14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

46

Amin’ny fotoan’ny Fanjakana arivo toana: dia fanidiana an’i

Satana any amin’ny lavaka tsy hita noanoa, mba tsy hamitahany ny

firenena intsony (Apo 20:1-3).

Amin’izao androntsika izao:

Ny ohatra amin’ny fanavotana dia ny nanasitranan’i Jesosy ilay

lehilahy azon’ny demonia tany amin'ny tanin'ny Gerasena izay

tandrifin'i Galilia.

Mila miambina ny olona efa nanaovam-panavotana mba tsy ho

voafitak’i Satana, sy ho lavo amin’ny fahotana efa nanadiovana azy

intsony; toy izany no nataon’i Davida mpanjaka (Sal. 32:5, 51:4, 10;

Levitikosy 16:7-10, 15-16, 29-30).

Tari-dalana ho fanatanterahana ny fanavotana na“délivrance”

a. Noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Jehovah

dia nanafaka faobe (délivrance faobe) ny Isiraely tamin’ny

fahandevozany tany Egypta.

b. Nanome didy sy fitsipika an-tsipiriany tsy maintsy tandremana

Jehovah na dia nanafaka faobe tamin’ny fahandevozana aza.

c. Nafahin’Andriamanitra faobe tamin’ny ota sy ny tambiny isika

tamin’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Ireto manaraka ireto kosa ny

fitsipika an-tsipiriany handraisana ny vokatr’izany fanafahana faobe

izany (Andraikitra takina amin’ny Kristiana):

i. Mila mankatò izany famonjena izany isika;

ii. Mila mahafatatra tsara Ilay Mpamonjy;

iii. Mila maharitra amin’ny fahamasinana sy toe-panahy araka

an’Andriamanitra;

iv. Esory ny masirasira ela araka izay tsy maha-misy masirasira

anareo, fa voavono Kristy, Paska ho antsika;

v. Esory ny fireharehana, ny lolompo, ny fialonana, ny fitsiriritana,

ny faharatsiana rehetra;

vi. Manàna fahadiovam-po sy fahamarinana ;

vii. Aza mijangajanga, na dia ao am-po ihany aza;

viii. Manàna fahamoram-panahy sy fahalemem-panahy;

ix. Manaova soa ;

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!