14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

72

Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro

Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany

« Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana

iray izy rehetra. » (Asa 2:1) « Ary nitsangana Petera sy ny iraika

ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry

lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho

fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: » (Asa 2:14)

« Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe: » (Asa 2:16)

« Amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny

Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny

zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana, ary ny

lahiantitrareo hanonofy; » (Asa 2:17) « Ary ny mpanompoko, na lahy

na vavy, dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, ka dia

haminany izy; » (Asa 2:18)

« Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary

vavolombelon'izany izahay rehetra. » (Asa 2:32) « Ary rehefa

nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra* Izy, ary nandray

tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka

izao hitanareo sy renareo izao Izy. » (Asa 2:33) « Koa aoka ho fantatry

ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo

tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy

Kristy. » (Asa 2:36)

« Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka

nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no

hataonay? » (Asa 2:37) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka

samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba

hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia

ny Fanahy Masina; » (Asa 2:38)

Toriteny nataon’i Paoly tamin’ny fety Fihinanana Mofo Tsy

Misy msirasira

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!