14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

18

Ireo Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah ireo dia sarin’ny

Planin’Andriamanitra TOKOA. Ny fetim-pivavahana hafa avy amin’ny

fanompoan-tsampy, izay nampidirin’i Satana tamin-kasomparana sy

fitaka ao amin’ny fiangonana dia tena somonga ratsy mihitsy.

Ny marina dia izao, mivavaka amin’ny andriamani-tsi-izy sy Kristy

sandoka ireo fiangonana ireo, ary manosika antsika hanaiky filazantsara

diso, izay mifanohitra mivantana amin’ny hafatra marina notorin’i

Jesosy Kristy sy ny Apostoly !

Ireo Fety fito ireo – ny roa aminy maharitra fito andro, ary ny dimy

maharitra indray andro ihany – dia misy andro sivy ambin’ny folo isantaona

ny fitambarany. Amin’ireo andro sivy ambin’ny folo ireo, ny fito

dia fitsaharana manokana na “Sabata”. Ireo Sabata fito isan-taona ireo –

izay antsoina hoe koa « Fivoriana Masin’Andriamanitra isan-taona » -

na « Andro Masin’Andriamanitra isan-taona », dia ireto avy : ny Paska,

ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ny Pentekosta, ny Fitsofana Trompetra,

ny Andro Fanavotana, ny Tabernakely, ary ny Fara-Fivoriana (antsoina

hoe koa Andro Fahavalo amin’ny Tabernakely).

Fotoan’ireo Fivoriana masina tsirairay isan-taona

« Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay

hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy: » (Lev 23:2)

« Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena

andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory

ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra

izany. » (Lev 23:3)

« Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana

masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy: » (Lev 23:2, 4, 37)

Paska : andro Faha 14 Nisana, rehefa hariva.

Mofo Tsy Misy Masirasira : andro Faha 15 hatramin’ny faha

21 Nisana. Misy andro fitsaharana roa: faha 15 sy faha 21

Nisana.

Pentekosta: andro Faha 50 isaina manomboka ny ampitson’ny

Sabata ao anatin’ny herinandron’ny Paska.

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!