14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

71

hoe: « Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika

ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » (1 Jao 5:3)

Mitovy ny fiaraha-miangona fanao amin’ny Sabata sy amin’ireo

Fotoam-pivavahana notendren’i Jehovah isan-taona

Nambaran’Andriamanitra tamin’ireo Kristiana voalohany ny

fitovian’izay atao amin’ny fiaraha-miangona fanao amin’ny Sabata sy

amin’ireo Fotoam-pivavahana notendreny isan-taona:

(Heb 10:23-25) « aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny

fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny

teny fikasana); » « ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny

fitiavana sy ny asa tsara; » « aza mahafoy ny fiarahantsika miangona,

tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo

fa mihantomotra ny andro. »

Fotoana tsara indrindra hifampaherezana sy hifaporisihan’ny mpino

ny Andro Firavoravoana satria manambara ny Planin’Andriamanitra ho

famonjena ny olombelona rehetra, sady Sabata lehibe izany! (Jao

19:31c).

Rehefa miombom-bavaka amin’ireo andro fivoriana masina isantaona

ireo isika, dia manana fotoana hianarana bebe kokoa momba ny

Planin’Andriamanitra amin’ny famonjena.

Ny Fiangonana voalohany dia nanohy nitandrina ireo andro fety

isan-taona ireo araka izany fitsipika izany ihany, saingy miampy

fahalalana ny hevi-panahiny bebe kokoa (Asa 2; 1 Kor 5:6-8). Nitory

koa izy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanomezana ny

Fanahy Masina ho an’ny olona izay mino. Nampianariny koa ny

famonjena sy fanasitranana ary famahana olana ataon’i Jesosy Kristy

Izay efa any an-kavanan’ny Ray any an-danitra. Nohazavainy ny hevipanahin’ireo

Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, toy izao hita

manaraka izao.

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!