14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

65

FAHAFATESANA FAHAROA SY FANAVAOZANA NY TAREHIN’NY TANY

Inona no zavatra hiseho manaraka ny Fitsaran’ny Seza

Fiandrianana Fotsy Lehibe? Apo. 20: 8, 13-15; Sal 104:30.

« Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy

ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary

ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy

mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apo 21:8)

« Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny

fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* namoaka ny maty tao aminy; dia

samy notsaraina araka ny asany izy. [* Gr. Hadesy] » (Apo 20:13)

« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny

farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr.

Hadesy] » (Apo 20:14) « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny

bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apo

20:15)

« Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao ny

tarehin'ny tany Hianao. » (Sal 104:30)

Ny Fahafatesana faharoa

Ankoatry ny famonjena ireo olona tsy nanana anjara tamin’ny

fitsanganana voalohany, ny fitsanganana faharoa dia natao koa

handringanana ireo izay nanda ny famonjena natolotr’Andriamanitra

azy. Andriamanitra dia namorona ny olombelona mba hovolavolaina sy

hampitomboina ho tonga zanaka ao anatin’ny Fianakavian’

Andriamanitra. Nefa nomena fahafahana mandray fanapahan-kevitra

amin’ny tenany ny olombelona. Tsy maintsy misy amin’izy ireo izay

hitsipaka tanteraka izany tanjon’Andriamanitra izany. Noho ny

indrafon’Andriamanitra dia tsy hijaly mandrakizay ao anaty afo izy ireo

mandritra ny fanjakan’Andriamanitra, fa holevonina mandrakizay kosa,

toy ny tsy nisy. Ho levon’ny afo vetivety izy ireo (Mal 3:19-21), toy

izay miandry an’ilay mpanakarena ao amin’i fanoharana nataon’i

Jesosy (Lio 16:24). Izy ireo no ambaran’ny Apo 21:8 hoe hiharan’ny

fahafatesana faharoa, aorian’ny fananganana azy tamin’ny maty.

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!