14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

63

olombelona. Ireo rehetra ireo dia ho entina amin’ny fahafantarana

MARINA sy ny fibebahana ! Handray ny Fanahy Masina koa izy ireo,

izany hoe ny tena toetran’Andriamanitra, rehefa nibebaka sy vita batisa,

tahaka antsika amin’izao fotoana izao. Rehefa izany, aorian’ny taona

maro dia hitombo amin’ny fitiavana sy fahalalana an’Andriamanitra sy

Jesosy Kristy Mpamonjy izy ireo (2 Pet 3:18).

Hanana anjara amin’ny famonjena koa izy ireo, homena fiainana

mandrakizay ao amin’ny Fanjakana sy ny Fianakavian’Andriamanitra.

Ny fiantsoana azy ireo izany dia mbola any aoriana miohatra amin’ny

antsika, saingy tsy maintsy ho tonga izany !

Amin’ny farany izany, ny olombelona rehetra dia hanana anjara

manandrify azy amin’ny famonjena marina. Ny ANDRO MASINA

FAHAFITO amin’ny Planin’Andriamanitra, ilay antsoina hoe

« ANDRO FAHAVALO » ao amin’ny Fetin’ny Tabernakely – izay

andro Fety mitokana (Lev 23:36) – no manambara io fotoana lehibe sy

mahafinaritra aorian’ny Milenioma io, rehefa hahazo ny anjara

hahafantatra ny MARINA ny olombelona rehetra.

Nilaza ny amin’io fotoana io Kristy ao amin’ny Jao 7 :37-38,

manao hoe « Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny

andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha

misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » « Izay

mino* Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony,

araka ny voalazan'ny Soratra Masina. » (*Mino = midika hoe koa

Misotro ami’ny teny Malagasy)

Mandritra ny fitsaran’ilay Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe dia

hisokatra ny mason’IREO IZAY NIAINA REHETRA ary ho afaka

mamaly* an’Andriamanitra izy sy homena ny Fanahy Masina

(*Mamaly = Manaiky na mandà mandritry ny fitsarana).

Ity Fety fahafito notendren’i Jehovah ity no MAHAFENO ny jery

an-kapobeny momba ny Planin’Andriamanitra amin’ny famonjena.

Nisy ireo marobe tsy nahafantatra ny fomba sy fotoana

hamonjen’Andriamanitra azy ireo, satria izay no Planiny, araka izay

nosoratan’i Paoly ao amin’ny Rom 11 :32-33 hoe: « dia toy izany kosa

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!