14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

You also want an ePaper? Increase the reach of your titles

YUMPU automatically turns print PDFs into web optimized ePapers that Google loves.

77

sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny

kintana] » (2 Pet 3:10).

Ireo fahavalon’i Kristy roalahy (Satana sy ny mpaminany sandoka)

sy ireo olona tsy nety nibebaka mihitsy dia hatsipy any amin’ny farihy

afo amin’ny fiverenan’i Kristy.

« Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia

ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa

nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny;

ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy

roroa. » (Apo 19:20)

« Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana,

dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. » (Apo 20:15)

Ho levon’ny afo toy ny lavenona ireo olona tsy nibebaka ireo

« Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary

ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka

dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,

ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. » (Mal 3:19)

« Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny

Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny

tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby

mifahy; [Heb. elany] » (Mal 3:20) « ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy;

fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay

hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. » (Mal 3:21)

Hatsipy any amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita

« Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany

amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [*

Gr. Hadesy] » (Apo 20:14)

Izao no hevitr’izany: Ireo olona tsy nibebaka fa nandà

an’Andriamanitra ihany no olona mety maty halefa ao anatin’io afo io

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!