14.07.2020 Views

Fanamasinana ny Fotoam-pivavahana Voatendrin'i Jehovah

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10). Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io. Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16). Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay. Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

FANAMASINANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA VOTENDRIN’I JEHOVAH
Noho ny voninahitr’Andriamanitra, dia nesoriny teto an-tany ny Fanjakany taorian’ny fikomian’i Satana (Isa 14:12-17; Apo 12:7-9) izay niteraka ny fahasimban’ny tany (Gen 1:2). Tarigetrany anefa ny hamerina indray io Fanjakany io eto an-tany (Mat 6:10; Dan 2:44-45; Heb 2:10).
Ny hevi-panahin’ny Planin’ny Famonjena, misy dingana fito ambaran’ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah, no manazava ny fomba hanovana ny olombelona nofo aman-dra ho tonga Fanahy, handova mandrakizay io Fanjakana io.
Nomen’i Jehovah tenin’Andriamanitra maro, mifanandrify amin’ny datin’ireo andro firavoravoana ireo ny fiangonana mandritry ny taona maro. Hafatra ho an’ny fiangonana izany, mba hitodihany amin’ireo Andro Masina ireo, handinihany ny maha tenan’i Kristy ny dingana amin’ny Planina, satria natao ho an’ny Isiraely ara-panahy ny famonjena (Jer 32:27; Gal 3:27-29; Rom 4:16).
Ampahafantarina ny vahoakan’Andriamanitra sy ampianarina azy ny andraikitra tsy maintsy raisiny hahazoany famonjena, izay raketin’ny hevi-panahin’ny andro masina nodidin’i Jehovah ho tandremana mandrakizay.
Fitaizana ny fiangonana hanaraka ny Lalam-pamonjena marina voalazan’ny Soratra Masina no tanjona amin’izao dinika izao, hahatratrarany ny fenitra ilaina amin’ny Fanangonam-bokatra rehefa miverina Jesosy Kristy.

SHOW MORE
SHOW LESS

Create successful ePaper yourself

Turn your PDF publications into a flip-book with our unique Google optimized e-Paper software.

21

Izao no toriteny nataony: « Ary tamin'ny andro farany, izay andro

lehibe tamin'ny andro firavoravoana (Fara-fivoriana), dia nitsangana

Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy

hanatona Ahy ka hisotro. » (Jao 7:37) « Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny

rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra

Masina. » (Jao 7:38) « Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy,

no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria

Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina] »

(Jao 7:37-39)

Ny ankamaroan’ny Fiangonana milaza ho kristiana dia mampianatra

fa novan’i Paoly tanteraka ny fivavahana kristiana. Heverin’izy ireo fa

nampianatra ny Jentilisa niova ho kristiana Paoly, ka nilaza hoe tsy

ilaina intsony ny fitandremna ireo andro firavoravoana voatendrin’i

Jehovah ireo. Ekena fa saro-patarina ny soratr’i Paoly (2 Pet 3:15), nefa

Paoly dia nanamafy hoe “Manahafa ahy tahaka ny anahafako an’i

Kristy”, ary Kristy dia tsy nanafoana ireo fotoam-pivavahana

voatendrin’i Jehovah ireo fa nanaja azy tanteraka.

Ao amin’ny 1Kor 11:1-2 sy 23-24 dia izao no nambaran’i Paoly:

1 « Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i

Kristy. » 2 « Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny

zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra,

araka ny nanolorako azy taminareo. » 23 « Fa izaho efa nandray

tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny

alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, » 24 « ary rehefa

nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao

no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina] »

Raha tsy zatra nitandrina ny Andro Masina izy dia tsy mitombona

ireo fampianarana nomeny ny Jiosy sy ny Jentilisa tany Korinto ireo.

Tsy misy toko sy andininy ao amin’ny Soratra Masina manaporofo fa

Paoly dia nitady handresy lahatra na iza na iza mba tsy hitandrina ny

Andro Masin’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany aza fa tsy ho

azony eritreretina mihitsy ny toy izany (Asa 24:12-14; 25:7-8; 28:17).

Hooray! Your file is uploaded and ready to be published.

Saved successfully!

Ooh no, something went wrong!