14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

68

« Ary mitandrema Fotoam-pivavahana manarakaraka ireo

herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo,

izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao; » (Deo

16:10) « ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny

zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny

ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy

ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany

izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany. »

(Deo 16:11)

« Tandremo hafitoana ny Fotoam-pivavahana fitoerana amin'ny

trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy

ny famiazanao. » (Deo 16:13) « Ary mifalia amin'ny andro

firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny

ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy

ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao. » (Deo 16:14)

Ireo mpanohitra dia nanameloka ny fiangonana Kolosiana tamin’ny

fomba fitandremany ny andro Firavoravoana. Mariho fa tsy nitsipaka ny

fitandremana ireo andro masina ireo i Paoly.

Ivereno indray ny tenin’i Paoly:

« Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny

fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny

Sabata; » (Kol 2:16) « aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia

an'i Kristy. » (Kol 2:17)

Miteny amin’ny Kolosiana i Paoly, manao hoe: aza mihaino izay

fitsaran’ireo mpanohitra ireo ny amin’ny fomba fifalianareo, na ny

fisotro, na ny fihinana amin’ny andro firavoravoan’i Jehovah.

Tsy ny fitandremana ny Fotoam-pivavahana no lazain’i Paoly hoe

tsy azo atao, fa ny fitsikeran’ireo mpanohitra no resahiny amin’ny

Kolosiana hoe aza henoina. Ny Kolosiana Kristiana, izay Jentilisa

taloha (Kol 2:13), dia miara-mitandrina amin’ny Jiosy ny andro

firavoravoana sy ny Sabata isan-kerinandro, sy ny voaloham-bolana, 30

taona mahery aty aorian’ny nahafatesana sy ny nitsanganan’i Jesosy

Kristy tamin’ny maty.

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!