14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

74

Faharoa: Famintinana Ireo Andro Firavoravoana Isan-Taona

Ny fanarahana didin’Andriamanitra dia araka ny finoana. Hoy

Paoly: « fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana; » (2 Kor 5:7)

Araka izany dia zava-dehibe amintsika ny manomboka mitandrina

ny Andro Masin’Andriamanitra rehefa mianatra momba azy ireo. Na

dia tsy mbola mahazo ny zava-drehetra aza isika eo am-boalohany, dia

hianatra zavatra betsaka kokoa rehefa tena manomboka mitandrina azy.

Fotoam-pifaliana ho an’ny zanak’Andriamanitra ny andro

firavoravoan fanao isan-taona, tsy noho ny dikany amintsika ihany, fa

noho ny fanantenana entiny ho an’ny olon-drehetra. Ny fitanandremana

ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah dia mampahatsiaro antsika

ny fitiavan-dehibe omen’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Ny

fivavahana amin’ireo andro ireo dia fifaliana sy fahafinaretana. Tena

fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olony marina tokoa ireo.

Ny dingam-pamonjena harahin’izay maniry ho voaloham-bokatra

ara-panahy miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia hazavaina

ao amin’ny Fetin’ny Paska hatramin’ny Fetin’ny Tabernakely. Ireo tsy

nanana anjara tamin’ny fitsanganana volohany kosa dia amin’ny

fitsanganana faharoa vao hahafantatra ny Planin’ny Famonjena sy

Jesosy Kristy Mpamonjy ary Andriamanitra marina. Ireo izay mino sy

mankatò dia hovonjena fa izay tsy mino sy mandà kosa dia holevonina

mandrakizay any amin’ny farihy afo.

Ny Paska dia manamarika ny nahafatesan’i Kristy, ho

famonjena antsika.

Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, manamarika ny

fivoahantsika amin’ny ota.

Ny Pentekosta, manambara ny fandraisantsika ny Fanahy

Masina avy amin’Andriamanitra.

Ny Fetin’ny Trompetra, manambara ny fivererenan’i Kristy

hamonjy ny olombelona tsy ho fongotra noho ny ataony ihany, ary koa

handray ireo olo-masina, voaloham-bokatry ny Fanahy nomena fiainana

mandrakizay, ary hamerina ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.

Ny Andro Fanavotana, manambara izay hitranga amin’i Satana

sy ny devoly namany aorian’ny fiavian’i Kristy indray.

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!