14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

43

ny osilahy izay niharan'ny

filokana ho an'i Jehovah ka

hataony fanatitra noho ny ota. »

(Lev 16:9)

-Fandroahana ny osilahy an’i

Azazela

« Fa ny osilahy izay

niharan'ny filokana ho an'i

Azazela kosa dia hapetraka

velona eo anatrehan'i Jehovah

hanaovana fanavotana ho azy,

mba handefasana azy hankany

an-efitra ho an'i Azazela. »

(Lev 16:10)

Fivavahana ombam-panetretena

sy fifonana noho ny

fahotana rehetra natao;

fibebahana ombam-panomezantoky

hialana amin’ny ratsy

fanao.

Ao anatin’ny fanetre-tena

ny fankatoavana ny fepetra

rehetra andidiana ny fiangonana,

na dia tsy mbola takatry ny

saina aza ny heviny (ohatra:

akanjo fotsy sy manga).

Fanavotana: Hevitra ara-panahy (Tohiny)

Amin’izao androntsika izao

Dingana faharoa

Ny mpisorona manao fanavotana ho an’ny tenany sy ny ankohonany

Mandritry ny litorjia, ny loholona rehetra, sy ny diakona, afa-tsy izay

nanatanteraka ny fisoronana, dia miara-mipetraka amin’ny fiangonana

fa tsy miavaka eny aloha akaikin’ny polipitra; tsy manao ny akanjo

pastoraly fa manao fitafiana tsotra toy ny an’ny rehetra, ho mariky ny

fanetretena sy fanekena ny fitsipika navoakan’ny mpitondra. Ny rehetra

dia mangatam-pamelan-keloka sy mibebaka, ary mifamela heloka sy

mifady hanina toy fiangonana manontolo.

Araka ny Tenin’ Andriamanitra tokoa, mialoha ny hanaovany

fanavotana ho an’ny olon-drehetra, dia manao izany ho an’ny tenany sy

ny ankohonany ny mpisorona, mba tsy hahazo azy ny tenin’i Jesosy

manao hoe: « Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!