hiverina eto an-tany indray Kristy

hanangana ny Fanjakanan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao

(Asa 3:19-21), sady hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida

rainy (Lio 1:32). Ireo olom-boavonjy, mpiara-manjaka aminy koa dia

hanana ny seza fiandrianany eto an-tany (Lio 19:17, 19; Jao 14:2-3).

Tenin’Andriamanitra maro no manambara ny rafitra arapitantanan’ny

Fanjakan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao.

Ohatra: Vakio daholo misesy ny toko sy andininy omena.

Hisolo ny fanapahana rehetra eran’izao tontolo izao

mandrakizay mandrakizay ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa mijoro

eto an-tany. (Apo 11:15; Zak 14:9; Apo 19:16; Jao 18:37).

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!